Créer un site internet

Angalikanto

Lahatsoratra - 21/12/2022

Angalikanto
Heriarilala Andriamamonjy 21/12/2022

ANGALIKANTO

Niampy iray indray ny voninkanto eo an-jaridainan’ny tononkalo malagasy. Niangaly tononkalo 69 tamin’ny takila 97 i Fanja Razah. ka nosalorany ny anarana hoe "angalikanto" nony teraka soa aman-tsara, sorakanto nokalina teo anelanelan’ny taona 1987 ka hatramin’ny 2022. Nialohavan’ny asa vadi-bokin’ny Pôeta Andrianasolo Hajaina, Filohan’ny HAVATSA-UPEM izany amboara izany. Manana anjara “rango-pohy” ao amin’ity boky ity koa i Dr Rabenalisoa Ravalitera, Filohan’ny Sokajy Haikanto sy Hailaza ao amin’ny Akademia Malagasy. Toko dimy no mandrafitra ny boky. Voalohany amin’izany ny “Izaho sy ny Teny” izay isongadinan’ny mpanoratra sy ny teny ary ny pôezia. Faharoa ny "Izao sy izaon’ny eto” izay miompana amin’ny rindra aman-korontana ao anatin’ny andavanandrom-piainana.

Fahatelo ny “Volana o ! Mifaninona isika ?” izay amoasany ao ny hetsi-po amam-panahy ateraky ny fifandraisany amin’io volana io. Ao amin’ny toko fahefatra kosa no amborahany fa “mamy mihoatra ny tiavina ny fo mitia”. “Misy tsiahy” no toko farany mirakitra ireo tononkalo fahatsiarovana ireo ray aman-dreny sy sakaiza efa nandao izao fiainana izao. Afaka manoratra hafatra miafina aminy ao amin’ny kaonty Facebook Fanja Razafimamonjy izay maniry hanana ity amboaran-tononkalo ity.

Fa iza moa i Fanja Razah. ?

Mpanoratra efa tsy zovina amin’ny mpankafy literatiora malagasy intsony izy. Ny tantara foronina “Rano sinara-nosy” tamin’ny taona 2021 sy ny amboaran-tsombintantara “Tsoakahitra” tamin’ny taona 2019 no bokiny efa eny am-pelatanan’ny mpankafy haisoratra. Razafimamonjy Georges Eugène Fanja no tena anarany, anisan’ny nanorina ny MPiangaly ZavaKanto/Sampana TEny sy Lahabolana ary Riba Malagasy tamin’ny taona 1991. Mpikaroka ao amin’ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy izy ankehitriny. Azo sainina fa io asa aman-draharahany io no nanefy azy ho matihanina amin’ny fanoratana ka antony nahazoany ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tantara foronina “Loka Nirhy-Lanto, Rindrambolana sy Koloteny - andiany fahefatra tamin’ny taona 2019, loka voalohany tamin’ny fifaninanana sombintantara, “Loka Nirhy-Lanto, Rindrambolana sy Koloteny - andiany fahatelo ny taona 2016.

Mbola manohy ny fiangaliana ny sorakanto hatrany i Fanja Razah. koa antenaina angamba fa mbola hisy vokatra hafa aorian'ity amboaran-tononkalo ity.

Date de dernière mise à jour : 02/12/2023