Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta (T. Ràja)

13 marsa 2018

IRAY VOLAN'NY POEZIAPôetawebs 2017

Taona maromaro izay no nanomboka nankalaza izany Iray Volan’ny Poezia izany isika, eo amin’ny fotoanan’ny lohataona eo, na ny fararano, arakaraka ny ilabolantany misy antsika. Efa fotoana andrasana sy antenaina, iomanan’ny manan-kozaraina, iritsohan’ny fanahy miaina ainga isan-karazany milalao teny, teny kanto sy vita rary. Fa iza moa no namorona azy ity, dia taiza ?

I Simon Dumas mpanoratra sy mpanankanto Québécois no namorona ny “Mois de la Poésie” tamin’ny taona 2008, teo anivon’ny fikambanana antsoina hoe “Bureau des Affaires Poétiques”.

Maro no nanaraka io ny tany frankôfôna ka isika koa anisany, matetika mantsy no anaovan’ny Institut Français de Madagascar eto amintsika hetsika mifanindran-dalana amin’ny misy any Frantsa na amin’ny firenena lehibe miteny frantsay toy ny “Printemps des Poètes”, ny “Journée de la Francophonie”, ny “Fête de la Musique”, ny “Lire en Fête”, sns... Ao anatin'izany ny Volan’ny Poezia, amin’ny volana Marsa. Firenena sy teny maro no manaraka izany, anisany isika. Manana akony manokana ao am-pon’ny Malagasy ny teny, ka satrintsika hanandratra ny haisoratra sy ny tononkalo malagasy ihany koa rehefa mankalaza izany iray volan’ny poezia izany. Tsy ny tononkalo ihany mantsy fa ny karazany rehetra, na tantara filalao an-tsehatra, na sombin-tantara, na lahatsoratra antsaina, na hiraina, sns... dia izy avokoa.

Indro ny mombamomba an’i Simon Dumas izay voatonona tetsy alohaloha tetsy :

“Simon Dumas dia teratany Québecois, izay tsy vitan’ny hoe mavitrika ao amin’ny Renivohitr’i Kanada ao ihany, fa eran’izao tontolo izao mihitsy amin’ny fanomezana vahana ny fampiainana ny Haisoratra. Nahazo loka maro be izy, toy ny “Prix de L’Institut Canadien de Québec” izay mampivoitra ny olona na fikambanana miavaka, miasa manome toerana mankadiry ny hetsika manodidina ny Haisoratra.

 Efa roapolo taona mahery izao no nifoforan’i Simon Dumas hanome sehatra ny literatiora toy izany, amin’ny alalan’ny fampifangaroana ny haisoratra sy ny teknolojia. Maro ny seho nomanin’ny Productions Rhizome izay tarihiny (Tale Jeneralin’ny Haikanto izy) mampiasa feo sy sary na fomba hafa anehoana Haisoratra.

Ny Productions Rhizome dia mamolavola sy manatanteraka vinan’asa fampisehoana, fifaninanana lehibe, fampirantiana, tsanganasa na tsangan-toerana misongadina izay mifandray amin’ny haisoratra avokoa. Araka ny voalaza dia i Simon Dumas no namorona ny “Mois de la poésie” na Iray Volan’ny Poezia, vanim-potoana nasandratry ny Bureau des affaires poétiques (BdAP).”

Izany no ela fa efa ao anatiny isika izao, ka mirary anao volana Marsa, na volan’ny Poezia feno zava-kanto vita amin’ny Teny. Mampirisika anao hamerina hanavatsava ny soratra efa vita, ny boky efa voatonta, ny mpanoratra efa voasedran’ny taona, ny poety vao misandratra, izay rehetra mifandray amin’ny Poezia ! Manorata ihany koa ! Moa va tsy kalo sy hira ary poezia ny fiainana ?
 Dia efa tsidiho maharitraritra ny Poetawebs e !

Araho koa fa hisihisy ny hetsika ato ho ato.

Nangonin’i Hanitr’Ony
Martsa 2018.

poetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 13/03/2018

×