|
HERIARILALA ANRIAMAMONJY PÔETA MATSELAKA Lahatsoratra : Tsikimilamina Rakotomavo |
Pôeta
kinga sy mavitrika avy ao amin'ny Pôetawebs, Heriarilala Andriamamonjy
no anisan'ny nahazo ny laharana voalohany tamin'ny fifaninanana
soratononina nokarakarain'ny Akademia Malagasy tamin'ity taona 2022
ity. Notolorana marika mivongady sady harentsaina mitoetra tao amin'ny
lapan'ny Akademia Tsimbazaza tokoa ireo mpifaninana mendrika nandritra
izany fifaninanana izany. Faritra samihafa nanerana an'i Madagasikara
toy ny faritra Atsinanana, Matsiatra ambony, Vakinankaratra, Itasy,
Analamanga no namiratra tamin'izany. Nisy ny lahateny nifandimbiasan'ny
filohan'ny Akademia, ny filohan'ny sokajy 1, ny filoham-boninahitry ny
sokajy Haikanto sy hailaza eo anivon'ny Akademia, Ramaholimihaso
Madeleine izay taranaky Ramanandraibe Joseph, Razafitsara Félicie
nanohana ny hetsika. Ramavonirina Oliva mpikambana mahefa sady
tompon'andraikitra voalohany amin'ny fikarohana momba ny teny malagasy
eo anivon'ny Foibe momba ny teny no tonian-danonana. Nanao jery todika
ny lalana nodiavin'ny fifaninanana Soratononina ity farany ka nanambara
fa ny 2012 no nanombohan'ny fifaninanana Soratononina, fotoana izay
nankalazana ny faha 110 taonan'ny Akademia.Fitaovana nampiasain'ny mpitsara ny fifaninanana ny Rakibolana Rakipahalalana. Dingana lehibe tontosa ny fandrafetana boky "Ahitsio ny diso" vokatry ny hetahetan'ireo fitondran-draharaham-panjakana ary naparitaka tamin'ny distrika samihafa. Nandravaka ny lanonana ny hira ba gasy novetsoin'ny TAFASIRY KOLO KANTO. Maro ireo nanao tan-tsoroka tamin'ity andiany ity toa an'i: - Esther Randriamamonjy
- Hajaina Naomy - Edisiona Lauréat - Rakotomanana honoré - Ratrema William - Razafiarivony Michel - Verenako Myriam Blériot ![]() Ireo
notolorana izany mari-pahamendrehana
Nisy andiany roa ny fifaninanana, ka olona 10 mendrika isaky ny andiany no notolorana izany mari-pahamendrehana izany. Fampiroboroboana sy fanandratana ny teny malagasy amin'ny sehatra avo no tanjon'izao hetsika goavana izao. Izahay eto amin'ny Pôetawebs dia miarahaba tena ihany noho ny fahombiazan'i Heriarilala Andriamamonjy. Koa mahabe fanantenana ny ny fanomezan-toerana ny teny malagasy ataon'ny pôeta tahaka izao. Ireo
fanomezana natolotra an'i Heriarilala Andriamamonjy
|
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
|
©
Pôetawebs
|











