Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

03 avrily 2017

Pôetawebs 2017

Tolona - Mifohaza ry Pôety

Fomba maro no nanamarihana ny faha-70 taonan’ny tolona nataon’ny Malagasy tamin’ny 1947 izay marihana manokana isaky ny 29 marsa. Sehatra iray anehoana tolona sy fitiavan-tanindrazana ny asa soratra. Pôety maro no mitolona anaty asa soratra. Tsy lany ary tsy ho lany taranaka ireny Pôetin’ny tolona ireny.
Mifohaza ry Pôety

Pôety maneho fitiavan-tanindrazana, araka ny tsapa ao amin’ny bokiny "TIAKO - TIAKO FOANA!" i Toetra Ràja. Vahinin’ny www.lakroa.mg izy mandritra ny fotoana fohy. Dinika faharoa izao aroso izao.


www.lakroa.mg
Miarahaba anao Toetra Ràja, azonao hazavaina ve ny rohy mampifandray ny poezia sy ny fitiavan-tanindrazana ?

Toetra Ràja
Miarahaba ny gazety Lakroa www.lakroa.mg sy ireo mpiserany.

Voalohany indrindra aloha dia tiako ny milaza fa matoa tafiditra ao anatin’ny boky "TIAKO - TIAKO FOANA!" ny resaka tolona dia satria ao ilay teny hoe "fitiavana", dia ny "fitiavan-tanindrazana" izany. Manoratra ny Pôety, manoratra hatrany, manoratra fihetseham-po faratampony. Tsy mitsitsy fotoana sy herin-tsaina izy ary mikaroka fomba tsaratsara kokoa, hahatomombana ny fandaharana ny teny. Mihevitra izy fa tsy ho very maina ny dinitra arotsany mba hamonto ny tany ka hampiroborobo ny fitiavan-tanindrazana araka ity tononkalo DINITRA PÔETA ity (TTF. Isika eto amin’ny www.lakroa.mg dia manoratra poety ary ho fanajana ny asa soratra ny olona iray dia tehirizintsika ny "pôeta" araka ny nanoratany azy).


DINITRA POETA

Dinitra
pôeta
no rihitra
irafetan’
ny kolo
manoloana
ny tolom-
pandrosoana!

...Hitete
tsy hiato,
na hoe
vy sy vato,
hampiray
hanova bika
an’ilay
tanintsika.

(...)

Areniko
ny tany
amy teniko
tsy ambany!

Toetra Ràja
19 jona 2005

www.lakroa.mg
Ahafahana manarina ny tany tokoa ve ny teny ?

Toetra Ràja
Azo apetraka amin’ny laza adim-panadinana izay fanontanianao izay! Tsy ho lava ny fanazavako fa ny tiako harangaranga dia ny hoe manan-jiny ny teny ka ny fampiasana azy dia mety hanatsara na hamotika zavatra betsaka. Mety hiteraka korontana eo amin’ny fiaraha-monina izy kanefa azo ampiasaina hampivoatra ny tontolon’ny zanak’olombelona. Firifiry tokoa moa ireo sanganasana pôety nitarika olona hitraka raha tsy hanonona afa-tsy ilay hoe "Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilana, Rado - 2002) isika?

www.lakroa.mg
Nalaza tokoa io bokin’i Rado io. Aiza ho aiza ny Pôety ankehitriny amin’ny resaka tolona?

Toetra Ràja
Samy manana ny vaninandrony ny asa soratra mahakasika fitiavan-tanindrazana. Nitolona Ny Avana tamin’ny fanjanahantany. Amin’izao fotoana izao dia entanina ny Pôety hitolona ho an’ny fandrodanana ny fitiavan-tena manjaka tokana.

"Ny bobongolonao ry taniko no mangeja ny androaniko, satria mantsy nohosena anatin’ny fitiavan-tena. Ny hetraketrakao rey olona, mamporisika ahy hitolona, miainga avy ao anaty, mipololotra tsy mba maty. Mitolona aho fa pôeta, tsy mba afaka hetaheta. Maro mantsy ny hirifiry sy alahelo makadiry ary koa ny fahafatesana... Mila tsy hifandrenesana! Saingy ekeo fa eto an-tany misy lalantsara hatrany. Rehefa tia ka tena tia, tsy ho kivy sanatria!"

in "TIAKO - TIAKO FOANA!", tak. 99.

www.lakroa.mg
Inona no tianao lazaina amin’izay "lalantsara" izay Toetra Ràja ?

Toetra Ràja
Efa tsy andron’ny fampiasana basy aman-tafondro intsony isika izao raha tolona no resahina. Tolona "marina" no atao. Raha ara-bakiteny dia any amin’ny lalana "tsara" no tokony haleha, izany hoe tsy ilay mitondra any amin’ny korontana sy fanimban-javatra akory fa any amin’ny fifampiresahana sy fanaovana tondro-molotra ny tsy marina. Ny tsy marina ? Ho zary henatry ny fiaraha-monina anie izany ka hampitsingidina ny fitiavan-tena, fototry ny tsy fahombiazana ankehitriny.

