Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny

Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 Jolay 2015


FIKAMBANAN’NY POETY SY NY MPANORATRA MALAGASY « HAVÀTSA-UPEM » 

 

TATITRY NY FANANGANANA NY FIKAMBANAN’NY POETY SY NY MPANORATRA MALAGASY « HAVÀTSA-UPEM »
SAMPANA FENOARIVO ATSINANANA

Telo ambinifolo mianaka ny Mpikambana HAVÀTSA-UPEM Foibe niainga avy taty Antananarivo, nirodobe hitokana ny HAVÀTSA-UPEM Sampana Fenoarivo Atsinanana. Nitarika izany ny Filoha ANDRIANASOLO Hajaina Naomy, notronin’ireo Filoha am-boninahitra mirahalahy Iharilanto Patrick Andriamangatiana sy RAHAINGOSON Henri sy ny Birao : Willy Way, Thina Andriafaly, Jacynthe, Danie RND, Dol’Aj, Ny Ako, Rakotobe Ratsimanisa ; ary ireo Mpikambana Fara H, Arsy Max, Mbolaranto Ramanantsoa. Ny alakamisy 09 jolay maraim-be no fotoana niaingana tetsy amin’ny Rarihasina Analakely ary ny hariva tamin’ny 6 ora no tonga tany FENOARIVO ATSINANANA.
Ny Talem-paritry ny Kolontsaina any amin'ny faritra Analanjirofo sady Talen'ny Tranoben'ny Kolontsaina ao Fenoarivo Antsinanana no tompo-marika, angady nanana ny vy nahitana Andriamatoa ANDRIANOELISON Henri, nikely aina teo amin'ny fanomanana niaraka tamin'ny HAVÀTSA-UPEM Foibe avy aty Antananarivo Noraisin'ny Tale ANDRIANOELISON Henri tao amin'ny Birao fiasany, Tranoben’ny Kolontsaina avy hatrany ireo delegasiôna raha vao tonga... Marihina fa tany amin'ny volana febroary no efa nanombohan’ny fikarakarana.

 

Amin'ny maha Fikambanana mpanoratra dia nisy fepetra notakina, toy ireo nangataka hiditra ho mpikambana dia mandefa ny asasorany maromaro sy ny mombamomba azy. Nisy ny fepetra eo amin'ny fananganana Sampana ary nanaraka izany an-tsakany sy an-davany ny tany Fenoarivo Atsinanana.
Ny zoma 10 jolay teo àry no fotoana manetriketrika nitokanana ny Sampana. Tamin’ny 9 ora maraina no nanombohan'ny lanonam-pitokanana... Tao amin'ny Tranompokonolona Fenoarivo Atsinanana no nanatanterahana izany, trano malalaka mahazaka olona an'arivony.



Nifandimby nandahateny: ny Talen'ny Tranoben'ny Kolontsaina Andrianoelison Henri, Ny Filohan'ny HAVATSA UPEM Andrianasolo Hajaina Naomy ary ny solontenan'ny Fitondram-panjakana dia ny Mpanolotsainan'ny Lehiben'ny faritra. Teny anelanelany dia nisy ny fiantsana tononkalo nataon'ireo Mpikambana HAVÀTSA-UPEM Fenoarivo Atsinanana sy ny avy amin'ny Foibe. Ary niavaka tamin'ny fandrahavahana ny fotoana koa dia ny fanehoan'ireo mpanao vakodrazana Betsimisaraka ny fahaizany, tarika DAFAMENA, izay tanora dia tanora tokoa izy 16 mianadahy mandrafitra izany kanefa dia tena mahafehy sy nahay naneho ny fahakantoan’ny vakodrazana Betsimisaraka.



Marihina fa 40 eo ho eo ny Mpikambana HAVÀTSA-UPEM Sampana Fenoarivo Atsinanana; fa ny noraisin-tanana ampahibemaso tamin’io fotoana io dia 20 mianadahy... Notolorana "Salotrasina " avy hatrany ireo Birao 5 mianadahy mpitarika izany sampana Fenoarivo Atsinanana izany.
Ireto avy izy ireo
1) Ramaharavoharivelo Rivoharifenitra Anjariana, Filohan'ny HAVÀTSA-UPEM Sampana Fenoarivo Atsinanana.


