Créer un site internet
SEHOKAROKA MOMBA NY TONONKALO SY NY TORITENY
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
23 Septambra 2022

SEHOKAROKA

MOMBA NY TONONKALO SY NY TORITENY


Lahatsoratra : Toetra Ràja


Andro lehibe ho an'ny tononkalo sy ny toriteny ary ny fampianarana ambony ny tao amin'ny Fakiolten'ny teôlôjia Ambatonakanga ny 22 Septambra 2022. Nanohana ny sanganasany nahazoana ny diplaoma "Maîtrise en théologie" tao mantsy ny pôeta Rianaly na Randrianalidera Radoniriana Robin, ary antsoin'ireo akaiky azy hoe Pasitera Rado.

23 taona ankehitriny no maha mpitandrina azy ao amin'ny F.J.K.M. (Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara). Amin'ny maha pôeta azy indray dia miroboka lalina ao amin'ny tontolon'ny pôezia izy ka nahatonga azy hiroso amin'ny sehokaroka mitondra ny lohateny "Haikanto ny toriteny araka ny tononkalon'i Rado tsongaina tao amin'ny: Dinitra - Zo - Sedra - Voninkazo adaladala - Hiram-bavaka".

Niray feo ireo vondron'ny mpitsara fa mitaha lavitra amin'ny lentan'ny mari-pahaizana ambony ity sehokaroka ity ka niombonana ny fanomezana isa mifandraika amin'ny sokajy Tena tsara.


Havanana sy mahafehy ny tontolon'ny teôlôjia sy ny literatiora avokoa ireo tazana teo anivon'ny vondron'ny mpitsara.

Filoha :
Mpitarika :
Mpitsara 1 :
Mpitsara 2 :
Dr Ramambason William, Mpitandrina
Dr Randriamampionona Alfred, Mpitandrina
Dr Rakotomavo Tokiharimanitra Tsikimilamina, Mpampianatra literatiora
Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina

Nanamarika ny sojaben'ny fakiolten'ny teôlôjia sady filohan'ny vondron'ny mpitsara fa "tena hafa ity fanohanana ity satria nafonja be sy avo lenta ary tena siantifika". Nahatalanjona ny lanjan'ny fifanakalozana nandritra ny ady hevitra naharitra. Noho izany indrindra no nahatonga ny filoha nandroso filantoana kely teo anivon'ny fifandimbiasam-pitenenana ka nanontaniany ny Pasitera Rado raha mpanoratra tokoa izy. Nanamafy ny maha pôeta azy i Rianaly. Niangavy famoronana mivantana sy am-pahibemaso àry ny filoha. Teraka teo am-panadinana ny aingam-panahiny nampihetsi-po ny mpanatrika. Nambaran'ny mpitsara 1 fa "miankina betsaka amin'ny feo sy ny teny izay ambara no mahalavorary ny toriteny. Nanamafy izany ny mpitsara 2 tamin'ny alalan'ny tolo-kevitra momba ny tokony hijerena ny tombontsoa azo amin'ny fampiasana tononkalo amin'ny toriteny. Nahitsy kosa ny mpitarika tamin'ny filazana fa haikanto ny toriteny ary mifototra amin'ny Soratra Masina.

Raha atao indraim-bava ny atin'ny sehokaroka natontan'i Rianaly ho boky dia ahitana fizarana telo:

1. Tontolon'i Rado
2. Haikanto ny toriteny Kristiana tarafina amin'ny tononkalo
3. Andran-toriteny Kristiana

Nanolotra io boky io ho an'ny
mpianadahy taranak'i Rado i Rianaly. Nanolotra ny bokin'i Rado ho an'ity toeram-panomanana ho mpitandrina ity ihany koa ny taranany.

Ankoatra ny taranak'i Rado, nanatrika ny fotoana ny mpanoratra, mpikabary, mpitandrina, diakona avy ao amin'ny F.J.K.M. Ambohitrabiby izay itandreman'ny Pasitera Rado, mpampianatra toa an'i Nirhy-Lanto Ramamonjisoa, maître de conférence INALCO, sady mpikamban'ny Pôetawebs.

Filoha, Dr Ramambason William

Mpitarika, Dr Randriamampionona Alfred



Mpitsara 1, Dr Rakotomavo Tokiharimanitra Tsikimilamina (ankavia) sy ny Mpitsara 2, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi (ankavanana)

Ireo taranaka nanolotra ny bokin'i Rado ho an'ny toeram-panomanana ho mpitandrina
Rianaly nanolotra ny sehokaroka ho an'ny taranak'i Rado

Fonon'ny boky sehokaroka

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 27/09/2022