Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
27 febroary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

  FANADIHADIANA TONONKALO  
  Lohateny : MENA
Mpanoratra : Rado
Taona namoahany azy : 1973
Loharano : "Zo", tak. 53
Namakafaka : Faniry Ezeckiel
 
  RADO   FANIRY EZECKIEL  
MENA

Mimenam-boaroihazo akaiky fahavaratra
ireo molotrao homehy
Sitraky ny fo fa mitahiry taratra
sy hatsaran-tarehy
monina ao anaty

Mena tsy lokoina misarisary zoron'
ny tanintsika ange!
Mena toy ny ran'ny aina torotoron'
ny "Fikomiana-Mey"
tadidy mandra-maty.

Rado (1973)
  Mitana andraikitra lehibe eo amin'ny fitazonana ny tantaram-pireneny ny mpanoratra sy ny pôeta. Efa tsy zoviana amin'ny maro intsony raha ny anaran'i Rado izay pôeta nanoratra ity tononkalo "MENA" ity. Tazana eto ny fahaizany maneho amin'ny fomba kanto dia kanto ny hevitra tiany hovoizina sy ny hafatra tiany hampitaina.

Vao mandre hoe "mena" dia ny lokon'ny fitiavana avy hatrany no mby ao an-tsaina... Fitiavana miredareda tokoa no mipololotra avy amin'ny aingampanahin'i Rado eto saingy tsy fitiavan'olon-droa tahaka ny mahazatra ny maro fa fitiavan-tanindrazana madiorano.

Mitantana ny sain'ny mpamaky hahatsiahy ny zava-nisy tamin'ny tolona 72 eto ny asasoratra ary maneho izany indrindra ny daty nahavoasoratra ity tononkalo ity izay toa midika avy hatrany fa niainan'ny mpanoratra, tsy vitan'ny hoe niainany fa toa milentika lalina ao am-pony mihitsy. Toa taratra ho mikoriana ao anatiny manko ny ra nalatsik'ireo mpiray tanindrazana aminy mba ho avotra ho an'i Gasikara, toa mihetsi-po lalina sy malahelo ery ny pôeta mamarana ny tononkalony : "Tadidy mandramaty".

Ankoatra izay dia lafatra ery ny fanehoany ity sangan'asa ity satria hita fa voafehiny loatra ny mampiasa sarin-teny feno fanoharana lalina. Mahavalalanina koa etsy ankilany ny fitarihan-dresaka voiziny ao amin'ny andininy voalohany izay tsy azo saintsainina mihitsy ny tara-kevitra ironany ao amin'ny andininy manaraka. Tarihiny hankafy ny felan'ny tsiky sy ny hanitry ny tontolo iainana ny mpankafy vao ampitany ny hevi-mafonjan'ny hafatra hampitainy. Na eo aza izany dia hafa kely ery ny fandrafetany ny rima izay toy ny tady miafina mba mampitohy ny endrika sy hevitry ny andininy roa izay toa tsy misy ifandraisany ho an'ireo "kamo" handalina fa te hotoloram-potsiny :

"Monina ao anaty... Tadidy mandramaty"

Sady mitahiry ny tantaram-pirenena no mitarika ny mpamaky ho tia ny tanindrazany ary indrindra manome hasina ny Teny Malagasy amin'ny alalan'ny voambolana voafantimpantina sy ny rima voarafirafitra eto ny mpanan-talenta. Tononkalo fohy nefa mahataka-davitra, ka moa tsy fitaratra ho an'ireo mpandimby anaran-dray ankehitriny izay mihazakazaka sy mitsambikina hanakatra ny lanitra?

FANIRY EZECKIEL
Pôetawebs©2019 - poetawebs@gmail.com