Créer un site internet

Halo Project - Nirihaja

© Toetra Ràja - 24/10/2023

 

HALO PROJECT - NIRIHAJA

Efa ela no nahafantarana an'i Nirihaja teo amin'ny tontolon'ny poezia. Poeta sady mpiantsehatra izy. Raha ny marimarina kokoa dia anisan'ireo mpiraifaribolan'ny Sandratra nisantatra ny  antsan-tononkalo "Saramba mikalo" izy tamin'ny 1994.

 

Nanao tohivakana

 


Nanao tohivakana nanomboka teo izany fiantseharana mampiavaka azy izany ka anisany ny Kirimba (2002), Sandratrantsa (2006), Antsa tamberina I-II-III (2007) sy ny maro hafa. Vao tsy ela akory no nampihetsi-po ny maro ny Voninkalo (2021), Rohin-kalo (2022). Ankehitriny, miandry ny higadonan'ny "Hasambarana iray felatanana" ireo mpianoka poeizia amin'ny alalan'ny "HALO PROJECT".

 

 

Hetsika ara-kolontsaina

 


Hetsika ara-kolontsaina lehibe andehanany irery ny "HALO PROJECT", hanolorany raki-peo sy amboaran-tononkalo vaovao izay hohamasinina ao anatin'ny tsangan-tononkalo amin'ny 18 Oktobra 2023 izao. Eny, hikopaka elatra irery izy, saingy ho maro mpanohana, indrindra fa ry Volivolana, tarika mpanoratra sady mpisehatra.

Hatreo aloha no azon'ny Poetawebs ambara anio fa ampiomanana sahady isika fa hiaina hetsika miavaka afaka 4 herinandro eo ho eo.

 

 

Date de dernière mise à jour : 26/10/2023