Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 avrily 2018

Fantaro i...
RADO 

(1923 – 2008)
 Poety, mpanoratra, mpanao Gazety
Mpikabary
Mpamoron-kira
Mpanao sary paik’afo

 

 

 

NY NIAVIANY

 

 

 

I Georges ANDRIAMANANTENA, fantatry ny maro amin’ny solon’anarany hoe RADO dia isan’ireo mpanoratra namela lova lehibe ho an’ny Haisoratra Malagasy, taranaka maro ankehitriny no mbola milona sy miaina ao anatin’ny andalan-kalony sy ny asasorany izay na misy voaforona tany amin’ny taona telopolo aza dia mbola mandoko ny vanim-potoana iainan’ny Malagasy ankehitriny. Zanaky ny Mpitandrina Gaston Andriamanantena - avy any Betsizaraina, sy Rtoa Razafindrafara – avy any Amboanana Arivonimamo (taranaka  mpitolona Menalamba) izy. Teraka ny 1 Oktobra 1923 tao Ambohipotsy, Antananarivo, Madagasikara. Nampakatra an-dRavololona Edwige ho vadiny izy ary niteraka enina mianadahy izy ireo. Nodimandry ny 15 septambra 2008 tao Antananarivo i RADO ilay poety mpivetso tononkalom-pitiavana, mpikalo ny tonokalon’ny fitolomana sy ady amin’ny tsy rariny, fitakiana zo, fiarovana ny fahafahana, ny fanantenana, ny finoana sy ny fivavahana, sns…
 

NY FIANARANA NODIAVINY
Ireto avy ireo toeram-pianarana nodiaviny :

1929 – 1931 : tao amin’ny Sekolim-panjakana "Ecole Officielle" Faravohitra
1932 – 1941 : tao amin’ny FFMA Ambohijatovo Atsimo
 1941 – 1942 : tao amin’ny Kolejy Paul Minault izay sekoly malaza mamokatra olomangan’ny Haisoratra tokoa, nampianarin-dRavelojaona.
1943 : tao amin’ny "Chambre du Commerce", fianaran-kariva momba ny hairaha ny kajimarika na "sciences comptable"
1959 – 1960 : tao amin’ny Centre International d’Enseignement Supérieur de Journalisme (Université de Strasbourg- Frantsa), fianarana momba ny asa fanaovan-gazety.
Fa ny fitiavany ny teny malagasy sy ny zavakanto dia notovoziny tao anivon’ny fianakaviany tena mpino lalina - Mpitandrina tao amin'ny FJKM Tranovato Faravohitra i Gaston Andriamanantena rainy - izay nitaiza ny ankizy tamin’ny vavaka, ny fianarana ny ohabolana malagasy, ny fitiavana mozika, ny hosodoko, ny zava-kanto rehetra. Nanjary ho mpanan-kanto feno i RADO : poety, mpanoratra, mpamoron-kira, mpidera an’Andriamanitra (maro no mbola hiraina amin’ny fotoam-pivavahana ankehitriny toy ny "Na inona na inona hitranga Jeso") ; mpanao hosodoko, mpanao sary paik’afo "pyrogravure", na ny sary ambony fitaratra "gravure sur verre", ny pai-by "métal repoussé" koa izy.

NY ASA AMAN’ANDRAIKINY
Nisahan-draharaha maro i RADO :

1943 – 1955 : Niasa tamin’ny orinasa fiantohana (Compagnie d’Assurance) "La Préservatrice"

1955-1966 : Nanorina sy niandraikitra ny Gazety HEHY izy sy ny rahalahiny CELESTIN ANDRIAMANANTENA izay poety filohan’ny U.P.E.M. (Union des Poètes et Ecrivains Malgaches) nandritra ny dimy taona (1991-1996). Nanana ny toerany ary be mpankafyny GAZETY HEHY am-polontaona vitsivitsy.

1967 – 1974 : Talen’ny Trano Printy Protestanta Imarivolanitra
1975 – 1977 : Nanao Gazety
1977 – 1989 : talen'ny Foibe fanapariahana ny zava-kanto tao amin'ny MFZR (Minisitera'ny fanolokoloana ny zava-kanto revolisionera)
1978 : taona nanombohany hiompana sy hifantoka tanteraka amin’ny fanoratana sy ny Haisoratra.
1988 : noraisina ho mpikambana mahefa ao amin’ny Akademiam-pirenena Malagasy izy

Mpikabary ikoizana koa i RADO ary mpikambana am-boninahitry ny FI.MPI.MA fahavelony.

NY AINGAM-PANAHY
Maro be ny antony nahatonga azy hanoratra :
- Mpitandrina  ireo Raibeny ka tena mpandaha-teny, nandova avy amin’izy ireo i  RADO.
-Niriny ny mba hitiavan’ny olona mandala ny maha malagasy. Teo anivon'ny ankohonana ohatra dia nisy ny fampianarana ny fomba amam-panao malagasy.
- Ny anjara fitenenana isaky ny alarobia hariva taorian'ny fotoam-pivavahana dia nanazatra azy sahady hahay hifehy ny teny sy ny kabary.
- Ny famolavolan'ireo mpampianatra azy toa an-dRavelojaona, Alphonse Ravoajanahary, ho tia tenindrazana.
-Ny famakiany ny  asasoratra olo-malaza  toa an-dRabary Mpitandrina, Ny Avana Ramanantoanina, sns...
- Ary ny fitiavan-tanindrazana noho izy niara-niaina tamin'ny vahoaka hatrany, nahita ny fahoriana sy fijalian'izy ireo.

