Créer un site internet
Dia hanoratra aho, tononkalon'i Dodwi Rajaofetra, nohadihadian'i Tsikimilamina Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 nôvambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
sary nindramina Dia hanoratra aho
Mpanoratra : Dodwi Rajaofetra
Loharano : Sandratr'antsa, tak 88
Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo

Dodwi Rajaofetra
Tsikimilamina Rakotomavo

Azo antoka fa mandrafitra voalohany ny tontolon'ny literatiora ny mpanoratra. Izany indrindra no ambaran'i Dodwi Rajaofetra ao amin'ny tononkalony izay nampitondrainy ny lohateny hoe : "Dia hanoratra aho" ary notsoahina tao amin'ny boky Sandratr'antsa tak 88. Nisongadina tamin'izany fa manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny literatiora ny mpanoratra. Hamahavahana izany akaiky dia hojerena mialoha ny andraikitry ny mpanoratra. Hodinihina manaraka izany ny zava-kendreny. Ezahina hohadihadiana etsy ambany ireo fizarana roa ireo.

Eto am-panombohana ny famelabelarana àry dia andeha havoitra ny andraikitry ny mpanoratra. Ny fanehoany ny zava-nitranga marina no tena mampiavaka azy. Tsy hainy mihitsy ny manafina na mamono ireny toe-java-misy ireny fa ny manambara izany hatrany no mahadiavolana ny sainy. Hoy ny andalana 1, 2, 3 :
 
"Hanoratra aho sakaiza
hanoratra ny misy
ny tsapa sy ny re"

Ankoatra izany dia maneho ny asa soratra izay milaza toe-javatra mampatahotra ny mpanoratra. Izany moa dia ahatarafana fa misy endri-piainana izay mandiso fanantenana, ambaran'ny mpanoratra. Hoy indrindra i Dodwi Rajaofetra :
 
"Handrindra tononkalon'
ity fiainana mpamitaka"

Dia hanoratra aho

Hanoratra aho sakaiza
Hanoratra ny misy
Ny tsapa sy ny re
Hampisy koa ny tsisy
Mba ho vakian'ise
 
Hanoratra aho sakaiza
Hanoratra tantara
Mampangitakitaka
Handrindra tononkalon'
Ity fiainana mpamitaka

Hanoratra aho sakaiza
Tsy hitsahatra ny hitrandraka
Kanto vaovao
Amin'ny androko rehetra
Ireny no hasandratra
Arindra mba ho soratra
Fa ny soratra mitoetra
Dia hanoratra aho
Tsy hitsahatra ny hanoratra

Dodwi Rajaofetra
In Sandran'antsa tak 88


Tahaka ny fiainan'ny olona rehetra izay misy fiovana sy fivoarana hatrany dia hita fa misy fitohizany hatrany ny ezaky ny mpanoratra. Ny fisondrotana hatrany eo amin'ny tontolo iainana sy ivelomana no zava-dehibe amin'izany. Manamafy izay ny lahatsoratra hoe :
 
 "Dia hanoratra aho
 tsy hitsahatra ny hanoratra"

Raha nodinihina teo ny andraikitry ny mpanoratra, hobanjinina manaraka kosa ny zava-kendrena.
 
Ny olo-miaina rehetra dia manana tanjona tiany hotratrarina eo amin'ny fiainana. Toy izany koa ny mpanoratra izay manan-java-kendrena. Voalohany amin'izany ny endri-panovana asehony amin'ny mpamaky. Izany no natao dia ny mba hikatsahana zava-baovao hatrany hahaliana ny mpamaky. Manamarina izany ny lahatsoratra hoe :
 
"Tsy hitsahatra ny hitrandraka
kanto vaovao
amin'ny androko rehetra"
 
Manaraka izany dia tsapa fa ny fandrafetana ny zavatra heverina fa mahaliana no tena kendrena. Natao izany mba hampateza sy hahaela velona ny soratra izay foroniny. Hamafisin'ny tononkalo izany manao hoe :
 
"Ireny no hasandratra
arindra mba ho soratra"

Ankoatra izany dia tsikaritra fa tanjona lehibe ny fananan'ny soratra faharetana. Ireny no ambara fa mitety vanim-potoana ny soratra sy ny mpanoratra azy. Rehefa eo am-bavan'ny olona sy tsaroan'ny olona mandrakariva ilay asa soratry ny mpanoratra dia midika izay fa maharitra ilay kantony. Hoy ny lahatsoratra :

"fa ny soratra mitoetra"
 
Ireo rehetra voalaza teo ireo no entina hanehoana fa tena zava-dehibe ny fisian'ny mpanoratra eo amin'ny tonolon'ny literatiora.
 
Raha bangoina izay rehetra voambara teo dia tsapa fa manana ny anjara toerany eo anivon'ny haisoratra malagasy ny mpanoratra. Nisongadina teo fa manana andraikitra goavana ny mpanoratra dia ny fanehoana ny tena zava-nitranga marina. Eo anatrehan'izay dia maro ireo zava-kendreny. Anisan'ireny ny faharetan'ny sorany. Raha ny tononkalon'i Dodwi Rajaofetra no asian-teny dia hita fa kanto noho ny fampiasany tamberinteny andohan'andalana : "Hanoratra aho sakaiza". Mampirisika ny mpanoratra haneho hatrany ny asa soratra izany.

Mpandalina : Tsikimilamina Rakotomavo
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 27/11/2019