Créer un site internet
Mariboninahitra ho an'ny mpikambana telon'ny Pôetawebs
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
30 Jolay 2022

T
oy ny katsaka ladinim-bahy sy jijy kely mihoa-bangy tokoa ny mpikirakira ny teny sy ny literatiora. Fararanon-danonan'ny literatiora mantsy ny tetsy amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox, ny alakamisy 28 Jolay 2022 lasa teo. Hetsika tsy dia fahita firy roa sosona be izao no nitranga tamin'io fotoana io.

Teo aloha ny fanolorana ny Mariboninahitry ny Kanto sy ny Soratra ary ny Kolontsaina tamin'ny laharana "Commandeur" ho an'ireo mpanoratra andrarezina sy mpikirakira ny literatiora telo mianadahy:

- Toetra Ràja (Toetra Rajaonarivony), nanangana ny tranonkala Pôetawebs, mpanoratra sy mpandrindra boky ka anisany ny Sorapiainana voalohany hatramin'ny fahatelo, manapariaka tononkalo amin'ny gazety sy aterineto ary boky literatiora any ivelany.

- Ny Malodohasaha (Narivelo Rajaonarimanana), profesora elanihetezana (INALCO Paris), pôeta, mpanoratra boky sy rakibolana, mpampianatra mpikaroka, nandalina manokana ny sorabe, mpanao velakevitra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

- Solotiana Nirhy-Lanto Ramamonjisoa, maître de conférence voalohany amin'ny literatiora malagasy ao amin'ny INALCO Paris, mpanoratra boky sy rakibolana, mpanao velakevitra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Rehefa voafintin'ny Tonian-danonana Tsikimilamina Rakotomavo ny sorapiainan'izy ireo, nomba ny antsa tononkalo niangalian'ny pôeta Felana sy Mahefa ary Riambola Mitia, dia niroso tamin'ny fanolorana mariboninahitra ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO ho an'ireto mahery fon'ny literatiora ireto. Nisintona ny sain'ny rehetra aloha izy mba ho tia vaky boky, indrindra fa ireo amin'ny teny malagasy. Nankasitraka ny fivoizan'ireto mpanoratra malagasy ireto ny teny sy ny literatiora malagasy any ivelan'ny Nosy izy ary talanjona raha nampahafantarina nandritra ny fintina fa "hay tokoa na ny sehatry fanadinam-panjakana any ivelany aza dia idiran'ny literatiora malagasy".

Nanafana ny fotoana i Bebey sy i Benny avy amin'ny Lolo sy ny tariny. Nandrotsirotsy tao ambadiky ny antsa tononkalo koa i Dédé Valiha.

Nanamarika ny fizarana faharoan'ity lanonana ity ny kaonferansa notontosain'Ny Malodohasaha sy Solotiana Nirhy-Lanto milohateny hoe "Rakibolana sy Literatiora: Fitaovam-pikajiana ny teny malagasy". Novelabelarin'Ny Malodohasaha fa mitana anjara toerana lehibe eo amin'ny famelomana ny teny ny rakibolana. Ny lanjan'ny literatiora amin'ny fikoloana ny teny kosa no novoaboasan'i Solotiana Nirhy-Lanto.

Nahatsiaro sy nahatsapa ireo olona tonga maro be fa tsy ho faty ny literatiora raha mbola eo ireo olona miady mafy amin'ny fanandratana azy. Naharitra ora roa ity fotoana nofaranana tamin'ny tsaingoka ity.

Vetson'ny fanahy
Felana,
niantsa ny tononkalon'i Toetra Ràja

Riambola Mitia,
niantsa ny tononkalon'Ny Malodohasaha

Mahefa
niantsa ny tononkalon'i Nirhy-Lanto

Ireo manam-pahefana. Miankavanana: Ministra, DirCab, DG ORTM, DSI, Tale IVOTORO
Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo,
Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina


Fanolorana mariboninahitra
Ramatoa Ministra eo afovoan'ireo notolorana
Bokin'izy telo mianadahy
natolotra ny Ministra

Ireo mpanao kaonferansa Nanolotra azy ireo ny Tonian-danonana
Tsikimilamina Rakotomavo

Benny sy Bebey avy amin'ny Lolo sy ny tariny
Eo ankavanana i Dede Valiha
Tsikimilamina Rakotomavo,
nanazava ny fandaharanora

Anisan'ireo nandrafitra ny komitin'ny OALC. Eo ankavia Sahondra Andriamihamina (Talen'ny Arsivam-pirenena) sy Tsikimilamina Rakotomavo (DIC). Eo ankavanana Ranjatohery Harilala


Mpianatra notarihin'ny Pr Narivelo Rajaonarimanana sy Solotiana Nirhy-Lanto tao amin'ny INALCO

Miankavanana : IPA Andriamangatiana, Hajaina Andrianasolo, Razanabahiny Victorine, Ralalaoherivony Baholy, Solotiana Nirhy-Lanto, Narivelo Rajaonarimanana, Mbato Ravaloson, Ranjatohery Harilala

Tsikaritra ao anatin'ireo mpanatrika natao tazan-davitra ny talen'ny MSK vitsivitsy

VAOVAO AN-GAZETY NANAMARIKA NY FOTOANA
TVM 28/07/2022 tamin'ny 8 ora hariva

Dépèche Informative Taratra - 28/07/2022

Midi Madagasikara - 29/07/2022 - Hanitra Andria

Les Nouvelles 29/07/2022 - Joachim Mickael

Gazety Taratra 28/07/2022 - Narilala sy HaRy Razafindrakoto

Gazety Taratra 29/07/2022 - Narilala

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 31/07/2022

×