Pôetawebs

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

05 Febroary 2016

Havàtsa UPEM - Fiarahabana taombaovao 2016

Ny sabotsy 30 Janoary teo dia notontosaina tetsy amin'ny Tahala Rarihasina Analakely ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona 2016, nataon'ny fikambanan'ny poeta sy mpanoratra malagasy Havàtsa UPEM.

Nanomboka tamin'ny 2 ora sy fahatelony ny lanonana ka tao aorian'ny fanokafan'ny mpitarika (ny Sekretera Jeneraly Jacynthe) dia nandray fitenenana avy hatrany ny filoha Hajaina Andrianasolo. Nandritra ny lahateny izay nataony no niarahabany ireo mpanatrika rehetra fa indrindra ireo vahiny nasaina manokana. Anisan'ireo vahiny niara-paly tamin'ny Havàtsa tao mantsy tamin'io fotoana io ny fianakavian'ireo mpikambana horaisina sy hotolorana Salotrasina, ireo Sakaizan'ny Havàtsa marobe, ireo mpiray lalantsara ao amin'ny foiben-toerana Rarihasina, ireo Fikambanana iraitam-po. Ary nisongadina tamin'io koa ny fanatrehan'ny Filohan'ny RNS (Rencontre Nationale Sportive) Atoa Olivier RAMANANA RAHARY ity lanonana taombaovaon'ny Havàtsa ity.

Havàtsa Upem 2016

Nampahafantarin'ny Filoha Hajaina Andrianasolo hatrany koa ireo mpikambana ao amin'ny biraon'ny fikambanana ary naharihariny nandritra ny lahateniny ireo tetik'asa hotanterahina mandritra ny taona 2016. Ohatra amin'izany ireto:

- 09 marsa : Velakevitra hanasana ny Mpianatra sy ny Mpikaroka "Ny Gazety fandrosoam-baovao sy ny Mitady ny very" ao amin'ny tranompokonolona Analakely, karakarain’ny Havàtsa sy ny Vohitsera. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha 150 taonan’ny Gazety Malagasy

- 21 marsa : fankalazana ny andro Iraisampirenena momba ny pôezia, "tabataba tononkalo an-tokotany"

- Marsa-avrily-may-jona isaky ny sabotsy 1 sy 3 n’ny volana (amin'ny 10-12 ora) : atrikasa momba ny fanoratana SOMBINTANTARA SY TANTARA FORONINA

- 06 sy 07 Septambra : tsingerintaonan’ny HAVÀTSA-UPEM – fankalazan’ny Havàtsa ny faha 150 taonan’ny gazety malagasy. Faha 24 taonan’ny Gazety VALIHA. Omen-kasina ireo Mpanoratra sady Mpanao Gazety Mpikambana tao amin’ny Havàtsa : Fampirantiana ireo GAZETY TRANAINY. Hasongadina i Edouard Andrianjafitrimo izay mpanao Gazety tompon’andraikitra "Gazety Basivava", gazety laika voalohany. Fampirantiana Gazety samihafa sy Gazety VALIHA. Heverina hotontosaina eny amin’ny Lapan’ny Tanàna ny hetsika.

- 24-30 Oktobra : HERINANDRON’NY HAVÀTSA-UPEM. Hisy efitra manokana ho an’ny Gazety tranainy sy ny Mpanao gazety fahiny ankoatra ireo mpanoratra am-perimpanoratana ao amin’ny Havàtsa sy ireo anatin’ny fandaharam-pianarana.

Fa indrindra koa ny fankalazana ny tsingerin- taona faha-65 ny Havàtsa UPEM izay efa mandondom-baravarana atsy ho atsy satria hanomboka hankalazaina amin'ny fiandohan'ny taona 2017.

Mbola ny filoha Hajaina Andrianasolo ihany avy eo no nampahafantatra fa manana sampana sivy ny Havàtsa UPEM ary anisany nanatrika tao ny Filohan'ny Sampana Fenoarivo Atsinanana: Rivoarifenitra. Nampitondra firariantsoa manokana ny avy any Frantsa fa ao anatin'ny fihaonana noho ny taona vaovao koa ry zareo amin'io ora sy fotoana io.

