Sorapiainan'i Bolespara, fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 septambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

sary nindramina Fantaro i

BOLESPARA
na RAFANOHARANA

(1901 - 1981)
Pôeta
Mpanoratra
Mpampianatra
— Fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy —
Ny 29 jolay 1901, tao Alakamisy Ambositra no nahalatsahan'ny tavonin'i Bolespara(1). Ramangarivo avy ao Ambohimasina Betafo no rainy; Rasoamanandafy no reniny. Rasoamiaramanana no anarana nomen'izy ireo azy. Ny RAFANOHARANA indray dia avy amin'ny tapaky ny anaran-draibeny Rainizafifanoharana izay nasalotra azy teo amin'ny faharoa ambin'ny folo taonany. Ny BOLESPARA kosa dia avy amin'ny hoe "paraboles", dikan'ny "fanoharana" amin'ny teny malagasy ary navadika ho "lobus para" ka nahazoana io anarana diam-peniny io.
Nanambady an-dRtoa Razaimanoro Elise izy tamin'ny 1927 ary niteraka 2 lahy sy 3 vavy. Ny 26 febroary 1981 izy no nodimandry ary ao Androndrakely no milevina.

Kamboty fahakely izy satria vao roa taona monja dia efa maty ny reniny. Ny rahavavin-drenibeny avy amin'ny rainy izay mponin'Antananjanaka Antsirabe, no nitaiza azy ary noheveriny mihitsy fa tena reniny. Efa lehibe izy vao nahalala ny marina ary tamin'izany fotoana izany koa no nahafantarany ny tena rainy.
Nanorim-ponenana tany Ambositra ny ray aman-dreniny hatramin'ny nanombohan'ny tolon'ny Menalamba. Anisan'ny Menalamba niaraka tamin-dRainibetsimisaraka mantsy ny rainy.

Zanak'olona manan-talenta izy satria tena mahay mitendry valiha Ramangarivo rainy.


FIANARANA NATAO
Mpianatry ny sekoly protestanta Benjamin Escande tao Ambositra izy nandritra ny valo taona (1910-1918) ary tafara-dalana tamin'i Eliza Freda, andiany faharoa. Tao no nahazoany ny mari-pahaizana CESD. Tsy nahasakana an'io sekoly io hampivelatra ny taranja malagasy ny fampiasana faobe ny teny frantsay tamin'ny Fanjanahantany. Nahatonga ny mpianatra handala ny literatiora malagasy izany araka ny fanazavan'i Robert Martel (2011) ary nisy no lasa mpanoratra taty aoriana. Ankoatra an'i Bolespara sy Eliza Freda dia efa nianatra tao ny mpanoratra S. Bem na Randrianasolo (andiany fahatelo), Randza Zanamihoatra...
Nanohy ny fianarany tao amin'ny sekoly MPF Ambavahadimitafo i Bolespara tamin'ny 1919, nanomanany ny CAE ary tao no nanomboka nifankahazoany tamin'i Jean Narivony.


ASA AMAN-DRAHARAHANY
Niverina tao amin'ny sekoly Benjamin Escande Ambositra izy ny taona 1920 ary nampianatra tao hatramin'ny taona 1925. Filohan'ny maintimolaly tao nandritra ny 22 taona izy noho ny firaiketam-pony tamin'io sekoly io hatramin'ny taona 1981 nahafatesany. Ny taona 1925 izy no niato tamin'ny asa fampianarana noho ny antony ara-pahasalamana.
Io taona io no nanombohany ny asa maha mpitam-bokim-barotra fitotoam-bary :
- 1925-1928 : Ulysse Gross, Antsirabe
- 1928-1933 : Rizerie Pochard Antananarivo
- 1933-1951 : Murat (tohin'ny Rizerie Pochard), Manakambahiny Antsihanaka
- 1951-1973 : Société Rizerie Française, Antananarivo

Efa niaraka niasa tamin'i Jean Narivony tao amin'ny gazety Ny Mpandinika izy ka naha tonian'ny fanoratana azy nandritra ny 3 taona (1930-1933).

FAMPIELEZANA ASA SORATRA
Mpanoratra tena manana ny maha izy azy tokoa i Bolespara hany ka gazety maro no namoaka ny asa sorany : Ny Sakaizan'ny tanora, Ny Lakolosy Volamena, Ny Akon'Iarivo, Ny Fandrosoam-baovao, Ny Kalokalo tatsinanana, Ny Tanamasoandro, Journal Franco-Malgache, Ny Mpandinika, Ny Trompetra Volamena, Teny soa, Merinalavasofina, La Tribune, Sitraka mamy, Midi Madagasikara.

Nahaliana ireo mpanoratra mpanambatra tononkalo anaty boky koa ny asa sorany toy ny hita ao amin'ny :
- Takelaka Notsongaina (Siméon Rajaona),
- Fary Mamy (Rabemolaly Fanomezana sy ny namany)
- Etsy babeko (Régis Rajemisa Raolison)

BOLESPARA ANKEHITRINY
Nikarakara hetsika mitondra ny lohateny hoe "Hahatsiahy azy isika" ny taranak'i Bolespara sy ny Havàtsa-Upem ny 27 aogositra 2019 sady nankalazana ny faha 118 taona nahaterahany. Novelomina an-tsehatra tamin'izany ny tononkalony.

