Halo project, vonona i Nirihaja

Halo project, vonona i Nirihaja

Lahatsoratr'i Toetra Ràja

HALO PROJECT : VONONA I NIRIHAJA

    Andro lehibe manan-tantara eto amin'ny firenena ny datin'ny 18 Novambra ho avy izao, andro hametrahan'ny poeta Nirihaja amin'ny lenta tokony hisy azy ny literatiora malagasy. Fanamby noketriketrehiny nandritra ny enim-bolana ity hetsika goavana ity ary niarahany miasa tamin'ny olona sy mpanakanto maro.

Amboara


    Raha fintinina dia hamoaka amboara sy rakipeon-tononkalo i Nirihaja ka amin'io sabotsy io no hankalazana izany amin'ny alalan'ny seho teatraly iarahany amin-dry Volivolana izay tsy iza fa tropin'andriambavilanitra 5. I Nirihaja rahateo no reny mpiahy ity tropy ity ary ametrahany fahatokisana tanteraka ho an'ny fahombiazan'ny "Hasambarana iray felatanana".

Vonona

Vonona ny nahandro, antenaina fa vonona koa ireo mpianoka poezia izay heverina ho efa tsindrin-daona manisa ora. Hahafantatra marina ny lentan'izany renim-pianakaviana izany izy ireo amin'ny kalitaon'ny kantony feno fahamatorana. Mirary fahombiazana feno ho an'i Nirihaja manokana ny Poetawebs izay manaraka akaiky ity hetsika ity ary manantena hifanatri-tava amintsika.

Date de dernière mise à jour : 16/11/2023

×