poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

 

NY HAVÀTSA UPEM TANY AM-PITANDRANOMASINA

HAVÀTSA UPEM SAMPANA FRANTSA

Ny sabotsy 03 may 2014 no nanaovana fifidianana filoha sy birao hitantana ny HAVÀTSA UPEM Sampana Frantsa. Nitarika ny fivoriana ny Filoha RAZAFIMAHATRATRA François Xavier (FX-MAHAH). 22 no isan’ny mpandrotsa-bato. Telo mianadahy ny isan’ireo Mpirotsaka hofidina ho filoha ka lany tamin’ny isam-bato ambony :
Filoha : Hanitr'Ony (SALOMON Andriamasinony Josiane)
Filoha Lefitra : Lalah (RAZANAMANDIMBY Lalaina Raymonde)
Tonia na Sekretera Jeneraly : Andrymann (ANDRIAMIARINA Manantsoa)


HAVÀTSA UPEM SAMPANA SOISY

Feno herintaona ny HAVÀTSA UPEM Sampana Soisy taorian’ny nankatoavan’ny foibe ny fijoroany. Izany moa no tanteraka dia noho ny fandalovan’ny Sekretera Jeneralin’ny HAVÀTSA UPEM ANDRIANASOLO Hajaina tany Soisy, ka nanairany ireo mpanoratra tany an-toerana mba hamondrona ny hery ho ao anatina fikambanana noho ny fitiavana ny haisoratra malagasy.

Havatsa 32 soisy 140504 2 50

Nanao hetsika ara-kolontsaina voalohany ho fanehoam-pisiana ity Sampana ity ka tao Annemasse (Fiangonana Advantista) no nanatanterahana izany ny Alahady 04 may 2014 nanomboka tamin’ny 6 ora tolakandro. Marobe ireo olona tonga nanotrona, anisan’izany ny tao amin’ny Ambasadin’i Madagasikara tao Genève sy ry HANITR’ONY izay vao voafidy ho filohan’ny HAVÀTSA Frantsa ny omalin’io, niaraka tamin’ny tarika SORAJAVONA izay nanafana ny fotoana rahateo.

Havatsa 32 soisy 140504 2 50

Fotoana tsy manam-paharoa satria nametrahana SALOTRASINA ho an’ireo Mpanorina dia Jean ANDRIAMANANAIVO (Filoha), RAMAHEFANTOANINA Joelson, RAKOTOARISOA Lanto. Ny Sekretera Jeneraly izay nisolotena ny Foibe HAVÀTSA no nametraka izany teo an-tsorok’izy ireo havia.

Teo am-panombohana ny fotoana dia nanararaotra nandray tanana ireo Andia ROFIA, nahavita fiofanana mikabary avy amin’ny amin’ny FI.MPI.MA. Sampana Soisy sy ny manodidina ihany koa ny Masoivoho Malagasy tao Soisy.

ANTSA TONONKALO miavaka nampitondraina ny lohahevitra TENY, TANY, TANTARA, nifanjohian’ireo Mpanoratra zokiny mpialoha lalana sy ireo mpikambana HAVÀTSA ankehitriny.
Maro ireo tononkalo fantatry ny maro kanefa dia mahafinaritra hatrany ny nihaino ireny. Anisan’ny nantsaina tanatin’io fotoan-dehibe io ny tononkalon-dry Ny Avana RAMANANTOANINA, Jean Joseph RABEARIVELO, DOX, Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA, Jean NARIVONY, RANDJA ZANAMIHOATRA, Samuel RANDRIA.

Ary nantsaina toy izany koa ny tononkalon’ireo Mpanoratra mpikambana HAVÀTSA ankehitriny dia Jean ANDRIAMANANAIVO, VICTOR (Rocco), AERA, HAJAINA, HANTANORO, MAHEFA JOE, LANTO, HANITR’ONY, SUZANNE.

Tononkalo manodidina ny 30 no nantsaina ka nelanelanin’ny ny hiran’i Mario, ny hiran’i VICTOR (Rocco),  ny hiran’i Anna, Hantanoro, Nivo ary ny  hiran’ny tarika SORAJAVONA nahitana an’i Dede Sorajavona, Raivo, Hugues, Andry Salomon.

