Créer un site internet
Fitokanana ny Ivokolo Analakely
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
29/10/2021

Ny Malodohasaha, mpikambana mahefa ao amin'ny Akademia

PôetawebsNasondro-daharana ho Mpikambana Mahefa eo anivon'ny Akademiam- pirenena Malagasy ny pôeta Ny Malodohasaha (Narivelo Rajaonarimanana) izay mpikambana mavitrika ao amin'ny Pôetawebs. Mpamokatra sorapiainana sy mpanolotsaina ary anisan'ireo mpitantana izy ao amin'ity fikambanana Pôetawebs ity.

Toy izao no azo amintinana ny momba azy.

Pôeta nanomboka namoaka asasoratra tao amin'ny gazety Hehy Ny Malodohasaha tany amin'ny taompolo 70 tany. Namorona ny tranonkala haisoratra.org izy, azo lazaina ho loharanon'ny tranonkalan'ny literatiora malagasy.

Mpampianatra ao amin'ny oniversite Parisy (INALCO) ity Profesora elanihetezana ity ary mpikaroka ao koa, ka ireto no tena angadiny: lexicographie, histoire lexicale des langues austronésiennes; langues et identités, manuscrits arabico-malgaches.

Ankoatra ireo vokatry ny asa sy ireo boky fianarana fitsipi-pitenenana maro navoakany dia mpamokatra diksionera sy rakibolana izy, ka andeha hotsongaina ireto santionany ireto: Dictionnaire  français-malgache (1993), Dictionnaire du malgache contemporain (1995), Dictionnaire malgache dialectal-français (1996), Rakibolana ho an’ny ankizy (2012), Rakibolan’ny mpianatra (2019)...

Marihina fa ity fanondrotan-daharana ity dia notontosaina teny amin'ny Akademiam-pirenena Tsimbazaza ny 28 Ôktôbra 2021, fotoana nanatanterahana ny fifamindram-pahefana teo amin'ny filohany teo aloha, Raymond Ranjeva, sy ny filohany vaovao, François Rajaoson.

Mirary ny hitohizan'ny fahombiazany eo amin'ny sehatry ny teny sy ny literatiora ny mpiara-miasa rehetra ato amin'ny Pôetawebs.

Toetra Ràja sy Tsikimilamina Rakotomavo
© Pôetawebs
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 29/10/2021