Créer un site internet
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
29/08/2021

 

IVOKOLO : SEHATRA ISONGADINAN'NY KANTO

Toerana miavaka,  nohavaozina no iseharan'ireo mpikanto  manomboka izao. Fotodrafitrasa vaovao IVOKOLO iantsorohan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK) mantsy no notokanana  tetsy Analakely ny zoma 27 Aogositra 2021. Toerana fampirantiana,  fiseharana, ary toeram-panoroana ireo fivarotam-boky  tokony hanjifana izany no hita ao amin'ny IVOKOLO.

Hahazo  tombon-dahiny avokoa ireo liana hanatanteraka hetsika  ara-kolontsaina indrindra ny tontolon'ny zavakanto vita amin'ny teny toy ny antsa tononkalo, teatra, slam, sns. Ankoatra ny olom-panjakana dia maro ireo fikambanana literatiora  nanotrona ity fotoana ity. Tsy diso anjara ny pôeta izay niantsa tononkalo tao anatin'ny seho kanto an-tsehatra.

Antenaina ny fanajan'ny rehetra izany sehatra izany mba hisongadinan'ny zavakanto.

 
Toetra Ràja

 

Pôetawebs
Ny pôeta Tsiky Rakotomavo, Tonian-danonana eo anivon'ny MSK
 
Pôetawebs
Santionana pôeta nanatrika ny fitokanana
© Pôetawebs

Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

 

 

 

Date de dernière mise à jour : 29/08/2021