Famakafakan'i Zo-Maminirina Ny diam-peniko notontosain'i Tsikimilamina Rakotomavo

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 
T.Ràja
27 jolay 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".


FANADIHADIANA TONONKALO

Lohateny : Ny diam-peniko
Mpanoratra : Zo-Maminirina
Loharano : Amboaran-tononkalo Sandratra, tak. 28
Namakafaka : Tsikimilamina Rakotomavo


Zo-Maminirina

Tsikimilamina Rakotomavo


NY DIAM-PENIKO

Ny diam-peniko no aina
Vaovao ho entinao
Hitady indray ilay maraina
Toy ny efa hadinonao

Ny diam-peniko no angady
Hitrandrahanao ny tany
Ho basy entinao miady
Amin-toloko sy tomany

Ny diam-peniko no ando
Hamonto ny fonao
Efa sasatra nitia
Sy diso fanantenana

Ny diam-peniko no hiandry
Sy hamefy anao tsy hihoatra
Ny valan'ny fiainana
Raha tany koa ny tany.

ZO-MAMINIRINA


Anisan'ny mitana toerana lehibe eo amin'ny tontolon'ny literatiora malagasy ny soratra noho izy mitahiry ny tantaram-pirenena ary indrindra mampita hafatra ho an'ny mpankafy haisoratra. Miresaka izany indrindra i ZO-MAMINIRINA ao amin'ny tonokalony izay nampitondrainy ny lohateny hoe : "Ny Diam-peniko" ary notsoahina tao amin'ny amboaran-tononkalo Sandratra tak 28. Asongadiny amin'izany fa manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny literatiora ny soratra. Hamahavahana izany akaiky dia avohitra mialoha ny famaritana ny soratra. Asongadina manaraka izany kosa ny andraikiny. Ireo fizarana roa voalaza teo ireo no ezahina velabelarina mifanesy etsy ambany.

Hofaritana amin'izao fizarana voalohany amin'ny famelabelarana izao ny atao hoe : soratra
Voalohany dia azo ambara fa fitaovana famelomana ny soratra. Singa entina hanampiana ny hafa sy manome hery izany ny soratra raha zohiana.Koa hoy indrindra ny andalana 1 : "ny diam-peniko no aina"
Tsapa ihany koa fa fitaovam-piasana ny soratra. Akora entina manantanteraka asa sy andraikitra araka izany ny soratra. Hamarinin'ny tononkalo izany:
"ny diam-peniko no angady
hitrandrahanao ny tany"

Fanampin'izany dia azo faritana amin'ny fitaovana fampitoniana ny soratra. Azo heverina ho fampilaminan-tsaina sy eritreritra ity singa mandrafitra ny literatiora ity. Koa hoy ny tononkalo :
"ny diampeniko no ando
Hamonto ny fonao"

Eo anatrehan'ireo famaritana samihafa ny atao hoe soratra dia hita fa manana andraikitra izy. Koa ny mikasika izany indray no hodinihina manaraka.

Maro ireo andraikitra sahanin'ny soratra mba hampiroboroboana ny literatiora. Anisan'ireny ny fitarihany ny olona hikatsaka zava-baovao. Ny soratra tokoa no mampiseho amin'ny olona ny toe-javatra tsy dia fahita sy manaitra. Hoy mantsy ny lahatsoratra :
"... hoentinao
hitady indray ilay maraina
toy ny efa hadinonao"

Ankoatra izay dia hita fa maneho miharihary ny alahelo amin'ny fiainana ny soratra. Na dia maneho toe-javatra mampahonena aza izy dia tsikaritra fa mampahery ireo kivy. Hoy ny tononkalo maneho izany :
"efa sasatra nitia
Sy diso fanantenana"

Eo anatrehan'izany rehetra izany dia azo ambara fa miambina ny olona tsy hanaonao foana eo amin'ny fiainana ny soratra. Miezaka miaro sy misakana ny olona tsy hivoaka ny sehatry lalam-piaraha-monina ny soratra araka izany. Hamarinin'i Zo-Maminirina izany manao hoe :
"Ny diam-peniko no hiandry
sy hamefy anao tsy hihoatra
ny valan'ny fiainana
raha tany koa ny tany"

Raha fehezina izay rehetra voambara dia tsapa fa manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny literatiora ny soratra. Hita taratra teo ireo famaritana ny soratra izay nentina nanehoana fa fitaovam-piasana izy. Na izany aza anefa dia mbola manana andraikitra ny soratra. Anisan'ireny ny fiambenany ny olona tsy hanaonao foana eo amin'ny fiainana. Raha ny tononkalon'i ZO-MAMINIRINA no asian-teny dia hita tokoa fa kanto noho ny fampiasany tamberinten-teny andohan'andalana : "ny diam-peniko". Mamporisika ny olona indrindra ny mpanoratra mba handray ny penina ka hanoratra hatrany izany.

Mpandalina : Tsikimilamina Rakotomavo
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/07/2019