Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

24 avrily 2017

Pôetawebs 2017

Tano ny HAZO; tano ny AZO, arovy ny TANY!

Ny tany? Velona eo amboniny, maty ao ambaniny. Ary raha handeha hifindra monina ny Malagasy iray dia tsofin-drano : "Tsy ho tampohin-tany". Santionany amin'ny fifamatoran'ny olombelona sy ny tany izany. Tsy misaraka amin'ny tany ny olombelona. Manana ny fijeriny koa ny poety. Marihina isaky ny 22 avrily ny andro maneran-tany ho an’ny tany. Efa tamin’ny 1970, tao anatin’ny rivotry ny fandrosoana malaky, nahatsapana ny tsindry nampizakana ny tontolo iainana, no voalaza fa tandindonin-doza ny tany ka nankalazana voalohany an’io andro io ry zareo tany Etazonia. Fa ny taona 2009 kosa ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana vao nanokana ny 22 avrily ho andro fanamarihana ny Tany mamelona. Miova isan-taona ny lohahevitra voizina ka ny "Tontolo iainana sy ny fanabeazana eo anoloan’ny fiovaovan’ny toetrandro” no lohadinika amin’ity taona 2017 ity. Mampangotika sy mampihetsi-po ny zava-mitranga etsy sy eroa indrindra eto Madagasikara. Manan-kambara amin’izany ny tsirairay.

www.lakroa.mg.
Miarahaba anao Toetra Ràja ary misaotra anao namaly hatrany ny antso. Aompana amin’ny resaka tany ny tafatafantsika anio. Inona no mety ho tonga ao an-tsaina raha vao miresaka tany isika ?

Toetra Ràja.
Miarahaba ny www.lakroa.mg sy ireo mitsidika ny tranonkala.
Ny tonga ao an-tsaina voalohany angamba dia ilay hoe toerana rehetra ao ambanin’ny lanitra, nomena hanjakan’ny olombelona sy hivelomany, ary ilay itoeran’ny tsirairay tokony hankafiziny.

www.lakroa.mg.
Tsy toy ny narahina ara-bakiteny tokoa ve ilay hoe olombelona mpanjakan’ny tany?

Toetra Ràja. Eny, kanefa tokony hoentina am-pahendrena sy amin’ny fomba voasaina satria marefo sy manam-pahataperana ny tontolo iainana.

Tranga roa no mety hateraky ny tsindry avy amin’ny asan’ny zanak’olombelona :

1- Manam-pahataperana ireo harena ao aminy : tany, rano, zava-manana aina, harena an-kibon’ny tany, sns. Misy amin’ireo zava-manana aina aza ohatra no tsy mivelona afa-tsy ao amin’ny toerana tokana eto ambonin’ny tany ary mety ho lany taranaka alohan’ny hahafantarana ny soa aterany. Adidintsika mitoetra eto amin’ity tany fandalovana ity no mikolokolo sy mitantana azy sy ny harena ao aminy, araka ilay hetahetam-po hoe :

Tano ny HAZO,
fahano tsy halazo,
ka asio
zezi-tany,
fa tsy anio
izao ihany
no ilana
ny tontolo,
feno mana
mila kolo.

2- Ny fampiofoana azy ireny amin’ny alalan’ny fandotoana ka maha bobongolo azy. Ary ny harena bobongolo dia tsy mahasoa izay mampiasa azy. Mitantana ny olombelona ; mitazona ny azo ary manatsara koa aza.

Tano ny AZO,
sao angano
mampalazo,
bobongolo
lava izao
no ho tontolon-
janakao !

www.lakroa.mg.
Mba asio fanazavana hoe ilay "AZO" izay.

Toetra Ràja. Harena voajanahary no tian-kambara. Ilay nomena ka nokolokoloin’ny Ntaolo ihany koa ary nolovantsika satria :

Izy ihany
no nikolo,
mba tsy tany
lava volo,
no ho lova
mamintsika,
ka tsy hiova
na ho riaka,
na atsanga
tsy hisava
no hitranga
mba handrava.

Manana adidy koa isika ankehitriny hikolokolo fa tsy handripaka, mba ho lova apetraka ho an’ny taranaka maro mifandimby raha tiana ho tanteraka ilay nofinofy hoe :

"Ny zanaka
aman-jafy
dia taranaka
tsy mihafy!

Ny zanaka
aman-jafy
dia taranaka
tsy mihafy!"