NY ASA SORATRA SY NY TALENTA
Ireto avy ny amboaran-tononkalo ahitana ny asasoratr’i RADO :
Dinitra (1973) ;
Ando (1977) ;
Zo (1989) ;
Sedra (1993) ;
Ny teny malagasy (1994) ;
Tsy maintsy mipoaka (2002) ;
Voninkazo adaladala (2003) ;
Fiteny roa (2005).

 

Maro tsy tambo isaina ny tononkalon’i RADO nianarana tany an-tsekoly satria ao amin’ny fandaharam-pianaran’ny Fanabeazam-pirenena Malagasy ny asasorany, voafaritra ao anatin'ny fandaharam-pianarana ao amin'ny kilasy faharoa  ny fandalinana ny  mpanoratra, raha tsy hitanisa afa-tsy ny "Satriko holazaina anao ", "Ho any ianao kanefa", "Boboka aho ry Tanindrazako", sns… Iza no mbola mpianatra Malagasy ka tsy ho nadinina izany? Koa indreo ambany ireo misy lahatsoratra vitsy ianohantsika izany diam-penin’i RADO izany. Maro amin’izy ireny no efa nasian’ny mpanan-kanto Malagasy maro feony, santionany "Raha mbola misy " nohirain’i Bessa sakaizany sy "Tsaroako fa manonja " nohirain’i Ludget Andrianjaka, na "Tiako fotsiny ianao " iangalian’i Bodo, sns…
Isan’ny Gazety namoahana ny asasorany Ny Hehy, Ny fandrosoam-baovao , Imongo vaovao, Fanasina, Fanavaozana.

MARI-BONINAHITRA
Nosaloran’ny Fanjakana sy ny ivon-toerana samihafa voninahitra lehibe tokoa i RADO, santionany amin’izany  ireo mari-boninahitra azony :

1982: Chevalier de l'ordre national malgache
1987: Officier de l'ordre  national malgache
2001 : Grand croix de 2ème classe de l'ordre national malgache

NY FIKAMBANANA NISY AZY
Maromaro ireo fikambanana nisy an’i RADO na naoriny na nandray azy ho mpikambana :
* "Tsiry" niarahany tamin-dry E.D. Andriamalala, ry Dox sy ry Randja Zanamihoatra... nentina nanampy ireo tanora mianatra manoratra, mba hananany fahalalana araka izay mety aminy.
* Mpikambana tao amin'ny OMDA (Office Malgache des Droits d'Auteur), fikambanana miaro ny zon’ny mpamorona.
* Fikambanan'ny mpanoratra Afrikana sy Aziatika
* Mpikambana tao amin'ny AKFM Fanavaozana
* 20 janoary1988 no noraisina ho mpikambana mahefa tao amin'ny Akademia i RADO.

NY HAFANY
Entintsika mamarana ity Fantaro i RADO ity dia ndeha handray torohevitra avy aminy izay azo atao hoe mpitari-dalana ny poety sy mpanoratra rehetra noho izy nitolona mandra-pahatapitra ny fofon’ainy.

Izao no hafatra an-tsora-tanana napetrany ho an'ny mpanoratra namana :

- miezaka mandrakariva ho mari-panoratra ny  teny malagasy
- tsy  entam-barotra ny  haisoratra ka rendrarendraina ho tian'ny olona; fa zavakanto nobitsihin'ny fon'ny mpanoratra ka tsy maintsy kantoina hipetraka sy  hitoetra ho harentsaina eto an-tanindrazana
- tsy  hitsahatra  manovo fahalalana amin'ny alalan'ny famakiam-boky
- tokony ho saro-piaro  amin'ny fandalana ny teny malagasy
- miloloha ny fahafahana hanoratra fa tsy ho fehimpehezin'ny tsangan-kevitra mandalo sy manam-petra; fa natao hanan-kolazaina amin'ny fotoana rehetra ny tena mpanoratra.

Nanangona: Hanitr'Ony

  RAHA MBOLA MISY

Raha mbola misy tsiky
Azonao asedra ny ronjon'ny ankaso
Nahoana indrindra iky
No dia laniana foana ny vongan-dranomaso

   
Raha mbola misy ihany
Kintana mamiratra azonao banjinina
Nahoana no tomany no andanianao
Ny alin'ny ririnina


Raha mbola misy kalo
Azonao hiraina anaty fahavaratra
Nahoana no himalo
Mahita vodilanitra mosarena taratra

RADO

TSAROAKO

Tsaroako fa manonja
Raha tsy mahita anao
'ty androko misaona....
 
Ny iray minitra monja
tsy eo anilanao
dia toy ny zato taona
 
ny alina ao am-ponja
raha eo akaikinao
manjary lohataona.
 
RADO - 1965 (Dinitra tak 59)

pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
×