2) Mahavita Jean Louis, filoha lefitra
3) RASEDA Gervais mpitahiry vola
4) Rakotozafy Mamiarimalalatiana Antsaniriniaina, mpitantsoratra
5) Mpanolotsaina



Ny tolakandron'ny zoma 10 jolay dia fihaonana tamin'ny mpianatra. 600 mahery no isan'ny Mpianatra kilasy faharoa, voalohany ary famaranana tonga tao. Ny tena nampihetsi-po dia tonga hatramin'ireo Mpianatra avy any Soanieranivongo sy Ampasimaningory. Maro koa ny Mpampianatra taranja Malagasy izay nitarika azy ireo...
Nanomboka tamin'ny 2.30 io tolakandro io ary tamin'ny 1.30 dia efa vory lanona ny ankizy, feno hipoka ny trano. Ny ampaham-potoana voalohany dia fanazavana nataon-dRahaingoson Henri momba ireo Mpanoratra manan-tantara any amin'iny faritra iny dia: Babity Laurent, Jacques Rabemananjara, Fety Michel... teo indrindra koa ny firesahany ny Mpanoratra anaty fandaharam-pianarana DOX, RADO, NY AVANA RAMANANTOANINA: poetin'ny fanantenana... Ny ampaham-potoana
faharoa kosa dia efa nandrasan’ireo Mpianatra fatratra i IP ANDRIAMANGATIANA izay mpanoratra ny boky VAKIVAKIM-PIAINANA, tafiditra ao anatin'ny fandaharam-pianarana , ka nanao famelabelaran-kevitra mikasika io boky io.


Liana ireo ankizy mpianatra ary notohanana fotsiny ny fanontanian'izy ireo izay tena nahavariana tokoa... Nifandrombahana ny nividy ny boky sy gazety nony vita ny valandresaka. Ary mbola afaka nankafy sy nandika ireo fafana momba ny HAVÀTSA-UPEM sy ny Mpikambana ao aminy ireo mpitsidika. Efa takariva nanomboka ho maizina vao nisaraka ny rehetra.

 


SAMPANA HAVÀTSA-UPEM TOAMASINA : nomena aina

Niala maraim-be tao Fenoarivo Atsinanana ny HAVÀTSA-UPEM ny sabotsy 11 jolay ary nijanona tao Toamasina. Tao amin’ny Tranomboky Monisipaly no nandraisan’ny Sampana Toamasina azy ireo. Nitarika ny fandraisana ny delegasiôna Andriamatoa DEDE (na Jean de Dieu) izay miandraikitra ny fandaharan’ny HAVÀTSA-UPEM ao amin’ny Radio Nasiônaly Malagasy Toamasina sy Andriamatoa BABITY Fidelys izay Talen’ny Lycéee Rabemananjara, izy dia zanak’i Babity Laurent, Filohan’ny Sampana hatramin’ny niorenany ka mandra-podiany mandry.



Tamin’io fotoana nandalovana tao io ihany koa no nanaovana ny lanonana ho fametrahana « Salotrasina » ho an’Andriamatoa Jean de Dieu ary nanolorana ny dikamitovy ho an’ny Sampana Toamasina ny FITSIPIKA FOTOTRA SY ANATINY



Ny olana kely ho an’i Toamasina dia ny mbola tsy fisian’ny Birao Mpitarika ary anisan’ny anton’izany ny fahavitsian’ny Mpikambana. Na izany aza dia miezaka mandray anjara feno amin’ny hetsika ara-kolontsaina mikasika ny Haisoratra ao Tomasina hatrany ireo Mpikambana HAVÀTSA-UPEM Toamasina amin’ny alalan’izy mirahalahy ireo sy ireo mpikambana vitsivitsy mavitrika . Naharitra adiny iray sy fahefany ny fihaonana. Tonga nanotrona ny fihaonana moa Ramatoa MIARAKANDRO Ghislaine izay lehiben’ny Sampandraharaham-paritry ny Kolontsaina ao Toamasina. Nanambara ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny HAVÀTSA-UPEM amin’ny sehatra rehetra izy. Nilaza ihany koa Andriamatoa Jean de Dieu fa tena aina vao mitarika fahavononana hiasa ho an’ny Haisoratra Malagasy Betsimisaraka ny fahatongavan’ny Foibe tany. Efa nofariparitana sahady ny fandaharam-potoana sy hetsika manaraka ka anisan’izany ny fiverenana any Toamasina amin’ny volana Nôvambra sy ny volana Marsa (andro erantany ho an’ny Poezia) araka ny tolo-kevitra naroson’Andriamatoa Rahaingoson Henri.



Ny sabotsy 11 jolay alina no tafaverina teto Antananarivo ny delegasiôna.

Tatitra sy sary : Hajaina

 

 

 

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com
Raha misy tsy mety ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×