(in TIAKO - TIAKO FOANA, tak. 120)

www.lakroa.mg.
Tsy ny Malagasy rehetra anefa no afaka mametraka lova ho an’ny zanaka aman-jafy satria misy tompon-tany tsy tompon’ny tany eto.

Toetra Ràja. Marina izany, indrisy! Manjaka tokoa ny olombelona, hoy isika teo, saingy tsy izy rehetra satria :

ao ireo lasa ankolafiny,
fombam-biby no tahafiny,
ary misy ankilabao
trotraka isan’andro izao.

Ireo mpihetraketraka tsy maty manota no mahatonga ireo kely tsy mba mamindro tsy ho tompon’ny tany onenany na ampiasainy.

Iza moa no raiamandreny tsy mikatsaka ny hoavin-janaka sy ny hahasoa ny taranaka ? Anisan’ny fanaon’ny olona ny mampitombo tsikelikely ny isan’ny tany sy trano mba hilamina sy ho tony fehizay ireo mpandimby azy.

Irina anefa mba tsy ho an’ny zanaka aman-jafin’ny mpanefoefo sy ny tompon’ny fitondrana ihany fa mba hahakasika ny daholobe koa. Tsy azo ekena izany hoe tsy manana anjara tany eto amin’ny taniny izany.

www.lakroa.mg.
Tsy ny tany ihany angamba.

Toetra Ràja. Marina izany. Mampikonaina ny maro ny fahalafosan’ny rano fisotro sy ny fahatapahany indraindray. Anisan’ny zo fototra ny fananana rano fisotro amin’ny maha olombelona. Mangarahara tokoa ve ny lalan’ireny harena ankibon’ny tany ireny, sy ireny hazo sarobidy ireny ? Ny tiana havohitra dia ny hoe raiso an-tanana ry Malagasy ny zonao fa aza manaiky atao ankilabao intsony ka zary tompony mangataka ny atiny.

Zovy ianao ry Malagasy
efa ela nandeferana,
mbola io mangasihasy,
lasan’olona ny toerana!

www.lakroa.mg.
Azo lazaina fa mbola malalaka anefa i Madagasikara!

Toetra Ràja. Misy toerana ety kanefa ivangongoan’ny maro sy ny taranany eto amintsika. Tsapa amin’ireny fifandroritana eny amin’ny Fitsarana eny ny olana. Etsy andanin’izany anefa dia misy toeran-kafa vitsy olona kanefa tokony ho azo amokarana. Miahotra hifindra monina any ny olona amin’ny maha ankodahodan-tany ny any. Tsy azo antoka koa ny fandriampahalemana. Mila antoka ny vahoaka toy ny fotodrafitrasa ivantanana miampy fanentanana.

www.lakroa.mg.
Marihina fa misy tany tsy voakolokolo sy karakaina kanefa mbola ifikiran’ny olona ihany.

Toetra Ràja. Mampalahelo tokoa kanefa tanindrazana io. Tonga ao an-tsaina avy hatrany angamba ny tsy fahampian’ny rano any atsimon’ny Nosy. Toa sanatria nohadinoin’ny fitondrana maro nifandimby teto amintsika ny faritra sasany. Tsy nolonahana ny tany, tsy narovana ny ala... fa nahoana ?

NAHOANA?

Nahoana
ny tontolo
no foana
bobongolo?

Adray
ity lohasaha
fa hay
mampanahy!

Izay vita
nanahary
dia hita
tsy manjary,

sy potika
tokoa :
mangotika
ny fo!

Ny olona
kere,
mitolona
tsy re!

Nahoana
ny rehetra
no moana
mitaretra,

tsy rototra
toa osa,
montotra
kanosa?

Ny ngeza
basivava,
miady seza
lava!

Ny tontolon’
ireo noana
toa bobongolo
foana

FA NAHOANA?

Toetra Ràja
13 desambra 2008

www.lakroa.mg.
Amin’ny alalan’izay fanontanian’ny vahinintsika izay no ametrahana veloma finaritra ho antsika mpanaraka ity tapatapakahitra ity. Natao ho an’ny rehetra ny fanontaniana.

Toetra Ràja. Tsy isika nitafatafa teto ihany no mila valiny fa ny fiaraha-monina misy antsika : ny Tanindrazana !

Mankasitraka hatrany ny www.lakroa.mg sy ireo mitsidika ny tranonkala. Mandra-pihaona.

www.lakroa.mg

 

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 08/06/2017