Poetawebs - Lydiary

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta.

(T.Ràja)
15 marsa 2018
Fantaro i...
Lydiary
Natolotr'i Tsikimilamina Rakotomavo

Fa ny tena nampiavaka azy dia ny fisahanany asam-pitolomana maro amin’ny fiaraha- monina indrindra ny tontolon’ny vehivavy. Nezahiny ny hampivoatra ny vehivavy tamin’ny lafiny rehetra ka nananany andraikitra...

Teraka tao Amparibe Antananarivo i Lydiary ny 03 febroary 1947 ary nodimandry tao Ampefiloha ny 09 Septambra 2012. RAZAIARIMANANA Marie Lydia no anarana nomen-dRASOAMANANA sy RAVELOARISOA Lucie ray aman-dreniny azy.

Tao amin’ny Sekoly Maria Manjaka Andohalo no nandranto ny fianarany fototra izy. Tao amin’ny Collège Moderne de Madagascar Ankaditapaka Ankadifotsy kosa no nahazoany ny mari-pahaizana Baccalauréat andiany voalohany sy faharoa. Nanohy ny fandalinana ny teny tao amin’ny “Université de Madagascar“ izy ka nahazoany ny mari-pahaizana licence ès-lettres Malagasy sy ny C2 de Maitrise. Vehivavy ranjanana i Lydiary porofon’izany ny nanaovany ny fanatanjahantena Hand –ball hatramin’ny fahazazana.

Teo amin’ny tontolon’ny asa dia fotoana naharitra no nisahanany ny fampianarana taranja Malagasy. Efa mpanolotsainan’ny Minisitry ny Mponina izy ary lasa talen’ny Sampan’asa iray teo anivon’io ministera io ihany.

Lydiary: Vehivavy mahafatra-po

RAKOTOSOLOFO Joseph (Solofo José) no andefimandriny ary RAKOTOSOLOFO Tsiry Hasimbola, RAKOTOSOLOFO Mialy Seheno, RAKOTOSOLOFO Saroy, RAKOTOSOLOFO Ranto Manana no menaky ny ainy. Masiaka be ronono izy teo amin’ny fitaizana sy fanabezany ireo taranany. Sarotiny amin’ny zanany vavy tokoa izy amin’ny maha reny azy; anisan’ireny ny fananarany azy ireo eo amin’ny fahaizana mitondra tena mendrika eo anivon’ny fiarahamonina. Na izany aza anefa dia mifampitondra ho toy ny mpirahavavy sy mpianadahy amin’ireto zanany izy. Maro ireo andraikitra hafa nosahaniny ivelan’ny tokantrano toy asam-panasoavana teo anivon’ny fokontany Amparibe sy Ampefiloha. Nanamarika azy koa ny fandraisany anjara goavana teo amin'ny fikarakarana ny lalaon'ny Frankôfônia andiany voalohany teto Madagasikara. Na izany aza anefa, tsy nataony ambanin-javatra ny fikoloana ny ankohonana.
 
 
Fahatsiarovana mivela ho an’ny maro
- Tsy afaka am-bavany ny teny hoe “Ankehitrio” rehefa miresaka ny fiaraha-miaina izy
- Fiteniny matetika amin’ireo zanany rehefa miara-mikorana sy mifaly ny hoe: "ianareo menaky ny aiko, mahaiza mifankatia sy mifanampy”
- Hoy Ilay:

 
Izy
Ilay vehivavy
Nanandratra ny ampela
Gasy
Tiany toy ny havozo
Hamerovero hanitra
Eny anivon’ala

 
Boky mirakitra ny asa sorany

• Renintanely (2012 amboara fahatsiarovana an’i Lydiary)
• Fy iainana (25 Aprily 2012 - Antsantononkalo CGM niarahana tamin’i Tsirinala sy Soambinintsoa)
• Sandratr’Antsa (2005-2006 )
• Ambadika SY Ambadiky ny fitia (22 Janoary 2003 - Antsantononkalo CGM niarahana tamin’i Malalatiana-Hasina , Asiniony)
• Randran-droa (28 Marsa 2001 - Antsantononkalo CGM niarahana tamin’i Haingo)
• Sombintantara voafantina (1999)
• Tontolo isainana (1991 - Amboaran-tononkalo)
• Sandra-kalo (teny malagasy sy teny frantsay - 1994)
• Sandratra Amboaran-tononkalo I (1988)

Horonantsarimihetsika efa noforoniny

• fohy : An’iza aho? , Ombon’ady
• lava : Jabajaba

Mari-boninahitra azony

• Grand-Officier de l’Ordre National Malagasy
• Commandeur de l’Ordre National Malagasy
• Officier de l’Ordre National Malagasy
• Chevalier de l’Ordre National Malagasy
• Chevalier de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture




























Indro àry tononkalo iray nahafantarana azy.

