SALOTRA PÔETAWEBS
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
29 Novambra 2022

SALOTRA PÔETAWEBS

Lahatsoratra : Pôetawebs 


"Areniko
 ny tany
 amy teniko
 tsy ambany"

Izany andinin-tononkalon'i Toetra Ràja tao amin'ny "Dinitra pôeta" izany no azo anombanana ny adidy miandry ireo mpikambana vaovao (Mpifandray) sy nasondro-daharana ao amin'ny Akademia Malagasy.

Notontosaina ny 29 Novambra 2022 mantsy ny lanonana nandraisana azy ireo teny amin'ny lapan'ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza. Nifanojo tamin'ny lanonam-pamaranana ny faha-120 taonan'ny Akademia izany. Ao anatin'ireo noraisina tamin'izany no ahitana mpikambana roa avy amin'ny tranonkala Pôetawebs: Dr Rakotomavo Tsikimilamina sy Dr Ratsimbazafy Minoson Laingo Ny Hasina. Miarahaba sy mirary soa ho azy ireo izahay ato amin'ny tranonkala mba hahatontosa ny adidy sy andraikitra apetraka aminy. Marihina fa anankitelo ankehitriny ireo Pôetawebs ao amin'ny Akademia Malagasy izay ahitana ny Pr Rajaonarimanana Narivelo koa.

Nampiavaka ny fotoana ireo fandraisam-pitenenana maro izay nentanin'Atoa Ranjatohery Harilala, mpiara-mandrindra ny komity mpanomana sady tonian-danonana. Nitatitra ny fankalazana ny faha-120 taonan'ny Akademia Malagasy Atoa Andriantsoa Jean Rubis, mpiara-mandrindra ny komity mpanomana ihany koa. Mialoha ny fanehoana ampahibemaso ireo Mpifandray sy Mpikambana nasondro-daharana dia nifandimby nandray fitenenana ny Filohan'ny TWAS (The World Academy of Sciences) - Madagascar Chapter, ny Filohan'ny ANAMEM (Académie Nationale de Médecine de Madagascar) ary ny Filohan'ny AASRSP (Académie Africaine des Sciences Religieuses, Sociales et Politiques). Rehefa avy nisaotra ny solontenan'ireo noraisina dia nifandimby nikabary ireo Filohan'ny Sampana Akademia Malagasy any amin'ny faritany telo, nodimbiasan'ny Filohan'ny Akademia Malagasy. Rtoa Talen'ny kabinetra eo amin'ny fiadidiana ny Repoblika no Solontenam-panjakana nitondra lahateny sady nanakatona ny lanonana, mialoha ny fiombonana tamin'ny alalan'ny fiaraha-misakafo.

Maro ireo manam-pahefana sy olona manan-kaja nanatrika ny fotoana ka singanina manokana ny Sekretera Jeneralin'ny Governemanta, ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Filohan'ny komity fampihavanana Malagasy...











© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 30/11/2022