TOLONA MARINA

Rehefa
voatery
ny manodidina,
handefa
fijery
mampitsingidina,
fa MARINA
loatra
ny fitakiana...

Dia hiarina
hitroatra
ireo mangina,
fa efa
any ho any
ny ady mazana,
hiantefa
hatrany
amy faravazan’
ny olona
lany
fiantsampazana...

TOLONA
ho an’
ny tanindrazana!

Toetra Ràja
7 janoary 2014

www.lakroa.mg
Ahoana tokoa ny momba izany hoe "olona lany fiantsampazana" izany ?

Toetra Ràja
Izy ireo no trotraky ny fiainana ka na ny taniny ifikirany aza dia efa heveriny fa tsy azy intsony. Tsarovy ny hiakam-pitoloman’i Ludger Andrianjaka amin’ilay hira hoe "Nosy tanindrazako". Ahoana hoy izy ? "Madagasikara ho an’ny Malagasy, Malagasy kosa ho an’i Madagasikara". Mampihiaka ahy koa ny hira toa ireny ary mampakatra avy hatrany ny aingam-panahiko ka mampanontany tena hoe : iza no tompon’ny toerana? Araho ny rohy

TOERANA

Zovy ianao ry Malagasy
efa ela nandeferana,
mbola io mangasihasy,
lasan’olona ny toerana!

Eo ambody fiakarana
mivangongo mavomavo:
ianao no famaharana
amin’ny tohatohatra avo!

Aiza ianao ry Malagasy
trotraky ny hatezerana?
Ny hajanao voatasy,
ny anao no fanaikerana.

Mbola io..., io ianao
lasalasa fiheverana
fa atao ankilabao
na dia tompon’ny toerana!

Toetra Ràja
1 jolay 2016

www.lakroa.mg
Ny fahatsiarovana ny tolona tamin’ny 29 marsa 1947 no iantefan’ny dinitsika eto. Teny fohy momba izany avy aminao ?

Toetra Ràja
Tolona mivaivay no niainan’ny Malagasy tamin’izany fotoana izany. Nianarana tany an-tsekoly ny zava-nitranga. Tsy hisalovana ny andraikitr’ireo mpahay tantara aho kanefa manana fahatsiarovana kely naverimberin’ny raiko matetika taminay zanany. Tamin’ny fito amby efapolo dia anisan’ireo mpianatra kilasimandry tao amin’ny Ecole Régionale Mantasoa izy. Tamin’io alin’ny 29 marsa io àry dia nanambara tamin’ireo mpianatra ny mpiandraikitra ny sekoly hoe : "tsy maintsy mody izao dia izao ianareo fa tsy afaka hiantoka ny fiarovana anareo ny sekoly". Ankizy tsy ampy taona anefa izy ireo ary matoa natao kilasimandry dia lavitra toeram-ponenana. Tsy nisy ny fiarakodia, ny tany mihotakotaka kanefa nisasaka ny alina. 30 km no miandry, mihorohoro ny fo amam-panahy, lava toy ny tsy hanam-pahataperana ilay alina...

www.lakroa.mg
... Dia nanao akory ?

Toetra Ràja
Velonaina soa aman-tsara! Betsaka ireo Malagasy nihorohoro tamin’ireny saingy tsy hary voatantara avokoa. Manainga ny rehetra re handray penina e ! Tantarao ny marina !

www.lakroa.mg
Eo koa ianareo Pôety sy mpanoratra! Ny hafatrao ho azy ireo ?

Toetra Ràja
Eny, ao anatin’ny fahantrana mangitsoka ny vahoaka. Fotoanan’ny haisora-pitolomana izao. Mifohaza ry Pôety. Aza lany andro amin’ny fehezanteny lava fa manaova teny fohy mipaka malaky any anatin’ny fo lalin’ny rehetra. Miandry anao ny firenena.

www.lakroa.mg
Misaotra anao Toetra Ràja amin’izany hafatra ho an’ny Pôety sy ny rehetra izany. Mirary soa ! Amin’ny manaraka indray mitafa sy mihaona amin’ny mpanaraka ny www.lakroa.mg.

Toetra Ràja
Misaotra ny gazety www.lakroa.mg sy ireo mpiserany koa. Manararaotra aho eto misaotra ny tranonkala iray nanolotra ahy an’ity akanjo anaovako ity (MALAGASY). Io tranonkala io dia noforonina tamin’ny 29 marsa 2017, ho fankalazana ny soatoavina napetrak’ireo namoy ny ainy tamin’izany taona 1947 izany. Mandra-pitafa!


www.lakroa.mg

poetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

Date de dernière mise à jour : 08/06/2017

×