IREO TSIKY MARO LOKO

Tsiky imolo-jazakely, tsiky dio mahafatifaty
Taratr’ilay fon’anjely, izay koboniny ao anaty

Tsiky imolotry ny mpitovo,tsiky dongy, fambaboana
Mifono zava-maro loha: hantahanta, fiangotiana
Mety ho poizina ihany koa, famadihana olon-tiana

imolotry ny voadona, tsiky feno fanahiana
Fandrabiana, lotom-po, eso, valifaty koa

Tsiky imolotry ny antitra, tsiky vontom-paharesena
Fahagorahan’olo-miaina
Nolazoin’ny ady ela ka tonga tsiky matro-mavo
Tsy mamoaka aina intsony

Lydiary, Sandratra amboaran-tononkalo voalohany tak 44







 









Lydiary : Vehivavy mpikanto

Nisalotra ny solonanarana hoe : Lydiary - Razay – Azary izy teo amin’ny tontolon’ny soratra Ny 1967 izy no nanomboka nanoratra, herintaona taorian’ny nahafatesan’ny reniny. Tononkalo, sombintantara, tantara fandefa amin’ny onjam-peo, lahatsoratra famakafakana, angano, horonan-tsarimihetsika no karazana asa soratra manavanana azy. Boky, horonam-peo, horonan-tsary kosa no fitaovam-pandrosoana mitahiry ny sorany.

Ny fitambesaran’ny fahakambotiana, ny fahafatesana misesisesy teo amin’ireo olon-dehibe tao amin’ny fianakaviana, ny fahoriana mianjady amin’ny olona manodidina, ny fahatarana be dia be eo amin’ny fandrosoan’ny Malagasy eo amin’ny lafin-javatra rehetra, ireo no nitambatra ka namatsy ny aingam-panahiny ary nivaingana ho soratra. Nampanan-karena ara-tsaina azy ny fifaneraserany tamin’ireo mpanoratra namany toa an-dry Ilay, Randja Zanamihoatra, Vahandanitra ary ireo mpanoratra mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Nanintona azy manokana ny bokin’i E.D Andriamalala, ny tononkalon’i DOX, J.J. Rabearivelo, ny asa soratry Ravelojaona, Jean Paul Sartre, A.Camus, Lénine, Claude Azelon, Clara Zetkin, Clarisse Ratsifandrihamanana. Tia tantara tsangana sy sarimihetsika, hosodoko, mozika ary soradihy izy.


Lydiary : Vehivavy mpitarika

Tsara ny manamarika fa i Lydiary no anisan’ny vavitokana nanorina ny Faribolana Sandratra ary mbola izy ihany koa no namorona ny sary famantarana izany fikambanana izany. Maro ireo velakevitra efa notanterahiny mikasika ny haisoratra, fa singanina amin’ireny ny “Ny vehivavy sy ny haisoratra” izay notontosainy ny 13 Oktobra 2010 tamin’ilay hetsika Vasavasa...Tafatafa. Maro tahaka izany koa ireo haino aman-jery niantsana ny asa sorany toy ny RNM, ACEEM RADIO...

Fa ny tena nampiavaka azy dia ny fisahanany asam-pitolomana maro amin’ny fiaraha-monina indrindra ny tontolon’ny vehivavy. Nezahiny ny hampivoatra ny vehivavy tamin’ny lafiny rehetra ka nananany andraikitra tao amin’ny Dinika sy Rindra ho an’ny Vehivavy (DRV). Nifanindran-dalana tamin’izany ny fampivelarana sy ny fanapariahana ny haisoratra Malagasy amin’ny maha mpikambana azy tao amin’ny FI.MPA.MA.MA (Fikambanan'ny Mpandala ny Maha-Malagasy sy ny Akademia Malagasy.


Anisan’ny nampiavaka an’i Lydiary ny fanaovany lahatsoratra salohy tao amin’ny Gazety Ambioka. Ampahany nivoaka tao amin’ny Gazety Ambioka lah 25 mikasika ”ny vehivavy sy ny haisoratra” ny hoe:
 
Raha mbola fanontaniana no nametrahantsika ny herin’ny sora-behivavy eto Madagasikara ny amin’ny fananany toerana any ivelany, efa mamahatra sy mihamahazo vahana tanteraka izy eto an-toerana”.

Efa nisy ny fikarohana mikasika ny asa sorany dia: "Ny fahatsiarovana tarafina ao amin’ny tononkalon’i Lydiary" notontosain-dRASOARINIVO Joséphine ny 19 Novambra 2002 tao amin’ny E.N.S Ampefiloha.

 

 


Natolotr’ i Tsikimilamina Rakotomavo
pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
×