Créer un site internet
Dafy Noely, tankina ny ranomaintiny
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
06 janoary 2021

Dafy Noely, tankina ny ranomaintiny
Samuel Randria - Pôetawebs Tankina tanteraka ireo mpankafy ny haisoratra malagasy, gina aoka izany  ireo mpanoratra sy pôeta namana raha nandre fa vita ny hazakazak’i Dafy Noely na Randrianjakanavalona Dafy Noely. Ny andro voalohany tamin'ity taona 2021 teo ity tokoa mantsy no nandaozany izao tontolo hita maso izao ka namonjeny ny tontolon’ny fanahy teo amin'ny faha-59 ranonorany. Iza moa izany lehilahy izany?

- Mpanoratra fanta-daza, efa voafidy ho MPANORATRY NY TAONA 2016 sy MPANORATRY NY TAONA 2017 tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Koloiko sy Hajaiko ny Teniko. Na teo aza anefa izany anaram-boninahitra efa nisalorany izany dia nanetry tena foana izy ka nametraka ny tenany ho mbola “manoratsora-poana” fa tsy nitonon-tena ho efa havanana na efa andrarezina.


- Mpisehatra mavitrika any amin’ny tambajotran-tserasera koa izy, namorona ny vondrona ANAO NY SEHATRA ao amin’ny Facebook sy ny GASY TIA MANJONO.

- Namela an-dRabakomalala N. Nelson Clotilde ho mananontena izy ary namela kamboty telo mianadahy dia ANDRIAMALALA Rinaud Nelson mivady, ANDRIANJAKA Nancy ary ANDRIANJAKA Tiffany. Roa ny zafikeliny.

Sarotra amin’ireo nifampizara ny manta ny masaka taminy ny hanadino ny soa niarahan’izy ireo. Nambaran’izy ireo fa “maty namela mamy” ity pôeta ity. Eo am-pikasana  hamoaka boky izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao ary efa nilaza ny hanohana azy amin’izany ny UNESCO. Indro misy andalan-tononkalo notsongaina avy amin’ny asa sorany “Atero fotsiny aho” hoenti-mahatsiaro azy farany.


 (…)

“Tsy fantatro na vitako
 ny anjara izay voatendry sy sahaza ny aiko
 fa efa mba noefaiko
 izay takatry ny saiko sy vokatry ny dinitro
 ka raha misy hadino aoka lahy tsy ho tsiniko.
 Ary rehefa tonga ny tsy azo ivalozana
 tsy maintsy hamaranako
 ny fara asa tanako
 satria aho efa lanaka ka toro sy torovana,
 dia atero fotsiny aho fa aza alahelovana.”

Dafy Noely Mpanoratsora-poana 08/05/2017

Ny 11 janoary 2021 izao no kasaina hatao ny fandevenana azy, hiala ao an-tranony eny Antanetibe Ilafy ny nofony ary hoentina eny Ambohipihaonana.

Izahay Pôetawebs dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo.

Heriarilala Andriamamonjy

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 07/01/2021