Créer un site internet
"...s'HIRA v' AINGANY?", lahatsoratr'i Faniry Ezeckiel
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
25 Oktobra 2022

... s'HIRA v'AINGANY?


Lahatsoratra : Faniry Ezeckiel


Hanatontosa antsa tononkalo ao amin'ny Espace Kolo Kanto Parc de l'Est Antsirabe ny Faribolana Sandratra Betafo amin'ny sabotsy 29 Oktobra 2022 ho avy izao, amin'ny 2 ora tolaka andro, antsa tononkalo nampiambozonana ny lohateny hoe "...s'HIRA v' AINGANY?"

Hifandimby haneho ny talentany araka izany ireo pôeta mivondrona ao. Ankoatra ny Faribolana Sandratra dia nasaina hanotrona sy hizara ny traikefany amin'ity seho ity koa ireo fikambanana mpanoratra vitsivitsy ao Antsirabe tahaka ny Havàtsa-Upem Antsirabe , ny Randramanohy , ny Tanora Maneho ny Kanto.

Antenaina araka izany fa hafana ity seho ity ary hianoka zavakanto mahasondriana ny eto an-drenivohitr'i Vakinankaratra. Marihina fa eo ambany fiahian'ny Fitaleavam-paritry ny Kolontsaina eto Vakinankaratra ity hetsika ity. Efa masaka izay hatolotra rehetra amin'io andro io, ny mpankafy sisa no andrasana hianoka sy hanohana hatramin'ny farany.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 26/10/2022