sehatra

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

 

ZARAFANAHY Jolay 2014

Tontosa ny alarobia 23 jolay lasa teo tao tamin'ny 3 ora tolakandro tao amin'ny CGM Analakely ny Antsantononkalo "ZARAFANAHY", izay nanasan'ny Faribolana Sandratra ireo poetan'ny ankehitriny :

  • AnnaTsoa Haingo Lalampifaliana
  • Raf Hon
  • Nirivelo Nirinaela Raz
  • Serge Rodin
  • Na Hassi
  • Aina Miolampandry

Ireto kosa ny anaran'ireo poeta mpiray faribolan'ny SANDRATRA nanampy azy ireo teny an-tsehatra :

  • Semanjaka (Tsiroanomandidy)
  • Mihoadia (Tsiroanomandidy)
  • Tsitohery Raolona (Antananarivo)

Na dia andro andavanandro aza no nanaovana ny hetsika dia hita feno hipoka ny trano. Nalalaka ny lohahevitra nantsaina tamin'izany, tao ny niventy ny fitiavana, ny nofinofy, ny fitiavan-tanindrazana, ny hafalina, ny fiainana andavanandro sy ny sisa.

Nalalaka ihany koa ny fihetsika sy ny fomba nentina nanehoana ny antsa ka nisy ny nipetraka, nisy ny nitorevaka ary tao ny nitsangana.

Ny AF JAZZ no nanelanelana ny antsa. Samy manana ny hanitra ho azy ireo manantalenta. Hiala sasatra mandritra ny roa volana ny fihaonana amin'ireo mpankafy ataon'ny fikambanana ka manome fotoana ho amin'ny volana oktobra indray izy ireo.

Soratra : Ikaloyna
Sary : Faribolana Sandratra

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×