Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

19 Aogositra 2016

MARIBONINAHITRA SY BIRAO VAOVAON'NY FMTS

Lanonana lehibe no nokarakarain'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy Fampiroboroboana ny Asa Tanana ary ny Fiarovana ny Vakoka ny 18 Aogositra 2016 lasa teo tao amin'ny Trano Famakiam-bokim-Pirenena Anosy (efitrano Rado).

Nisongadina tamin'izany ny fanoloran'ny Fitondram-panjakana Malagasy mariboninahitra ireo andrarezina amin'ny literatiora tamin'ny alalan'ny Ministra RABENIRINA Jean-Jacques. Ireto avy izy ireo.

Commandeur de l'ordre des Arts, des Lettres et de la Culture
— RATREMA William Rakotoarinia
— RALAISAHOLIMANANA Louis-Dominique

Officier de l'ordre des Arts, des Lettres et de la Culture
— RABEARIFENO Albert
— ANDRIANASOLO Benoît
— RAKOTOMAHAFALY Norbert Eugene
— RASOLOMAHENINA Manirisoa

Chevalier de l'ordre des Arts, des Lettres et de la Culture
— RAMANGAZAFY Clément
— RANDRIANASOLO Ediama

Nisy koa ny fanolorana ireo birao vaovaon'ny FMTS (Federasionan'ny Mpikanton'ny Teny sy ny Soratra)

— Filoha: RABENANDRASANA Lalao-François
— Filoha lefitra: RANDRIANAIVO Fenohanitriniala Tolotra Nekena
— Tonia: RANDRIATSARAZOKY Jean Cadet
— Mpitan-tsoratra: MANAMPISOA Tahiry
— Mpitan-tsoratry ny vola: NARIVELO Stermini Lovgoz Brentch Simone Mbolamasoandro
—Mpitahiry vola: RANAIVOJAONA Andriamandamina Jean "NJIVA"

Mpanolotsaina
— ROBSON Charles
— RAKOTOMANARINDRA Lino Fortunat
— ANDRIANAVALONTSEHENO Heritiana
— NATIORANOMENA Narda
— RANDRIAMAMONJY

Nofaranana tamin'ny fiaraha-mikorana ny lanonana.

Tatitra: Léa Rotsy Fy Ty
Sary: Lalao Rabenandrasana

Kabarin'ny Ministra
Rabenirina Jean-Jacques
(tsindrio ny sary)

 

Ireo notolorana mariboninahitra. Eo afovoany ny Ministra Rabenirina Jean-Jacques
 
Ireo Birao vaovaon'ny FMTS
 
Ireo nomem-boninahitra notronon'ny olo-manan-kaja maro

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 19/08/2016