Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

30 mey 2017

Pôetawebs 2017

1 MEY ANDRO TSY FIASANA
"Tsy niasa aho satria nanaja an'io fety io."

Ny voalohan'ny volana mey teo no nankalazana ny fetin'ny asa, andro tsy fiasana raha ny tena marina. Miverimberina isan-taona.

www.lakroa.mg. Miarahaba anao Toetra Ràja. Nanamarika ny voalohan'ny volana mey izay fankalazana ny fetin'ny asa ve ianao ?

Toetra Ràja. Miarahaba ny www.lakroa.mg amin'ny fanasana hitapatapakahitra ary miarahaba ny mpamaky hajaina, indrindra fa ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka, nahatratra io fety io. Eto aho dia mahatsiaro manokana an'ireo tsy mba afaka nitsahatra niasa tamin'io andro io noho ny antony samihafa. Raha ny amiko manokana aloha dia tsy niasa aho satria nanaja an'io fety io ny tao amin'ny toeram-piasako.

www.lakroa.mg. Rehefa miresaka asa isika dia inona no mety ho tonga ao an-tsaina voalohany ?

Toetra Ràja. ... ilay hoe antom-pivelomana iantsoantsika Malagasy azy. Marina izany satria amin'ny alalan'ny vokatry ny asa, azo tamin'ny hatsembohana, no ahafahana mivelona.

www.lakroa.mg. Hatsembohana hoy ianao, voaozona hiasa mafy ve ny olombelona ?

Toetra Ràja. Voaozona ve satria zanaky ny fahotana ? Tao amin'ny sahan'i Edena aloha dia efa tsikaritra io tsy maintsin'ny hatsembohana io.

"Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany".

Na dia tsy mbola tafaverina any amin'io tany nilaozana io aza isika dia misy ihany ny asa mampilamina na mahadiavolana aza angaha, toy ireny asa atao an-kira ireny. Indrisy fa tsy ny rehetra no afaka miaina izany. Mety hiteraka fahalainana aza kanefa izao aloha no tsarovy :

Na dia malaina
ny tanako roa
ny asa ilaina
KOA TOKOA.

Sahiran-tsaina
sy reraka ve?
Dieny malaina
DIA MANDEHA!

in TIAKO - TIAKO FOANA! tak. 122

www.lakroa.mg. Ahoana ny fijerinao ny fitsipika mifehy ny asa ankehitriny ?

Toetra Ràja. Tsy hitarazoka hanazava ny antsipiriany eto isika satria sehatra goavana ny lalàna mifehy ny asa. Amin'ny fijerin'ny olom-pirenena tsotra no ilazako fa nisy dingana maro vao tonga amin'ny toerana misy azy izao ny zon'ny mpiasa. Misy tantarany io, nisy tolona nahamay tao ary nisy aina nafoy aza, izany hoe nisy olona niady ho antsika ary sahy sy nanam-pahavononana:

Nanomboka
namaha
ny fatotra
aho zareo,
niroboka
ao an-tsahan'
ny sarotra
mpiseho;
ihafiako
anamparana
ny hery
rehetra,
tsy itsitsiako
hasasarana
na ferin-
tsetrasetra.

www.lakroa.mg. Ampahatsiahivo àry hoe ny vokatr'izany tolona izany.

Toetra Ràja. Na dia efa diso fantatry ny maro aza dia tsara ampahatsiahivina fa misy fetrany ny ora fiasana isan'andro, isan-kerinandro, isam-bolana. Natao ialana sasatra ny sabotsy sy ny alahady ary ny andro fety sasany. Ao anatiny ny 1 mey. Ankoatra izay dia afaka misafidy andro maromaro tsy iasana kanefa andraisan-karama ny mpiasa.

Tsy ilaozana olana anefa izany satria misy ireo mpiasa atao ankolafiny. Ary ny loza aza dia nosembanin'ny adim-piainana izany zo izany satria ao ireo miantsoroka asa roa na telo isan'andro, ao ireo voatery mampitombo ny ora na ny andro iasany, mihoatra noho ny nifanarahana kanefa tsy ahazoana tambiny.

www.lakroa.mg. Misy pôety tsy mitsitsy ora iasana koa angamba. Azo heverina ve hoe mba ho anisan'ny asa fivelomana indray andro any ny fanaovana poezia ?

Toetra Ràja. Tsy inoako loatra hatramin'izao ! Ny ao am-paosy hatrany matetika no mivoaka. Voafetra ny isan'ny boky atonta fa ndrao tsy ho lafo. Be sarany ny hetsika.

Mety ho loharanom-bola ihany izy saingy matetika ny Pôety dia mampivady asa hafa ankoatra ny maha pôety azy: mpampianatra toa an'i Jean Narivony, mpanao gazety toa an'i Rado. Akademisianina i Dox, Pasitera i Rô Andriamaneva...

Misy koa ireo Pôety mpanolotra fandaharana amin'ny radio saingy ny ankabeazany dia tsy matihanina. Na misy andraisam-bola aza ny sasany amin'ireny dia tsy natao hampanan-karena e ! Ekena anefa fa noho ny fitiavana ny pôezia sy ny literatiora no antony iantsorohana azy.

www.lakroa.mg. Ataoko angamba fa mba efa nisedra olana toy ny olona teo amin'ny asa i Toetra Ràja.

Toetra Ràja. Ny olana dia misy foana. Fantatro fa misy, any ho any, mpiasa tandindonin-doza isan'andro eo am-panatanterahana ny asany : polisy miady amin'ny jiolahy, miaramila mifanandrina amin'ny andian-dahalo, mpitrandraka safira, sns.

Tsy azo ampitahaina amin'izany ny kely mba nanjo ahy rehefa mitobaka iny ny andraikitra nasaina notanterahiko.

"Nisasaka ny alina, tsy vita ny asa marina! Irery ao am-piasana na efa tsy tamana..."

Fantatra anefa fa tsy azo najanona ilay izy. Izany mihitsy ilay atao hoe voatana !

VOATANA

Voatana
ela tany
am-piasana
aho androany

ka sorena
mafy
sy tena
nihafy,

ny mpiasa
hafa moa
dia lasa
avokoa

efa dila
hafiriana
any anilan'
ny tiana!

Toetra RAJA
31 martsa 2013

www.lakroa.mg. Vitanao nigadona tokoa izy izany !

Toetra Ràja. Tsy namelako raha tsy nahavitako andinin-teny vitsivitsy ! Rehefa tsy nety tamiko ilay hoe "asa atao an-kira" dia io tononkalo io no noezahiko nohiraina teny amin'ny lalan-kodiana...

www.lakroa.mg. ... Hoe ahoana ?

Toetra Ràja. Asa raha fantatrao ilay hira hoe "Bômbô gasy" an-dry Lolo sy ny Tariny. Andramo amin'io tonony io ange ny feony e! Ianao ihany no iangaviako hanovana azy mba hampiakatra ny herin-tsain'ny mpiasa tojo olana.

www.lakroa.mg. Amin'ny alalan'izany hira manentanentana sy mampiainga ny fanantenana izany indray no ametrahantsika veloma ary isaorana an'i Toetra Ràja nizara ny mahasoa sy ny mahafinaritra eto. Mifarana eto ny asa tamin’ty indray mitoraka ity.

Toetra Ràja. Mankasitraka ny gazety www.lakroa.mg. Veloma finaritra!

www.lakroa.mg

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 08/06/2017

×