Nandimby ny Filoha nandray fitenenana ny solontenan'ireo Filoha am-boninahitra telo mirahalahy tonga nanatrika izany lanonana izany, ka Atoa Rahaingoson Henri (Di...) no nandray ny fanitaram-peo, nanasongadina ny faha 150 taonan'ny Gazety Malagasy sy ny fankalazana izany iarahana amin'ny Havàtsa.

Fandraisan-tanana sy fanolorana solom-bodiakoho

Taorian'izay dia roso tamin'ny fotoana fandraisan-tanana ireo 16 mianadahy mpikambana vaovao vao noraisina ary narahina fametrahana SALOTRASINA ireo 7 mianadahy noraisina tamin'ny taona lasa.

Fanolorana solom-bodiakoho ny manarak'izay ho fanomezana amin'izao taona vaovao izao ireo Ray aman-dreny 75 taona no ho mihoatra sy ireo Filoha am-boninahitra telo mirahalahy tonga teo: Razafiarivony Wilson, I P Andriamangatiana, Rahaingoson Henri.

Tolakandrom-pifaliana

Tolakandrom-pifaliana no nanamarihana ny tapany farany tamin'ny fotoana. Niroso tamin'ny fiarahana mitsako sy miala hetaheta izay efa nomanin'ny fikambanana ny rehetra ary izany dia narahina hirahira nataon'ny tarika RAVELO Jean Baptiste sy FANGIA GASY ka samy niara-nifaly sy nitafatafa avokoa ny rehetra. Ireto tarika ireto moa dia samy mpiangaly ny gadona Ba Gasy ary marihina fa ny mpitarika azy ireo dia samy Mpikambana Havàtsa ihany dia i RANDY (Ravelo Jean Baptiste) ary i FIPHIE (Fangia Kalo Gasy).

Teny anelanelan'ny hiran'ireo tarika ireo no nifandimby niantsa tononkalo ireo mpikamban'ny Havàtsa vao noraisina sy nosalorana.

Koban'i Madera

Teo antenantenam-potoana no nandidiana ny koban'i Madera izay efa tonga fanaon'ny Havàtsa UPEM isaky ny fankalazana ny fahatrarana ny taona vaovao. Ny Jeneraly misotro ronono Désiré Ramakavelo no antsoina hoe Madera, izay ampatsiahivina fa anisan'ireo Filoha am-boninahitra Havàtsa UPEM koa. Nandefa fialan-tsiny mialoha ny amin'ny tsy fahatongavany izy, izy hatrany no manolotra ity koba ity. Na tsy teo aza izy dia ny Filoha sy ny Sekretera Jeneraly, ireo Filoha am-boninahitra tonga teo, ny solontenan'ny Fikambanana Iraitam-po sady Mpampianatra Atoa Rabarijaona Bernardin sy ny Filohan'ny RNS no nanapaka izany koba izany. Teo am-panapahana ny koba iny indrindra no niarahana nanonona ny hoe:

"Velona ho velona ny teny sy ny haisoratra malagasy"

Io teny io moa no teny filamatry ny fikambanana amin'ity taona 2016 ity.
Manodidina ny 100 ny fianakaviam-ben'ny Havàtsa niara-paly noho ny taona vao tamin'ity lanonam-pifampiarahabana ity. Nitohy hatrany ny antsa tononkalo sy ny hirahiran-dry VOARA ao amin'ny tarika Fangia Kalo Gasy mandra-pirava tany amin'ny 5.30 tany ho any.

Tatitra sy sary: Miadana Andriamamonjy

 





Ny birao natolotry ny filoha
Ny Filoha Hajaina Andrianasolo, nandray fitenenana


v
Ireo mpikambana vaovao noraisina Ireo mpikambana nametrahana Salotra Hasina


Fanolorana solombodiakoho Ny koban'i Madera niaraha-nanapaka
r





Tarika Ravelo Jean-Baptiste
Ny tarika Fangia Kalo Gasy misy an'i Voara kely



Niks Aloka Fanahy, miantsa tononkalo
Heriarilala Andriamamonjy, miantsa tononkalo


Mi'andry Berantoson, miantsa tononkalo
Ny Ami, miantsa tononkalo


Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 06/02/2016