Ny pôeta hono tsy mba maty satria velona ao am-pon'ny tsirairay amin'ny andavanandrony ireo andalan-tononkalony. Ambonin'izay dia manana vato namelan-kafatra i Bolespara ankehitriny. Tsy iza izany fa Rakotozafy Antsa na i Lillac
(2) mpikambana ao amin'ny Havàtsa-Upem. Manoratra izy ary miezaka mamelona ny anaran'ilay loharano nipoirana.

ASA SORATRA
Miangaly karazan'asa soratra maro i Bolespara. Nahavita tantara foronina roa izy : Ilay ony sy Ilay veromanitra. Anisan'ny sombin-tantara nahafantarana azy ny "Ralanto mpanjono" sy "hitady azy isika". Tsy vitsy amin'ireo nandalo sekoly ambaratonga fototra no nahay tsianjery ilay hoe : Mahaiza misaotra (etsy ankavanana).

Nenti-nanabe ny zanaka malagasy rehetra koa ity tsianjery ity, nahaizany ny fahalalam-pomba kely indrindra tokony hananana dia ny fisaorana. Fahombiazana izany satria azo lazaina ho ny Malagasy rehetra no mahay azy, farafahakeliny ilay andininy voalohany, izay manampy amin'ny fitondram-painana.

Manavanana an'i Bolespara koa ny manoratra tononkalo lava, anisan'izany ohatra ity tononkalo misy andininy enina ity.

"Raha misy manome
Zavatra ho anao
Kingà miteny hoe :
Misaotra tompoko ô !

Ny akoho misotro rano
Na be na kely eo
Avia ange tazano
Diniho sy jereo.

Izay azo no andrandraina
Fisaorana no atao
Rankizy mba misaina
Hambaka ve ianao ?"


O ry ala be tapia
Eny atsimotsimo eny
Foko manina ny tia
O ! Henoy fa mba hiteny
Iangavio ry vorondreo
Raha mandalondalo any
Mba hitatitra ny feo
Feon’ny saraka ny akany !

Satrinay anio ihany,
Tsy ho rahampitso akory
‘lay fotoana tena mamy
‘lay mpanala ny mahory,
Dia ‘lay ora izay hodiana
Hiaraha-mikorana ;
Eny, ora mahaliana
‘tony foko tsy tamana !

SATRINAY anio ihany
Ny ho hita vetivety,
Tsy ny gara fivinany,
Tsy mba ivohitra fa Antety
Tsy ny ranovisy ‘ntsony
Na ‘roa rano be mafana
Fa ny eo manolotrony
‘lay fonena-nialana !

SATRINAY anie, zalahy,
Eo ankilan-dray malala
Falifaly ny fanahy
Tafaverina ao am-bala !
SATRINAY ‘reo zandry tiana
Hanoloana maso anay,
Dia mba hisy hitsikiana
Sy hiaraham-paly ahay !

Saingy indrisy “ny mosary
“Maharoaka ny amboadia
“any an’ala“ O ! ry vary
No andaozana olon-tia
NEFA
Any volana, any taona
Zay tokoa no faniriana
'Sika manko ho tafahaona

O ! Maitia, ry fifaliana

BOLESPARA
MITADY NY VERY

sary nindramina


Bolespara miaraka amin'ireo  pôetan'ny fironana "Mitady ny very".
Avy eo ambony miankavanana :

• Bolespara
• Charles Rajoelisolo
• Jean-Joseph Rabearivelo
•Ny Avana Ramanantoanina

TONTOLON'NY SORATRA
Mpinamana tamin-dry J.-J. Rabearivelo, Ny Avana, Jean Narivony izy ary fantatra fa nandray anjara tamin'ny fironana "Mitady ny very". Tamin'ny taona 1931 aza dia nihevitra ny hanangana fikambanana mpanoratra mifanahantsahana amin'ny Akademia Malagasy.

Nahazo ny laharana faharoan'ny loka "Les Belles-lettres" izy ny taona 1933 tamin'ny alalan'ny bokin-tantarany hoe "Ilay veromanitra". I Auguste Rajaonarivelo moa no nahazo ny loka voalohany (Ranaivoson, 2004)

LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA
- RAJEMISA RAOLISON, R. (1976). Etsy babeko Dingana 1 : taona faharoa. Fianarantsoa : Ambozontany
- RASOARIMALALA F. (2015). Bina nosoratan'i Auguste Rajon, sy ilay Veromanitra asa soratry Rafanoharana, tantara foronina maneho ny vanim-potoana mitady ny very. Mémoire de CAPEN, ENS Antananarivo.
- ANDRIAMAMONJY, H. (2018). Fantaro i Eliza Freda. Tsikaritra ao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-42.html
- RANAIVOSON, D. (2004). Rafanoharana. Tsikaritra ao amin'ny :
http://malagasyword.org/bins/teny2/rafanoharana
- RAKOTOARISOA, F. (2019). "Fanomezan-kasina mpanoratra. Hanaovana hetsika fahatsiarovana Rafanoharana sy ny diam-peniny". Tsikaritra ao amin'ny :
https://aoraha.mg/…/fanomezan-kasina-mpanoratra-hanaovana-h…

_______________________
(1) Na dia 1900 aza no taona nahaterahany misoratra ao amin'ny karapanondrom-pireneny dia ny 1901 no voalazan'ny voka-pikarohana taty aoriana.
(2) Isaorana Rakotozafy Antsa na i Lillac mpanoratra nanampy ny torohay momba an'i Bolespara.
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 14/09/2019

×