Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

06 Martsa 2016

 

 

Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny : katro-doha teny Betania Ankasina

Ny 21 febroary lasa teo dia nankalazaina maneran-tany ny andiany faha 17 amin'ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny. Andiany faha 17 satria isan-taona, ary efa hatramin'ny taona 2000, no nankalazana izany taorian'ny fanapahan-kevitra noraisin'ny UNESCO tao amin’ny fivoriambe faha-30 tamin’ny taona 1999. Ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Tenin-dreny dia azo lazaina ho fanamby lehibe ahafahana manasongadina sy manome ny lanja manokana ny Teny izay maneho ny maha izy azy ny tsirairay manoloana ny fototra iorenan’ny fiainam-piarahamonina, ny lafiny toekarena ary indrindra ny kolontsaina.

Tamin'ity taona 2016 ity dia sary vitsivitsy mahakasika ny zava-niseho, ranty sy katro-doha, tetsy amin'ny akanin'ny Betania Ankasina no aroso etoana ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs.
Mbolaranto no nisahana ny fanentanana. Editiona efatra no nanao ny fivarotana tao. Nofaranana tamin'ny horonantsary ho an'ireo ankizy beazina ao amin'ny akany ny hetsika.

 

Sary : Ikaloyna

 

Ireo tompon'andraikitra tamin'ny katro-doha: ny solon-tenan'ny UNESCO, ny akany Betania, Mpanabe, Reny,  Mpikambana ao amin'ny Akademia, Mpanoratra Ramatoa Danielle Gondar filoha mpitantana ny akany Betania mpampiantrano,
nanazava fohifohy ny momba ny akany
   
Takalo hevitra nifanaovan'ny mpandray anjara tamin'ny katro-doha Ireo Tonga nanatrika NY katro-doha
   



Rantim-boky satria tsy afa-misaraka amin'ny teny ny boky
Tsy afa-misaraka amin'ny teny ny boky  
   




Ranty tao amin'ny UNESCO raha atao indray mitopy
   

 

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 07/03/2016