Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 mey 2017

NY VONINKAZONAO RY NENY!

Na vady na zanaka dia mahavatra manolotra fehezam-boninkazo sy fanomezana ho an'ny reny ary mbetika aza mandravaka izany amin'ny teny mamy mirindra sy miendrika tononkalo. Andinin-teny vitsivitsy notsongain'i Toetra Ràja, poety miara-dalana amintsika tato ho ato, no atolotra etoana.
 
Manokana alahady iray isan-taona ny fiarahamonina hanomezan-kasina ny Reny niteraka. Ary lasa androm-pifalian'ny mpianakavy mihitsy io andro manokana io. Soritana fa samy manana ny andro nofinidiny ny firenena tsirairay. Raha ny eto Madagasikara izao dia ny alahady faran’ny volana mey no voafaritra amin’izany ka ny 28 mey izany ho an’ity taona 2017 ity. Ary na dia efa samy manana ny tokantranony aza ny zanaka dia misy ny manao io andro io ho antom-pihaonana anaovana fivoriam-pianakaviana.
Andinin-teny vitsivitsy notsongain'i Toetra Ràja, poety miara-dalana amintsika tato ho ato, no atolotra ho an'ny Reny mpiseran'ny tranonkala www.lakroa.mg.
 



Toetra Ràja
 
 
  FITIAVANA 

Tsy hisalasalana fa fitiavana no mibahana ao an-tsaina raha vao fetin'ny reny no resahina. Midika fihetseham-po mipololotra izany ka tsy mahavahiny ny diam-penin'ny poeta.

"...loharano mavana manome ny hery sy tena Fitiavana" hoy i Rado.

I Andrianary Soambinintsoa aza dia mametraka ny fitiavan'ny reny eo amin'ny toerana avo indrindra sy tsy manan-tsahala raha mbola samy olombelona: "fa ny FITIAVAN-DRENY no manakaiky indrindra ny fitiavan'Andriamanitra". Vao mainka nohamafisin'i Mialy Andrianina izany amin'ny hoe
 "Zanahary hita maso izy ireny!!!"

Na dia voalaza fa tsy mampitoetoe-poana ny teny aza ny poeta ao anatin'ireo andalan-teniny dia vahotra ihany manoloana ny hasin'izany antsoina hoe reny izany. "Tsy hitako ry Neny ny teny faratampony entiko ilazana izato hasinao", hoy ihany i Mialy Andrianina. "Kanefa angamba tsy ampy ny teninay ombieny", hoy indray i Felana Raveloarison manamafy.

Ary na dia efa manana ny fiandrianany aza ny zanaka dia mbola tsy afaka aminy ireo teny miangotingoty taratra amin'ny filalaovana teny verindroa, toa sanatria fitenin-jaza. Mampiasa izany i Tsirimanitra amin'ny hoe "Mamy foana foana ny fitiavana nomeny". Ary tsy izy ihany fa na i Fredy Jaofera azo lazaina fa notahafiny aza: "...fa hafa ihany ny an'ny reny tsaroana mamy ombieny ombieny".

Hiato kely amin'izay hoe "hafa ihany" izay aloha isika satria miavaka sy tsy manam-paharoa ny fitiavan'ny reny. Voajanahary aza hoy i Taf (Tafitasoa Rakotonirina):

"Fa manam-pitiavana voajanahary
Na hafeniny aza 'zany dia miharihary!".

Mahadika izany koa ny voalazan'i Mamisoa hoe "Tokana aman-tany" ary nohamafisina hoe "tsy misy toa anao". Resy lahatra amin'io hoe "tokana" io koa i Misa Rasamy: "tsy hisy olombelona mahasolo anao, tsy hisy safo mamy mihoatra noho ny anao".

...Satria i Neny no mpiahy sady mpiaro, tsy tao an-doharano niforonana ihany fa eo amin'ny androm-piainana manontolo.

LOHARANO SY MPIAHY

Maro ireo voambolana naloaky ny poetanao momba izany loharano izany. Mahazatra antsika ny mampiasa ny hoe "voalohan'ny fitiavana" ilazana ilay olon-tiana voalohany, indrindra moa fa raha nisy hafa taty aoriana. Fa ny tena voalohan'ny fitiavana amin'i Stenny Rajeriarison dia i Neny: "Ilay voalohan'ny fitiavana sy loharanon'aina, tsy iza fa i NENY".

Misy fizaram-pitiavana lehibe eo amin'ny reny sy ny zaza mandritra izay fotoanan'ny fitambaran'aina izay: "Neny, ilay nitondra ahy sivy volana ary koa nanaiky ny ho kitapo nifonosana", Tsisatry. Na dia an'i Neny manokana toy ny an'ny olombelona rehetra aza io "kitapo" io dia foiny nozaraina. Ary na i Martelle Nath aza dia tsy nisalasala nanamafy ny maha sombin'ny aina ny zanaka:

"Fa ny ainy mihitsy no nakany sombiny ...
Dia indro ianao fa miaina..."

Tsy ny vatana ihany anefa fa hatramin'ny fanahiny mihitsy hoy i Elinivo (Elinivo Andrianjafy):

"Ilay nampindrana ny vatany, niantombohanao ho forona
Ilay namindra ny fanahiny, ihariana anao ho olona". 

Amin'ny maha aina iray ny zanaka sy ny reny dia tsy fihetsika iniana atao ny fiarovan'ny reny ny zanaka. "Miahy" no voambolana nofinidin'i Mamisoa nanehoana izany: "Miahy, mitia hatrany hatrany Manao izay azony atao".

