Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

31 Janoary 2016

VONDRON'NY KORIRA KANTO NY HAISORATRA : FIFAMPIARAHABANA 2016

Omaly sabotsy faha 30 janoary no andro natokan'ny vondron'ny KORIRA KANTO NY HAISORATRA nanaovana fiarahabana tratry ny taona 2016.

Nifamotoana tao amin'ny sekoly tsy miankina NOMENTSOA izy ireo nanomboka tamin'ny 2 ora tolakandro hatramin'ny 5 ora sy sasany.

Nisongadina tamin'izany ny fiarahabana ny Raiamandreny lehibe dia Ramatoa Saholy Rakotonanahary sy Nanja ary ny fandraisana ny mpikambana vaovao.

Ny fiantsana tononkalo sy ny fiarahana miala hetaheta ary ny fiarahana maka sary no namaranana ny fotoana.

Talohan'ny tena nisarahana anefa dia nisy ny firariantsoa nifanaovan'ny rehetra.

HO SAMY TAFITA AMIN'IZAY ATAO REHETRA SY HO SAMY AMBININA NY MPIANAKAVY

Tatitra : Léa Fandresena

 

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/02/2016