Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

18 Jolay 2015

FAHA 25 TAONA NAHAFATESAN'I REGIS RAJEMISA RAOLOSON

Notanterahina teny amin'ny Akademiam-Pirenena Malagasy Tsimbazaza ny 18 jona 2015 lasa teo ny fahatsiarovana ny faha 25 nahafatesan'i Regis Rajemisa Raolison.

Ampatsiahivina fa izy dia mpanoratra sy pôeta izay nitondra avo ny teny malagasy tamin'ny alalan'ny haisoratra, ny famokarana boky fianarana samihafa ary indrindra ny fandalinana ny teny malagasy. Nanotrona ny fotoana ireo olo-manan-kaja maro, ny fianakaviana sy ireo mpiara-mifandrimbona eo anivon'ny teny malagasy, ny mpikambana avy ao amin'ny HAVATSA UPEM izay fikambanana naoriny ary mpianatra.

Natolotra tamin'io koa ny boky VITASOA mirakitra voambolana marobe, milanja 3,700 kg, novokarin'ireo mpikaroka ny teny malagasy nandimby ny asa fandalinana nataon'ity vatolahin'ny teny malagasy ity.

Naranty tao koa ireo boky nosoratany tamin'ny teny vahiny sy malagasy ary narahin'ny fiantsana ny tononkalony nataon'i Lalaina. Taorian'izay dia niroso tamin'ny fiaraha-miala hetaheta ny rehetra sy ny fanarahana ny horonan-tsary mirakitra ny tantaram-piainany.

Tatitra sy sary : Ikaloyna


Fialana hetaheta
Fampirantiana ny boky





Fampirantiana ny boky





Fampirantiana ny tantarany sy ny sanganasany

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
Raha misy tsy mety ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021