Kamboty ny tontolon'ny teny sy haisoratra malagasy
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
30 Desambra 2021
Lahatsoratra : Heriarilala Andriamamonjy
Kamboty ny tontolon'ny teny sy haisoratra malagasy
30 Desambra 2021 : nangasihasy ireo mpitia ny teny sy literatiora malagasy. Nametraka ny peniny mantsy i Lala Rakotoson Raolisoa Agnès, antsoina hoe OLY, rehefa niriaria 78 taona tety an-tany. Pôetan’ny Fikambanan’ny Pôety sy ny Mpanoratra Malagasy Havatsa-UPEM sady mpampianatra teny malagasy. Nanabe ireo mpiray tanindrazana an-tapitrisany tamin’ny alalan’ny boky LOVAKO T1 hatramin’ny T5 sy T10 hatramin’ny T12 izy.

Nizara fahalalana tao amin’ny gazety Valiha (gazetin’ny Havatsa-UPEM, mpiseho isam-bolana) ity pôeta ity ka anisan’izany ny “Diso tsy ambina” izay anitsiany ireo teny maro mpandiso eny amin’ny andavanandrom-piainana, ny “voambolana” izay ampahafantarany ny teny tsy mahazatra. Boky navoakany farany ny “Fitsipi-panoratana ny teny malagasy”.

Ny 8 Mey 2019 no fotoana nanandratan’ny Havatsa-UPEM azy tao amin’ny Akademia Malagasy ka nisy ny fampirantiana ireo boky nosoratany sy ny fiantsana tononkalo.

Hatramin’ny nivoahan’ny Pôetawebs ivelan’ny tranonkala dia efa nanaraka ny asan’ny Pôetawebs izy. Ny 27 Desambra 2019 mantsy dia nanatrika ny famoahana ôfisialy ny boky Sorapiainana voalohany tao amin’ny IVOKOLO CEMDLAC Analakely izy. Mbola tazana teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy koa izy ny 15 Desambra 2021 teo, nanotrona ny Pôetawebs tamin’ny famoahana ôfisialy ny boky Sorapiainana faharoa sy fahatelo. Marihina fa ny boky Sorapianana-3 no ahitana ny rainy. An-kafaliana no nihaonany tamin’ny tranonkala Poetawebs tapa-bolana lasa izay, naneho fisaorana sy fankasitrahana izy ary nampirisika hatrany.

Izahay eto amin’ny tranonkala Pôetawebs dia miombona alahelo amin’ny fianakaviana amin’izao vaninandro maloka izao ary mirary fiononana feno.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja
 

Date de dernière mise à jour : 31/12/2021