Ny lalana handrosoana - Ny literatiora miasa ho amin’ny fampandrosoana
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
31 Aogositra 2022

Ny lalana handrosoana
Ny literatiora miasa ho amin’ny fampandrosoana


Lahatsoratra : Heriarilala Andriamamonjy


Hoporofoina ao amin’ny IKM na Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy ao Antsahavola fa afaka mampandroso ny firenena ny literatiora. Hanasongadina izany eny an-toerana mandritra ny tapa-bolana Ramarozatovo Harifidy, mpanoratra, mpikamban'ny Havatsa-UPEM izay nandray salotrasina tamin’ny taona 2019.

Hisokatra ny alarobia 14 Septambra amin’ny 10 ora maraina ny fampirantiana sy ny fanolorana ny boky “Diary tao Ambato”, ahitana tononkalo sy lahatsoratra vitsivitsy. Hisy ny antsan-tononkalo izay nampitondraina ny lohateny hoe “Ny mbola antenaina” hiarahana amin’ny Havàtsa-UPEM ny tolaka andron’io alarobia io. Hamelona ny tsangan-tononkalo “Ny rano manadio” koa ny Dian-tana-masoandro. Ny talata amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny mitatao vovonana no hihaona  amin’ny mpianatra ity pôeta ity ka hitafa momba ny boky sy ny asasoratra ary ny fanabeazana. Ny takarivan'ny zoma 23 Septambra kosa na “zoma finaritra” no hanaovana ny loabary an-dasy miompana amin’ny lohahevitra hoe “Ny fivelaran’ny tena sy fampandrosoana nentin’ny taona valopolo”, izany hoe manomboka amin'ny 4 ora ka tsy mifarana raha tsy amin'ny 6 ora hariva. Ny talata 27 Septambra amin’ny 9 ora maraina kosa no hanaovana ny velakevitra hoe “Mirona mankaiza ny asasoratry ny tanora ankehitriny?” izay entanin’ny “Observatoire de la Jeunesse". Ny 30 Septambra 2022 vao mifarana ny fampirantiana ka boky maro no ho hita amin’izany. Anisan’izany, "Ny lalana handrosoana", "Diary tao Ambato" ary ireo lahatsoratra maro izay mitaona ny olona hivoatra.

Antony lehibe nanaovana izao hetsika izao ny fampahafantarana ny olona fa tsy rediredy fotsiny na raharahan’ny tsy manan-katao ny asasoratra fa anjara biriky lehibe afaka miantoka ny hoavin’ny firenena. Tombony nahafahan’i Harifidy nanomana izao hetsika fampivoarana ny mpiray tanindrazana izao ny fianarana nataony tao amin’ny Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques ka nananany asa nahafahany niteny an’i Madagasikara. Ireny toerana nivezivezeny manerana ny Nosy ireny ohatra no loharanon’aingam-panahy nanoratany ny “Ny vehivavy filamatra” rehefa nandinika ny fomba fiainan’ny vehivavy tany amin’ny toerana nalehany toy ny tany Saint Augustin, SAVA, Antsiranana, Ramainandro Faratsiho, Andringitra, Andaingo, Fianarantsoa izy. Toy izay koa no nahafahany nanoratra ny “Diary tao Ambato". Anisan’ny toerana nolalovany Ambatondrazaka, Ambatondrakalavao, Ambatoasana, Ambatonikolahy. Ambatomanga no tanindrazana niaviany. Olona tia mifandray amin’ny zava-boahary manodidina sy ny fiarahamonina izy ka rariny raha mahita vahaolana avy hatrany hanampiana ny mpiara-monina aminy.













© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 02/09/2022