Nataony tamin'ny filazam-potoana ankehitriny ny matoanteny, satria fihetsika mahazatra ny "miahy", mety foana na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona.

Fa nahoana moa no arovana? Satria maro ny loza mitatao amin'ny fiainana ary matetika aza dia tsy tsapa akory fa notandindomin-doza ny andro iray vao avy nandalovana. Misy rahateo moa ireo sampanan-dalana mitondra any amin'ny fahaverezana sy ny fikitrohanify ka ezahin'ny reny halavirin'ny zanaka araka ny nanehoan'i Rary Mampionona azy hoe: "tsy tiany ho any andavaka ilay sombin'ny ainy no hiantsampy".

Tsy vitan'ny hoe loharano nipoirana ihany fa tena izy mihitsy no mahaolom-banona sy mahatafita, voalazan'i Hajaina ao amin'ny tononkalony "Masoandro":

"Ny fahalalana mahasoa
Sy ny tanjaka anaty
I Neny ihany no niaviany". 

Iombonan'i Manou Andria hevitra aminy izay amin'ny maha mpanoro lalana na maha tondrozotra marina an'i Neny: "Mba hahaizako mizotra ny lalan-tsara".

Tsara toerana amin'ny fiarovana i Neny satria fantany hatrany amin'ny ati-fony ny zanany. Izay indrindra no tian'i J.V-Rajaonhson ambara amin'ny hoe
 "ilay hany mahalala ny zotran'ito foko". 

Tsy ny lalan-tsaran'ny hoavy ihany no fantatry Neny fa takany hatrany ny zava-mihatra amin'ny zanany, eny fa na dia tsy mbola miloaka taraina aza ilay sombin'ny ainy:

"Mahafantatra ny mihatra amin-janakao malala", MAMPANDRY NY AINA Manitra (Anjara Manitra).

Etsy andanin'izany anefa dia tsy olon'ny fitarainana ny reny fa hery mpiaro moa hoy isika teo. Miady mafy ary miady irery aza indraindray.
"Vao nitsaika aho dia sady dada izy no Neny", Maeva (Nandrianina Maevatiana). Faharetam-pery kosa angaha no tian'i Ony Ravorombato havoitra amin'ny hoe: "Nanaiki-molotra tsy an-kiteniteny", entiny ilazana fa tsy mitarain-tana-miepaka i Neny. Mahalaza izany koa ny an'i Hajaina hoe: "Ilay niharitra ny ngidy, dia ny mafy teto an-tany".

Miverimberina eo imolotry ny poeta izay "ngidy" izay: "I Neny nitondra mangidy", hoy i Andry (Andry Niaina Richard), nohamafisin'i Noro Narindra hoe "Hany afaka niaritra ilay mangidy izay niseho rehetra".


FANKALAZANA - FANOMEZANA - FISAORANA

Amin'ny maha poeta dia tsy isalasalana fa satry ho andalan-teny tsara indrindra no atolotra ho an'i Neny: "kanto ao am-poko" hoy i Lova (Lova Kalak)

Hamafisin'i Doda Razafindravelo aza fa tena avy eo imolotra ny fanomezana ho an'ny Neny: "Raha ny teny mamy imolotro, tsy ho lany na oviana raha ho anao ry Neny tiana". Eny, tsy ho lany ilay oroka atolotra amin'ny alalan'ny teny kanto indrindra, oroka tena fanehoam-pitiavana sy fisaorana: "manoroka anao mirary fety mamy", Nirina Rh.

Ny fisaorana moa dia toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana. "Isaorako ianao, isaorako ombieny" hoy i Ony Ravorombato; "misaotra mankasitraka ireto sombiniaina" hoy ihany i Nirina Rh.

Toy izany koa ny firarian-tsoa fanao amin'ny andro iray lehibe toy izao: "Ho lava andro iainana e, Ho ampoky ny soa!", avy tamin'i Felana Raveloarison. Ary matetika aza dia ombam-bavaka izany: "Misy fo tsy mety tony fa mivavaka ho anao", Stenny Rajeriarison.

Ary raha mbola fanomezana atolotra ho an'ny reny ihany dia zava-tsarobidy ny valim-babena. "Valin-trotroina" angamba no mahalaza azy kokoa eto amin'ny andalan-tenin'i Fanja Andriamanantena hoe:

"Fetinao Neny a,
Avia fihiniko trotroiko..."

Voarakitra ao amin'ny andalan-tenin'i Nenytia (Tina Rakotobe) ihany koa izay hoe "fihiniko" izay:

"Neny TIA, neny Tia
Avia moa, fihiniko indry".

Teny mamy, oroka, fihina, trotro... samy mendrika ho an'ny Neny izany ary anasana izay velon-dreny rehetra araka ny fanirian'i Andie (Andriamalandy Mialy) hoe:

"Mba ataovy tsapako ny ho sambatra androany
Fa hay toa mandalo ny fiainana an-tany..."


FEHINY

Fitiavana avo indrindra amin'ny maha olombelona ny fitiavan'i Neny, hafa mihitsy kanefa voajanahary. Izy no mpiahy, mpiaro, tsy mitaraina ary azo antoka indrindra eo amin'ny fiainana.
Singanina manokana eto am-pamaranana ny famaritana amin'ny teny fohy nataon'i Noro Narindra hoe "tsy olo-voavidy" satria "voajanahary" ny fitiavany ao anatiny, dia ilay tsy mila tambiny ka anokanana andro iray isan-taona amin'ny fetin'ny reny. Kanefa raha isan'andro izy no mitia sy miahy, tsy tokony ho mandavan-taona ve ny fankalazana?

Toetra Ràja

 

www.lakroa.mg

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com
×