HOBIANA NISINTONA LAKOLOSY
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
28 Septambra 2022

HOBIANA NISINTONA LAKOLOSY


Lahatsoratra : Toetra Ràja


Miroborobo ny literatiora malagasy araka ny feo voizin'ny fiarahamonina amin'izao fotoana izao. Tsy iombonan'ny pôeta Hobiana tanteraka anefa izany hitsim-pitenenana izany ka nisintonany lakolosy tao amin'ny IKM Antsahavola ny 27 Septambra 2022 tamin'ny alalan'ny velakevitra. Tao anatin'ny famoahana sy fampirantiana ny bokin'i Harifidy Ramarozatovo ity hetsika ity ary tafiditra amin'ny lohahevitra "Ny lalana handrosoana, ny literatiora miasa ho amin'ny fampandrosoana".

Fanehoan-kevitra mafonja sy ara-tsiantifika miendrika karoka fanao eny amin'ny anjerimanontolo no natolotr'i Hobiana ho an'ireo nasaina: mpianatra, mpikaroka, mpanoratra, mpiantsehatra amin'ny boky sy antsoratra, mpamaky.

Niainga avy tamin'ny fikirakirana boky miisa 1084 teo anelanelan'ny 2011-2021, miampy fandinihana loka literera samihafa sy ireo hetsika momba ny literatiora maro ny fikarohana ka nahafahana nanombana fa "Ahina hikombona ny literatiora voasoratra amin'ny teny malagasy". Marihina fa niarahan'i Hobiana niantsoroka tamin'i Lanto Ratsida, mpahaifiarahamonina avy ao amin'ny Observatoara momba ny tanora, sy ny pôeta Mina Ilarion ity asa fandalinana ity.

Fandalinana feno mikasika ny tontolon'ny an-tsoratra no novoaboasana toy ny antokon-dahatsoratra, ny tokotanin'ny lahatsoratra asehon'ny mpanoratra. Amin'ny maha fandalinana azy dia nivohitra tamin'ny alalan'ny tombana samihafa ireo antokon-dahatsoratra ironan'ny mpanoratra. Nasongadina ihany koa ny foto-dresaka mahazatra ankehitriny: fitsentsefan-janatany, fifindra-monina, fihazoazoan'ny maha izy ny tena.

Nahariharin'i Hobiana ireo dingana samihafa arahina mandra-pahatongan'ny boky ho eo am-pelan-tanan'ny mpamaky. Fanapariahana tononkalo avokoa ny 92,71% tamin'ireo boky nokirakiraina. Ampahany ihany ny tantara, sombintantara... ary ny fanadihadiana lohahevitra toy ny boky Sorapiainana sy ny Fiandohan'ny Malagasy.

Tamin'ny fanadihadiana no nahafahana nanasokajy ireo antokon-dahatsoratra mivelatra sy mivelabelatra ary takona. Nahitsy izy nanambara ny lesoka ankehitriny: "Tsy mahafoy vola hividianana boky ny olona fa aleony mividy pizza". Vitsy rahateo koa ny boky tsara kalitao ka tsy manintona.

Manoloana ny hafonjan'ny velakevitra dia vitsy ireo nanatrika; singanina manokana ny mpianatra ary koa ireo mpanoratra mahatsapa tena ho voakasiky ny sinton-dakolosy toa an-dry Niry-Solosoa, Mina Ilarion, Rado Ramaherison, Riambola Mitia, Johary Ravaloson. Manampy ireo ny mpahailiteratiora Tsikimilamina Rakotomavo, ny mpikirakira hainoamanjery Véro Rabakoliarifetra. Maro amin'izy ireo no nandray anjara tamin'ny ady hevitra. "Mandona loatra ilay lohateny ka ohatry ny mandratra" hoy i Tsikimilamina Rakotomavo. "Ny fomba fanoratry ny mpanoratra ankehitriny ve no tsy mipaka na miako any amin'ny mpamaky fa tsy misy tadidin'ny taranaka mifandimby", hoy ihany izy nanohy.

Nanomboka tamin'ny 14 Septambra ary mifarana amin'ny 30 Septambra ity hetsik'i Harifidy Ramarozatovo ity izay ahitana fanolorana boky, fampirantiana, velakevitra momba ny literatiora sy ny fiarahamonina ary ny fandrosoana, fanaporofoana fa anjara biriky lehibe afaka miantoka ny hoavin'ny firenena ny asasoratra.

Harifidy Ramarozatovo
"Ny lalana handrosoana, ny literatiora miasa ho amin'ny fampandrosoana"

Lanto Ratsida, mpahaifiarahamonina
Observatoara momba ny tanora
Tsikimilamina Rakotomavo, mpahailiteratiora
"Mandona loatra ilay lohateny ka ohatry ny mandratra"


Harifidy Ramarozatovo mandray fitenenana mialoha ny velakevitr'i Hobiana




"Tsy mahafoy vola hividianana boky ny olona fa aleony mividy pizza"

"Ahina hikombona ny literatiora voasoratra amin'ny teny malagasy"

© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 29/09/2022