Créer un site internet
Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

06 mey 2018

P  O  E  T  A  W  E  B  S
30 avrily 2009 - 30 avrily 2018

Feno sivy taona ankehitriny ny Pôetawebs, tranonkala entina anandratana ny Poety sy ny poezia malagasy. Tamin'ny 30 avrily 2009 mantsy no nivoahan'ny "Aingam-panahy", lahatsoratra voalohany tao amin'io tranonkala io izay nosoratan'i Fredy Jaofera.
Rehefa nandinika sy namakafaka i Toetra Ràja fa tokony hisy ny sehatra manokana tsy iresahana afa-tsy ny tontolon'ny pôezia eto amin'ny aterineto dia nanapa-kevitra izy roalahy fa hatsangana ny tranonkala.

 

Ahitana efitra efatra tsikaritra hatrany am-boalohany ny trano.

- Tapatapakahitra
Itafatafana amin’ny Poety sy ireo olona fantatra fa manan-kolazaina momba ny Poety sy ny poezia. Anjatony ireo efa nivahiny tao toa an’i Ampamoha (Wilson Razafiarivony), AéRa (André Rakotondranaivo), Om-Gui (iray andro talohan’ny nahafatesany), Niry-Solosoa sns.

- Famakafakana
Efitra fanadihadiana ny atin'ny tononkalo, fandalinana ny tontolony ary fanaposahana ny mombamomba ny Pôety.  Mampiely biografia iray isam-bolana ny Pôetawebs.

- Sehatra
Fitaterana ny hetsika tononkalo toy ny antsa sy ny tsangan-tononkalo mba ho hitan'ny besinimaro.

- Lahatsoratra
Efitra itoeran'ny vaovao samihafa toy ny boky vao nivoaka, velakevitra...
 
Valo mianadahy ankehitriny ireo mpiara-misalahy ao aminy: Hajaina, Ikaloyna Vony, Léa Fandresena, Hanitr'Ony, Doda Razafindravelo, Heriarilala Andriamamonjy, Toetra Ràja ary Tsikimilamina Rakotomavo. Na dia poety avokoa aza izy ireo dia samy mivelatra amin’ny sehatra samihafa amin'ny lafin'ny soratra sy teny: Akademisianina, Mpikaroka, Tomponandraikitra ao amin’ny Ministeran’ny Kolontsaina, Mpanao gazety, Mpikabary, Mpampianatra teny malagasy sns.

Pôetawebs 2017
Loharanom-baovao matotra ny Pôetawebs ary izay voasoratra ao dia mora zahana ho an’ny mpianatra, mpampianatra sy mpikaroka, mpankafy tononkalo ary antenaina hitoetra ho an’ny taranaka mifandimby.

Ny Poetawebs dia misokatra ho an'ny rehetra izay manam-baovao hampitaina sy mangetaheta fanampim-panazavana. Mankasitraka ny rehetra nanjohy hatrany ny tranonkala nandritra izay sivy taona izay koa ny Pôetawebs ary maniry ny hampaharitra ny rohy eo amin'ny tontolon'ny haisoratra.

Toetra Ràja


Rohy
http://poetawebs.e-monsite.com
 
Fifandraisana
poetawebs@gmail.com
 
Tambazotra Facebook
Tranonkala Poetawebs 

poetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com

Vous êtes le 298376ème visiteur

Date de dernière mise à jour : 06/05/2018