Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

 19 desambra 2015

FITOKANANA NY LIBRAIRIE MILLE FEUILLES TETSY BEHORIRIKA

Nahazo trano fivarotam-boky indray ny etsy Behoririka. Nisy ny vela-kevitra nataon'Andriamatoa RAHAINGOSON Henri (Di) sy Ramatoa RAKOTOSON Michelle tamin'ny 17 desambra 2015 teo, nanomboka tamin'ny 12 ora sy sasany ka hatramin'ny 1 ora sy sasany teo ho eo. Momba ny boky no noresahana.

- Ahoana no hamolavolana ny taranaka ho tia vaky boky?
- Ahoana no hamporisihana ny mpianatra hamaky boky?
- Fialamboly fotsiny ve ny boky sa fitaizana mihitsy?

Nasongadina fa tena haren-tsaina ny boky, i Di aza nilaza fa raha misy mpianatra manao fikarohana dia afaka mankany aminy ao amin'ny Vohitsera Antaninarenina fa misy boky maro ao. Rehefa manangana sekoly, hoy ihany izy, dia tokony hisy trano famakiam-boky miaraka aminy ary ny trano famakiam-boky dia tokony tsy hisaraka amina sekoly izay hamolavola ny ankizy ho tia vakiteny.

Nieritreritra ny mpanoratra fa aty am-boalohany dia tokony izy ireo tompon'ny boky no hitondra izany eny amin'ny sekoly, amin'ny alalan'ny hetsika sy fanentanana. Izy aloha no mampahafantatra ny boky ho an'ireo izay mila azy. Rehefa ao aoriandriana kely indray, izany hoe tafatsiry ao amin'ny tsirairay ny fitiavana vakiteny, vao izy ireo indray no hikatsaka etsy sy eroa ny boky ilainy.

Tatitra: Heriarilala Andriamamonjy

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 19/12/2015

×