Créer un site internet
Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

02 Oktobra 2015

FAHA ZATO TAONA NAHATERAHAN'I SAMUEL RAJAOBELISON : RANTY TAO AMIN'NY TAHALA RARIHASINA

Ranty ho tsiaro ny faha 100 taona nahaterahan'i Samuel Rajaobelison na i Zakarandahy, ilay mpikanto ny tontolo, no nataon'ireo taranany nandritra ny herinandro tao amin'ny Tahala Rarihasina nanomboka ny 24 septambra 2015 teo.

Naseho tamin'izany ireo asa sorany tamin'ny gazety sy ny bokiny, ny tantaram-piainany : ny fiankohonany, ny asa fivelomany, ny anjara andraikiny tamin'ny tanindrazana, ireo hira noforoniny. Satria tsy pôety sy mpanoratra fotsiny moa izy fa mpamoron-kira sy mpitendry zava-maneno koa.

"Mpikanto ny tontolo " io ny anarana nomen'ireo taranany azy satria ny hitan'ny masony no nokaloiny tao amin'ireo tononkalony miisa 300 izay amin'ny teny malagasy avokoa. Nokantoiny tao anaty tononkalo iray ohatra ireo anaran-janany 11 mianadahy, ny fanomezany endrika ny anana amidy eny an-tsena, ireo pôety namany sns ...

Tsy mba tia sehoseho ny lehilahy fahavelony ka namoaka boky misy ireo tononkalony ny taranany.

Tatitra sy sary : Ikaloyna





























Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021