Créer un site internet

sehatra

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

18/09/2014

FIHAONAN'NY MPANORATRA SY MPAHAY ARAK'ENDRIKA AMAM-BIKA

MANATONA NY VAHOAKA NY ASA SORATRA , NY ASA TENY, NY ASA SARY amin'ny alalan'ny hetsika fampirantiana tantanan'ny ORTANA. Ireto avy no miara miasa aminy :

  • Ministeran’ny Asa Tanana, ny kolotsaina ary ny vakoka
  • SYNAL
  • FAVI
  • DLE
  • FMTS
  • CUA

Izany hetsika fampirantiana izany dia nampitondraina ny lohahevitra hoe :

 

« Ambohipihaonan’ny mpanoratra sy ny mpahay arak’endrika amam-bika »

 

Ny ORTANA dia mpikarakara ny hetsika fa misy ireo mpandrindra izay tarihin-dry Michelle Rakotoson (mpitarika sady mpanoratra), Brentch na i Mbolamasoandro (poety), Lalao RABENANDRASANA (poety - Filohan'ny FMTS), Hanta RAMAKAVELO (poety - Filohan'ny SYNAEL).

Tsara ny manamarika fa voakasika ao anatin'ireo mpahay ara-endrika ny mpaka sary pika, sary hosodoko, sariitatra, sarin'olona atao amin'ny pensilihazo sns.

Ny tanjon’ny hetsika dia ny hanehoana ny kolotsaina Malagasy amin’ny alalan’ny boky sy ny hahamatihanina ny asa soratra ary hamoronana ny sampan-draharaha misahana azy ireo.

 

Daty : 15 ka hatramin’ny 23 Septembre 2014

Toerana : eo amin’ny Zaridainan’Antaninarenina


Heverina fa tsara raha hitarina any amin'ny faritra ny hetsika toy itony, entina hampiroboroboana ny haisoratra sy kolotsaina malagasy manerana ny Nosy.

Ikaloyna

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021