Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

11 Novambra 2015

TATITRA HERINANDRO HAVATSA UPEM 2015

Fafana marobe maneho ireo asa soratry ny mpikambana, sarin'ireo filoha nifandimby nitantana ny fikambanana sy ireo birao ankehitriny, antsa tononkalo niarahana tamin'ireo Pôety sakaizan'ny HAVATSA UPEM ary vela-kevitra momba ny tononkalo izay nahaliana tokoa ireo mpianatra sy mpakafy haisoratra no nentin'ny fikambanana HAVATSA UPEM nanamarika ny herinandron'ny HAVATSA UPEM ny 26 ôktôbra ka hatramin'ny 31 ôktôbra 2015 teo tao amin'ny tahala Rarihasina Analakely.

Nandray anjara mavitrika teo amin'ny fanafanana ny fotoana tamin'ny hira sy fiantsana tononkalo ny Sampana Havatsa Upem Miarinarivo sy Antsirabe.

Amin'ny maha fikambanan'ny mpanoratra azy dia naranty tao koa ny boky nosoratan'ireo mpikambana mpanoratra izay ampiasaina amin'ny fandaharam-pianarana. Marihana fa mpikambana ahitana sokajin-taona rehetra ny HAVATSA UPEM.

Hita fa liana amin'ny asa soratra  ny tanora ka tao ny nandika izany mba ho tahiry keliny ary tao kosa ireo nianoka ny antsa tononkalo.

Mirary soa ho an'ny fikambanana ny Pôetawebs.

Tatitra sy sary : Ikaloyna Vony

 

 










 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021