Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

21 Aprily 2016

Iza moa i Di...?

RAHAINGOSON Henri no ao amin'ny sora-piankohonany fa i Di... no ahalalan'ny maro azy amin'ny tontolon'ny soratra. Teraka ny 26 novambra 1938 tao Befelatanana Antananarivo izy, zana-dRahaingoson Eugène Bella (1901-1973) pôeta antsoina hoe Rabesapaoritra (1901-1973) sy Ralinirina Perle. Ny 13 aprily 2016 teo no nandao antsika tampoka i Di... teo amin'ny faha 78 taonany. Betsaka loatra ny azo lazaina momba azy ka ialan-tsiny dieny mialoha fa tsy ho tanteraka ny takelaka atolotray Pôetawebs etoana.


Mari-pahaizana
Ireto no mari-pahaizana azony: DEA en Information et Communication, Licence sy Maîtrise en lettres modernes,  Licence d’Histoire, DEUG de Sociologie, Baccalauréat en Droit.


Pôeta - Mpanoratra - Akademisianina
Pôeta sy mpanoratra izy ary efa filohan'ny fikambanan'ny Poety sy Mpanoratra Malagasy Havatsa UPEM (1999-2008).
Mpikambana Mahefa tao amin'ny Akademiam-Pirenena Malagasy ihany koa izy ary Filoha Lefitry ny Sokajy Voalohany ao amin’ny Hailaza sy Haikanto.
Talen’ny GAZETY VALIHA, Gazety Literera famoakan’ny HAVATSA – UPEM isam-bolana izay
miraikitra ao amin'ny gazety SOA an'ny Midi Madagasikara ankehitriny. Marihina fa izay Filohan'ny Havàtsa Upem am-perinasa no talen'ny famoahana ny Gazety Valiha amin'ny fotoana ivoahany.
Mpanoratra izy, hoy isika, satria nanoratra tsangan-tononkalo ka iray amin'izany ilay tsy afaka ambavan'ny maro hoe "Harivariva an-tanin’olona". Mpanoratra koa noho ireo fahalalana midadasika nananany momba ny Nosy ka nanoratany boky sy nanasana azy nanao velakevitra tany amin'ny firenena maro toa an'i Eoropa, Afrika Atsimo, Etazonia, Canada sns.


Mpampianatra mpikaroka
Mpampianatra mpikaroka tao amin'ny Fakiolten'ny Teny aman-tSoratra sy Siantsa maha Olona ao amin'ny sampana fianarana ny teny frantsay (Département d'Etudes Francophones) sy tao amin'ny Fakiolten'ny DEGS sampana Haifiarahamonina (Sociologie) ary tao amin'ny Sekoly Ambony Momba ny hIta/Ecole Superieur de l'Information et de la Communication (SAMIS-ESIC). Niara-niasa ihany koa izy tamin'ny Sampana Teny sy Lahabolana ary Riba Malagasy.
Mpanabe tokoa izy ary isan'irony fatra-pandala ny maha Malagasy irony.
Efa nampianatra tamin'ny Lycée koa izy dia ny Lycée Andohalo sy ny Lycée tao Antsirabe (Lettres et Littérature Françaises, Lettres et Littérature  Malgaches) 1967-1973.


"Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko"
Izy no voalaza ho nipoiran'ilay teny filamatra hoe "Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko", eny fa na dia izy ihany aza no nilaza fa efa tany amin'ny taona 1823 no nipoiran'izany. Nilaza izy fa vokatry ny fahitany ny asa soratra sy ny zava-bitan-dry RABEARIVELO no nitsirian'izay eritreritra naposany ho tonga fitenenana malaza izay. Rabearivelo hoy izy dia nalaza tamin'ny fitadiavana ny very, tamin'ny famerenana ny maha Malagasy nefa koa nanoratra tamin'ny teny frantsay ary tena nahafehy izany. Inona tokoa moa no maharatsy ny fahafehezana teny hafa raha toa ka tena hay sy voahaja ny an'ny tena? Na izany aza dia ny an'ny tena no atao lohalaharana.


