Créer un site internet

Abel Andriarimalala. Nikimpy ilay mpandrotsirotsy

Lahatsoratra 14/12/2022

ABEL ANRIARIMALALA, NIKIMPY ILAY MPANDROTSIROTSY
Toetra Ràja - 14/12/2022

ABEL ANRIARIMALALA, NIKIMPY ILAY MPANDROTSIROTSY

Nikimpy ilay mpandrotsirotsy saingy hitoetra hatrany kosa ireo kalokalony tavela, tsy ho afaka am-bavan'ny maro, holovain'ny taranaka ho avy. Abel Andriarimalala no anarana ahafantarana azy eo amin'ny kanto. Abel Andriarimalala Arimanana kosa no tena anarany feno izay mety ho takona ao ambadiky ny lazan'ireo hira noforoniny maro (tonony sy feony) voarakitra an-kapila 45T hatrin'ny taompolo 70, toy ny Mpantsaka rano, diso raiki-tadidy noho ny hakanton'ny fiverenany manao hoe "Avy taiza ianareo ry zavavy". Hira madinika maro vokatry ny fo malagasy mitepo no famorony ka ao anatiny koa ny Fitia tsiambaratelo, Mahita kilazalaza.

Anisan'ireo Malagasy efa namiratra teto Madagasikara talohan'ny nilana ravinahitra tany Frantsa izy, toa an-dry Rasoabakobako, F.-X. Mahah, Pr Narivelo Rajaonarimanana, ka nivoizany ny maha Malagasy azy hatramin'ny fara fofonainy ary nanandratany ny kolontsaina malagasy tao amin'io firenena io.

Tao aorian'ny fianarana norantoviny teny Ankatso mantsy ka nahazoany ny mari-pahaizana "licence" tamin'ny 1964 dia nampianatra teny malagasy sy teny frantsay tamin'ny lisea sy sekoly tsy miankina ary sekoly ambaratonga ambony izy. Efa talen'ny Departemantan'ny Fanolokoloana ara-tsaina tao amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena izy tamin'ny 1972-1974. Kihon-dalana lehibe ho azy sy ny fianakaviany ny taona 1979 satria voaray hiandraikitra ny takelaky ny kolontsaina tao amin'ny gazety Afrique Asie izy ka niorim-ponenana tany Parisy. 8 volana monja anefa no naharetan'izany. Hafa mihitsy mantsy ny fizotran'ny lalam-piainany ka nahazoany asa fivelomana hafa nahafahany nirona bebe kokoa tamin'ny fanandratana ny kolontsaina malagasy any ivelan'ny riaka. Ankoatra ny maha mpamoron-kira sy mpampianatra azy dia pôeta izy, mpikabary, mpanao velakevitra... ary mialoha izany rehetra izany ny maha loholona azy. Hita vatana hatrany amin'ny hetsika ara-kolontsaina any Frantsa izy toy ny fifaninanana soratononina, ny RNS sns.

Misy fanazavana ny anton'izany fahombiazany izany. Miavaka mantsy ny loharano nipoirany. Mpanoratra fanta-daza ny rainy antsoina hoe René Randriamalala na Ener Lalandy. Fantatry ny maro koa i Félicie Ramavonirina reniny antsoina hoe Mavo izay mpiteny sy mpanentana tao amin'ny Radio Madagasikara. Izy ireo no nahazoan'ny Malagasy an'i Abel Andriarimalala tamin'ny 5 Jolay 1939 tany Mahajanga izay nikimpy tamin'ny 12 Desambra 2022. Namela mamy tamin'ny fiarahamonina izy ary tena fantatr'olona tokoa ka eto am-pamaranana àry dia indreto misy fanehoam-pahatsiarovana avy tamin'ny pôeta roa nifanerasera taminy.

"Abel dia olona tsotra, tsy be teny fa feno fahaizana amam-pahalalana rehefa anontaniana na resahina. Ankoatra izany dia manan-talenta amin'ny famoronan-kira izy. Tiako ny hirany hoe "Fitia tsiambaratelo".
Fredy Jaofera

"Raiamandreny nanamarika ahy tamin'ny tantaran'ny haisoratra malagasy i Abel Andriarimalala taty am-pitandranomasina, niaraka tamin'i F.-X. Mahah. Nanampy ahy, nampianatra ahy, nanitsy ahy. Mankasitraka azy aho nisy teo amin'ny fiainako ary miombona alahelo amin'ny fianakaviana rehetra".
Andamioly

Ny hetsika fanaovam-beloma an'i Abel Andriarimalala dia hatao any amin'ny Departemanta 91 any Frantsa ny alakamisy 15 Desambra 2022.


Rohy ahitana sary misimisy kokoa

Date de dernière mise à jour : 02/12/2023