Nanampy tamin’ny fiantsana ireo sakaizan’ny HAVÀTSA sy ireo namana sasantsasany Mpikabary, nahitana an’i Nicole, Ninie, Anna, Nivo, Marius, Josuy, Rainibemirindra. 


ATRIKASA LITERERA TAO « CACHAN »

Ny AIFM izay fikambanam-behivavy Iraisampirenena tarihin-dRamatoa RANAIVO Francine dia mikarakara hetsika manokana momba ny kolontsaina malagasy isaky ny fandalovan’ny solontena AIFM avy aty Madagasikara tonga any. Tamin’ity indray mitoraka ity àry dia ANDRIANASOLO Hajaina sy R’ABEL Hantanoro izay samy Mpikambana AIFM Madagasikara sady Mpikambana HAVÀTSA UPEM no nanatanteraka ATRIKASA LITERERA.

Havatsa 32 soisy 140504 2 50

Nosafidina manokana ho ATRIKASA LITERERA niompana tamin’ny TANTARA FISEHATRA no natao ny 12 mai ka hatramin’ny 18 mai 2014 isaky ny hariva amin’ny 7 ka hatramin’ny 9. Kely ny fotoana ka saika nafantoka tamin’ny fahalalana ankapobeny. Somary teritery ihany koa ny toerana ka dia noferana ho 15 farafahabetsany ny isan’ny mpandray anjara tamin’ity andiany ity. Maro araka izany ireo olon-tsotra tsy mbola mpanoratra na mpisehatra kanefa liana ary nanatrika. Tonga maro koa ireo Mpikambana HAVÀTSA UPEM Frantsa.

Nasongadina nandritra io atrikasa notontosaina tao amin’ny 97, av Aristide Briand, 94230 Cachan io ny famaritana ankapobeny momba ny teatra, ny tantara an-dampihazo sy ny tantara an’onjampeo, ny fomba fanoratra sy famoronana ireo. Saika nampitoviana tamin’ny atrikasa literera tanterahin’ny HAVÀTSA aty Madagasikara amin’izao vanim-potoana izao ; fa ny nampiavaka ity natao tao Frantsa ity dia ny fisian’ny fampiharana fiseharana. Nalaina ohatra teo amin’ny famakiana teatra radiôfônika ny boky « Tantaratantara » nosoratan’i Hajaina. Nisy ihany koa ny fitadiavana lohahevitra vitsivitsy ka nanaovana fampiharana tantara an-dampy avy hatrany.

Havatsa 32 soisy 140504 2 50

Ny tanjona moa dia ny hanairana ny mpanoratra mba hanoratra teatra. Ary indrindra, efa maro ireo onjampeo mandeha amin’ny tambatsera manerantany, irin’ny olona fatratra ny mba hihaino tantara malagasy, koa nataonay ho tanjona ihany koa ny hamolavola olona afaka hisehatra anatin’ireny. Fohy ny fotoana saingy nahafa-po ny mpandray anjara ary natao hitarika azy ireo hikaroka sy hanohy.
Ny fanazavana momba izany dia azontsika jerena ao amin’ny youtube 

https://www.youtube.com/watch?v=Ykz40enq-HY

 

ONJAMPEO MANERAN-TANY

RADIO BITSIKA : ny zoma 17 mai no nivahiny tao ny solontenan’ny Havàtsa : Hanitr’Ony, Hajaina, Hantanoro. Niresaka momba ny Havàtsa foibe sy ny Sampana Frantsa ary ny haisoratra

RADIO TOKOTELO : naka sary sy nandray feo nandritra ny RNS (Rencontre Nationale Sportive, Poitiers 19-21 avril) – Naka sary sy feo ny atrikasa literera tao Cachan ny 12-18 mai
Nanao ny tatitra :

 

ANDRIANASOLO Hajaina
Sekretera Jeneralin’ny HAVÀTSA UPEM

Date de dernière mise à jour : 05/05/2016