Ny poeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny

amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

12 Septambra 2015

HAVATSA UPEM : ATRIKASA MOMBA NY FAMORONANA PÔEZIA - JONA 2015

Atrikasa momba ny FANORATANA SY FIANTSANA tononkalo no fomba nanehoan'ny fikambanan'ny pôety sy mpanoratra malagasy HAVATSA UPEM ny fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy fanao isaky ny volana jona. Tamin'ity taona 2015 ity dia sabotsy efatra tao anatin'ny IRAY volana no nanatanterahana izany.

Ny sabotsy 06 jona dia i IPA, na IHARILANTO Patrick Andriamangatiana, filoha am-boninahitry ny fikambanana no nanazava ny amin'ny fomba fanoratana pôezia toy ireo singa tokony ho hita ao anatin'ny pôezia sy ireo endrika maro mety isehoany : gadona, ba, andalana, andininy sns. Herinandro taorian'izany (13 jona) dia fampiharana no  natao ary mbola i IPA ihany no nitarika izany.

Ny sabotsy 20 jona kosa dia i Arikoms Randria (HAVATSA-UPEM) sy i Lalaina Andriamampandry (Sakaizan'ny Havatsa UPEM, Mpampianatra taranja Frantsay eny amin'ny Ecole Normale Superieure) kosa indray no nizara ny traikefany ny amin'ny fomba fiantsana tononkalo an-tsehatra. Nisongadina tamin'izany ny fanazavana fa tsy filalaovana feo fotsiny ny fiantsana fa tokony ho filalaovana endrika sy fihetsika koa mba hampiainana ny mpijery. Ny sabotsy 27 jona kosa moa no natao andron'ny fampiharana an'izany fiantsana pôezia an-tsehatra izany.

Antenaina fa hitondra aina vaovao ho an'ny pôezia malagasy iny atrik'asa iny. Ny tranonkala Pôetawebs dia miezaka ny hampita ny vaovao mahakasika ny Pôeta sy ny pôezia malagasy mba tsy handalo tsy re ny zava-mamy toa ireny fa hitoetra sy hampandroso ny haisoratra malagasy.

Tatitra sy sary : Hajaina Andrianasolo sy Ikaloyna.

 

Mandray fitenenana i IPA, na IHARILANTO Patrick Andriamangatiana.
Eo ankaviany i Hajaina Andrianasolo.
Miankavanana : Lalaina Andriamampandry, Willyway Andriamahaly, Arikoms Randria
   
Ireo mpandray anjara tamin'ny atrikasa.

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021