Créer un site internet
Iray volan'ny pôezia - Boeny
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
01 Marsa 2022
Lahatsoratra : Heriarilala Andriamamonjy
IRAY VOLAN’NY POEZIA ANY MAHAJANGA
— Hiaka-tsehatra i RNT MPIKALO —

Manolotra ho an'ny mponin'i Mahajanga "Ny pôety sy ny alahelony" ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, miaraka amin'ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara ny 2 Marsa amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Tranombokin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina “Akôry Haly” Mahajanga. Tafiditra ao anatin'ny Iray Volan’ny Pôezia ity hetsika ity ka ahitana velakevitra sy fiantsana tononkalo ary fifanakalozan-kevitra. Vahiny nasaina manokana amin’izany i Rnt Mpikalo izay pôeta sady mpanoratra. Anisan’ny hiantsa tononkalo sy hanao slam koa ry Ombre de la plume, Setroka, Rianarivelo, Safidy Mihaja ary i Kanto Mikalo.

Mitohy hatrany ny fanandratana ny teny sy haisoratra malagasy ho an’ireto tanoran’i Mahajanga ireto ka manantena ny fanotronan’ny mpankafy rehetra izy ireo. Tsy misy ny vidim-pidirana.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 01/03/2022