Pôetawebs

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

18 janoary 2015
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".

 FANAKALAZANA NY FAHA-100 TAONA DOX TAO VAKINANKARATRA - 17 Janoary 2015

Tao anatin'ny oram-be nikija, rivo-doza nifofofofo ary fitaintainana nateraky ny andro ratsy no nikarakarana ny hetsika fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan'i Dox. Na izany aza anefa dia tontosa antsakany sy andavany tena tsy nisy tomika izany ny asabotsy 17 janoary lasa teo taty Vakinankaratra.

Tsangambato Dox
Ny maraina dia nisy ny fitokanana ny tsangambato Dox, navaozina, manoloana ny tranom-pokonolona ao an-tampon-tananan'Antsirabe.

Fampirantiana
Narahin'ny fampirantiana sy famelaberana mikasika ity Mpanoratra Poeta ity izany izay nahitana ny zanany Élie Salomon Ramasindraibe, tonga nanotrona mavitrika ny fankalazana ary koa nisolo tena ny fianakaviany.

Tao amin'ny Alliance Franco-Malagasy an-tampon-tanàna no natao io fampirantiana io. Voalazan'i Élie tao avokoa ny momba an'i Dox izay maro no mbola tsy fantatry ny besinimaro.

Antsan-tononkalo, kabary, hira, dihy

Ny tolakandro dia mbola tao amin'ny Alliance Franco-Malagasy ihany no notontosaina ny tohin'ny lanonana tamin'ny alalan'ny antsan-tononkalo, kabary, hira isan-karazany ary dihy ihany koa. Mpanakanto, Solontenam-panjakana, solontenan'ny Fikambanan'ny Mpanoratra/Poeta, Lehiben'ny fikambanan'ny Orin'asa eto Vakinankaratra, olo-manan-kaja maro no tonga nanotrona ny lanonana na dia teo aza ny andro ratsy dia ratsy tokoa.

Koloina (Sandratra), miantsa tononkalo

Mari-pankasitrahana

 Nisy fizarana mari-pankasitrahana ho an'ireo rehetra nanolo-tanana sy nafana fo tamin'ity hetsika goavana izay nokarakarain'ny Sampana ara-javakanto sy soratra eto Vakinankaratra, tarihin'i Randra - poeta/ Mpanoratra/Mpikabary . Heno nanakoako tanatin'izany efitra malalaka izany ny feon'ny "Saxophone" an'i Élie nanaraka ny feon'i Holy (Rasoa Mpantsaka Rano) izay mbola niredona an-kira indray ny hira fanevan'ity fankalazana ity: "Ny hirako tsy maintsy hitoetra".


Mofomamy

Ny takariva dia nisy ny mofomamy nifampizarana sy nankasitrahana indrindra ireo mpikarakara navitrika sy nanampy akaiky tamin'ny fanatontosana ny hetsika.

Fehiny
Tanaty fifankatiavana sy firaisan-kina no namaranana ny fankalazana ity Poetan'ny Fitiavana ity teto aminay teto Vakinankaratra. Ny hetsika Dox manaraka ? ... any Betafo. Tsy ho ela...

Tatitra sy sary : Holy
Pôetawebs - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 11/08/2019

×