Créer un site internet
NY HASINA RATSIMBAZAFY, PÔETAWEBS
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
22 Oktobra 2022

NY HASINA RATSIMBAZAFY, PÔETAWEBS


Lahatsoratra : Pôetawebs 


Hafaliana ho an'ny tranonkala Pôetawebs ny manolotra ho an'ny mpiserany, mpikambana vaovao antsoina hoe Ny Hasina Ratsimbazafy.

Mpanoratra izy ary tsy zoviana intsony eo amin'ny sehatry ny fampianarana amin'ny maha mpampianatra mpikaroka (maître de conférences) momba ny literatiora azy eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo.

Mpikarakara hetsika momba ny kolontsaina sy fikaonandoha iraisam-pirenena maro ihany koa izy teny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo.

Efa niara-niasa tamin'ny Pôetawebs tamin'ny fampahafantarana ny voka-pikarohana mikasika ny pôeta nandritra ny hetsika Pôetawebs misehatra.

Maniry soa sy fahombiazana ho azy eo am-panandratana ny tontolon'ny pôeta sy ny tononkalo malagasy ny ekipan'ny Pôetawebs.



ANDRAIKITRA IVELARANY

  • Mpanoratra

  • Tomponandraikitry ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny Literatiora sy Kantom-bolana Malagasy (Laboratoire de Littérature et Oralité Malgaches), oniversiten'Antananarivo

  • Tomponandraikitry ny zotram-piofanana momba ny literatiora sy lahabolam-paritra, sampana Malagasy, oniversiten'Antananarivo

  • Nitarika mpianatra mpikaroka momba ny literatiora sy lahabolam-paritra nandritra ny taona maro, oniversiten'Antananarivo

  • Mpikarakara hetsika fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny Malagasy

  • Mpikarakara hetsika kolontsaina maro teny anivon'ny oniversiten'Antananarivo

  • Niara-niasa tamin'ny Pôetawebs nikaroka ireo voka-pikarohana efa vita momba ny mpanoratra.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 22/10/2022