Pôetawebs sy ny fikaonan-doha tao amin'ny ENS
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
28 Aogositra 2022


PÔETAWEBS SY NY FIKAONAN-DOHA TAO AMIN'NY ENS

Tatitra : Pôetawebs


Notanterahina tao amin'ny ENS Ampefiloha ny 25 sy 26 Aogositra 2022 teo ny fikaonandoha iraisam-pirenena momba ny literatiora ho fahatsiarovana ireo namana mpiara-miasa: Désiré Andriamiadamanana Ranaivosoa (1949-2015) sy Anatolie Raharimalala Raharinjanahary (1949-2017) ary Seth Andriamanatsilavo (1943 -2020).

"MBA HO TANTARAN’NY LITERATIORA MAMPIATY NY LITERATIORA MALAGASY" no lohatenin'ity fikaonan-doha ity ka nanatanterahana famelabelaran-kevitra miisa 78 araka ireto tezan-kevitra 10 ireto:

1. Haifampianarana literatiora
2. Literatioram-paritra sy ny literatioram-pirenena
3. Ny anjara toeran’ireo fitaovana fampitam-baovao eo amin’ny fananganana ny
tantaran’ny literatiora sy ny fitahirizana ny literatiora malagasy
4. Ny literatiora sy ny olana momba ny fandikana teny
5. Ny literatiora malagasy sy ny tsikera literera
6. Ny hira sy ny literatiora
7. Ny tantara ao amin’ny tantaraforonina malagasy
8. Ny literatiora ho an’ny ankizy sy ny tanora eto Madagasikara
9. Ny literatiora sy ny fampandrosoana
10. Ny famoronana asasoratra malagasy amin’izao vanimpotoanan’ny nomerika
izao

Ireto avy ny lohatenin'ireo velakevitra nandraisan'ny Pôetawebs anjara tamin'ny zoma 26 Aogositra:
- "Ny endri-pikajiana ny haisoratra malagasy ao amin'ny tranonkala Pôetawebs", Tsikimilamina Rakotomavo sy Toetra Ràja (Toetra Rajaonarivony)
- "Literatiora malagasy : ilo sy ivon'ny fampandrosoana", Tsikimilamina Rakotomavo sy Toetra Ràja (Toetra Rajaonarivony)
- "Ramambason (1909-2001) : Mpanoratra anjorom-bala", Solotiana Nirhy-Lanto Ramamonjisoa

Mpikamban'ny Pôetawebs telo no anisan'ireo tao amin'ny komity siantifika sy mpanomana: Tsikimilamina Rakotomavo, Solotiana Nirhy-Lanto Ramamonjisoa ary ny Pr Narivelo Rajaonarimanana. Namintina ny tantaram-piainan'ireo mpampianatra telo nankalazaina i Tsikimilamina Rakotomavo ary niantoka tanteraka ny fandrafetana sy famolavolana izany.

Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana teny am-piandohan'ny fotoana tamin'ny alakamisy 25 Aogositra, ka nahitana ireo mpitantana eo anivon'ny sekoly ambaratonga ambony maro, niampy ny solotenan'ny Ministeran'ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ary ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, mialoha ny fanomezam-boninahitra ireo mpampianatra telo voalaza tetsy ambony. Nandimby izany ny velakevitra anankiroa natao ho fitokanana izany fotoana izany :

- "Ny rafi-pisainana iorenana sy aorian’ny asa soratr’i E.D. Andriamalala (1918-1979) : tarafina amin’ny olona fototry ny tantara foronina nosoratany", notontosain-dRatrema William Mpampianatra sy Mpanabe
- "Fiaraha-miaina sy tontolo filamatra vokarin’ny lahateny kantoina ny hira sy ny tonon-kalo fohin’ny ankehitriny", notontosain'i Serge Rodin Mpampianatra Mpikaroka, Akademisiana.

Loabary an-dasy sy fehin-kevitra no namarana ny fotoana ny zoma hariva.
Nanakatona ny fikaonan-doha tamin'ny fomba ofisialy kosa ny Tale Jeneralin'ny Tranombokim-pirenena.

Rohin'ny vidéo tamin'ny velakevitra nandraisan'ny Pôetawebs anjara (tezan-kevitra fahatelo)
https://www.youtube.com/watch?v=x8fOwMu88pA

Rohin'ny vidéo tamin'ny velakevitra nandraisan'ny Pôetawebs anjara (tezan-kevitra fahasivy)
https://www.youtube.com/watch?v=Km0olxoe8eQ&t=21s

Rohin'ny vidéo tamin'ny velakevitra nandraisan'ny revio Tsara Soratra anjara:
"Les E-book malgaches - l’expérience de Ranjasoa Publishing et du magazine Tsara soratra."
https://www.soratra.org/malaza/2022/8/26/famelabelarana-nataoni-mialy-ravelomanana

Tezan-kevitra fahatelo ny zoma maraina

Tezan-kevitra fahasivy, zoma hariva
Solotiana Nirhy-Lanto Ramamonjisoa teo amin'ny fitantanana ny andiam-belakevitra faha-15

Ny Pr Narivelo Rajaonarimanana, nanaraka akaiky ny velakevitra fahasivin'i Tsikimilamina Rakotomavo sy i Toetra Rajaonarivony
Fafana fanomezam-boninahitra an-dRtoa Raharinjanahary Lala

Fafana fanomezam-boninahitra an'Atoa Andriamanatsilavo Seth
Fafana fanomezam-boninahitra an'Atoa Ranaivosoa Andriamiadamanana Désiré
Ny Pr Narivelo Rajaonarimanana, nandray fitenenana tamin'ny loabary an-dasy

Rakotoson Michèle, Mpanoratra nitondra ny
"État des lieux de la jeune création littéraire
actuelle"
Ireo namaly ny fanontanian'ny mpanatrika tamin'ny andiam-belakevitra faha-18 nahitana an'i Tsikimilamina Rakotomavo

Tafan'ny mpanoratra sy mpitantana tranombokim-pirenena Tale Jeneralin'ny Tranombokim-pirenena nanakatona ny fikaonan-doha tamin'ny fomba ofisialy


Lanonam-panokafana. Miankavanana :
Filohan'ny Akademia, Lehiben'ny Sampandraharaha misahana ny teny sy ny Soratra, Rtoa Talen'ny fampiroboroboana ny teny malagasy, Tale Jeneralin'ny Tranombokim-pirenena, Atoa Tale Jeneraly eo anivon'ny Minisiteran'ny Fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 07/09/2022