Maroandavaka, hiseho masoandro

Lahatsoratrra - 10/12/2022

Hiseho masoandro ny Maroandavaka
Faniry Ezeckiel 10/12/2022

HISEHO MASOANDRO NY MAROANDAVAKA

Mampitombo haranitan-tsaina ho an'ny mpankafy azy ny vaky boky. Taratry ny fahaveloman'ny literatiora ny sorakanto ao anatiny. Pôeta sivy mianadahy avy amin'ny Faribolana Sandratra Betafo no nanambatra ny aingam-panahiny ao anaty boky MAROANDAVAKA: Lamz, Tsiky Sesehena, Aloka Miserana, Ny Avo Elabakaka, Faniry Ezeckiel, Ni-Avatsa, Riana, Aingan'ny Ala ary Patrick Teddy.

Haisoratra misy tononkalo sy riankalo voarakitra anaty boky 90 pejy ity natontan'ny Fontsy Edition ity ary i Solomon Rakotonirina no nanolotra ny boky. Ilazana fiombonana sy fiaraha-mientana ary fahaizana mifampiaro ny lohateny hoe MAROANDAVAKA. Toetra ananan'ity bibilava tsy hita raha tsy eto Madagasikara ity tokoa manko izany. Ankoatra izay, ampitana hafatra amin'ny fomba ankolaka fa afa-mitsabo ny pôezia. Voasoratra anaty baiboly kristianina koa mantsy ilay bibilava nanasitrana ny vahoaka tany an'efitra.

Miresaka fiarahamonina sy fitiavana ary tanindrazana amin'ny ankapobeny ireo asasoratra anaty boky. Marihina fa havoaka ny sabotsy 17 Desambra 2022 ho avy izao ny MAROANDAVAKA ary hasinina amin'ny vidiny 15 000 ar. Ao amin'ny Espace Kolo Kanto Parc de l'Est Antsirabe no toerana hanatanterahina izany ka hanomboka amin'ny sivy ora maraina. Holokoina antsa tononkalo sy hira malagasy ary seho kanto maro io fotoana io. Ny hariva aorian'io lanonam-pamoaham-boky io no hirosoana amin'ny AFONANGATRA, fiarahana miala hetaheta eo am-pamindroana ravahin'ny antsa tononkalo ataon'ireo mpanoratra, ary haharitra mandra-maraina. Hitohy ny sabotsy 24 Desambra 2022 ao amin'ny Dobo Art Antsirabe ny fampirantiana ity boky vaovao ity izay horavahana antsa tononkalo sy seho maroloko hatrany.

Tsiahivina fa boky faharoa novokarin'ny Faribolana Sandratra sampana Betafo taorian'ny EMBOK'AMBONDROMBE ity MAROANDAVAKA ity ka antenaina ny hahamaro ireo hianoka azy.



Date de dernière mise à jour : 02/12/2023

×