Velakevitra - vaky boky - Vohitsera
Mpanao velakevitra matetika izy momba ny maha Malagasy sy ny teny malagasy: ny teny malagasy, ny tolon'ny mahery fo,... Isan'ny nitaiza ny zanaka Malagasy ho tia fianarana sy tia vaky boky ihany koa izy indrindra fa ny literatiora malagasy. Ankehitriny mantsy dia efa mihavoarebirebin'ny fivoaran'ny teknolojia isan-karazany ny ankizy ka tsy mamaky boky loatra intsony. Ilaina fidina koa hoy izy ny boky vakiana fa tsy izay rehetra hita dia mety avokoa. Nanao ezaka mafy izy tamin'ny
fampianarana ny teny malagasy ka namoaka boky maromaro mihitsy ho fampianarana, isan'ireny ny TSIPELINA FITSIAHY izay manoro amin'ny fomba fanoratra ny teny.

Eo ihany koa ny TENY/MOTS mifandraika endrika samy hafa endrika [homographes-homophones sens differents (polysemes)] izay ahitana ireo teny mitovy fanoratra fa samy hafa ny dikany.

Ny edisiona VOHITSERA no fanontana azy izay tao an-tranony ihany. Io Vohitsera io ilay nolazainy hoe vohitra ifaneraserana izay ahafahan'ny mpianatra manao fikarohana mankao aminy, mamaky boky sy mifanerasera aminy.


Rencontre Nationale Sportive
Anisan'ny ezaka nataony ihany koa ny nanova ny RNS hisy tontolon'ny kolontsaina. Ny RNS na Rencontre Nationale Sportive dia tsy nisy afa-tsy fanatanjahan-tena ihany taloha. Tapaka anefa tamin'ny fivoriana farany natrehany teo fa hotohizina hatrany ny fanomezana sehatra bebe kokoa ny ara-kolontsaina.


Faha 150 taona ny gazety malagasy
Ity no tena zava-dehibe izay toa nanjary ho lasa am-parafilaza. Izy no filoha mpandrindra ny fankalazana ny faha 150 taona ny gazety malagasy amin'ity taona ity izay efa ho telo volana izay no nanaovana azy. Efa nisy ny velakevitra momba ny gazety malagasy voalohany TENY SOA HANALANA ANDRO. Hatrany Frantsa no nisian'io valakevitra io izay nokarakarain'ny AIFM
vao tapa-bolana izay (01/04/2016). Teo ihany koa ny gazety FANDROSOAM-BAOVAO. Ity hetsika ity dia mbola tsy nifarana izao lasa tampoka izao izy ka ny fikambanan'ny Poety sy Mpanoratra Malagasy Havatsa UPEM no manohy ny ezaka nataony.

Araka izany, olona mendrika tokoa i Di..., fatra-pandala ny maha Malagasy ary miezaka manindrahindra izany. Tia ny tanaraka malagasy izy ka tsy mamela azy ireo ho tompon-trano mihono fa miezaka mampahafantatra azy ireo ny tantara rehetra niseho teto amin'ity Nosintsika ity, miezaka..., miezaka...

Izahay Pôetawebs dia mino fa mbola velona ao am-pon'ny mpanoratra sy mpandala ny maha malagasy rehetra i Di... Ary manantena ihany koa fa tsy ho raraka an-tany ny anatranatra nataony. Manantena fa hotohizintsika ny ezaka nataony mba tsy ho nikely aina foana izy. Manantena fa ho tanteraka ny tanjony ka na hianatra ny tenim-pirenena hafa aza isika dia handrianintsika ny antsika.

VELONA HO VELONA NY TENY SY HAISORATRA MALAGASY!


Tatitra : Heriarilala Andriamamonjy, Doda Razafindravelo, Léa Fandresena, Ikaloyna Vony, Toetra Ràja

 

 

 

 

   
Tamin'ny fotoana nitondrana am-bavaka ny fahatsiarovana an'i DI tao Parisy ny 17 aprily 2016.

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 24/04/2016