Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

18 Septambra 2016

Ny hetsi-po noho ny namoizana an-dRamatoa Ratsimandrava Ranirina Juliette

Ny taona 2000 ny HAVÀTSA-UPEM na FIKAMBANAN’NY POETY SY NY MPANORATRA MALAGASY no nanomboka nampiantranoan'ny Rarihasina Analakely. Anisany nahatonga io « Immeuble René Depuis » io ho nantsoina hoe RARIHASINA ankehitriny izany fidiran’ny Havàtsa izany satria tranobe ihaonan'ny teny, soratra, hira, dihy, fianarana, fampianarana, fikarohana, sns. 

Ramatoa Ratsimandrava Juliette no nandray am-pitiavana ny Havàtsa izay Ingahy Rahaingoson no Filoha tamin'izany ary niara-niasa taminy akaiky na teo amin'ny sehatry ny Akademia na teo amin'ny sehatry ny Fampianarana sy Fikarohana.

Ho ahy manokana, zava-dehibe loatra, nampivoatra ny lokon-tsoratro ho kanto (angamba) hatrany ny fialokalofako tao amin'ny Rarihasina, ka nifaneraserako saika isaka ny mandalo ao, tamin-dRamatoa Ratsimandrava. Nianarako zavatra betsaka ny firesahana matetika taminy na teo amin'ny soratra, na teo amin'ny teny, na teo amin'ny tantara. Isaky ny misy fampirantiana na hetsika karakarain'ny Havàtsa na ny Mpanoratra mantsy ao amin'ny Rarihasina dia eo hatrany izy, mampirisika, manoro hevitra, mianoka ny zava-kanto vita amin’ny teny. 

Anisany tsy afaka ao an-tsaiko ka tiako hiorina ao an-tsaintsika mba ho fanoitra izay fahaizany mampirisika sy mankahery izay. Tsapako ho mandringa eo amin’ny fomba fanaontsika Malagasy mantsy izany. Tsy doka fahatany, fa fankaherezana hampitombo ny hery hoenti-miatrika ny asa manontolo. 

Tsy isaky ny hanao hetsika ihany, fa saika isaky ny mifankahita aminay Ramatoa Ratsimandrava dia manana teny mandrisika sy mankahery ary mirary soa hatrany. Hitako fa tena ilaina be izany ho an'ny olona vonon-kiasa, hanao zavatra kanto tokoa. 

Toa re hatrany ilay feony: "mahay zavatra ireto tanora ireto, mampirisika anao aho tozoy, ataovy, ianareo ange no tena ianteheran'ity teny sy kolontsaina malagasy ity e". Fitenin-dRamatoa Ratsimandrava tamiko matetika io, ka tena ialako tsiny ambarako am-panetren-tena. 

Raha nanatontosa ny velakevitra fahefatra teny amin'ny Akademiam-pirenena aho ny 04 avrily 2013, nampitondraina ny lohateny hoe : « Ny fahafahana araka ny hita ao amin’ireo tononkalom-pitolomana nosoratan’i Clarisse Ratsifandrihamanana » , vao vita izany dia hoy izy: « Tsy misy hevitra intsony ny tsy handraisana anao ho mpikambana ao amin'ny Akademia", ny taona 2013 iny ihany aho dia noraisina ho mpikambana. Dia izay fiteniny: "tozoy, ataovy, vitanao io » izay no mby tao an-tsaina voalohany raha vao nahare ny fahalasanany. 

Aminay dia tena andry niankinana izy, toy ny Reny, azo nihantahantana mihitsy koa aza rehefa misy hetsika hotanterahina. Fiteniny aza ny hoe: "ireto Havàtsa ireto mihantahanta ratsy!!". avy eo anefa tohizany hoe :"Vazivazy izany fa ahoana moa no tsy hanohanana ny olona vonon-kanao zavatra tahaka izao". Tsy ny Havàtsa sy ny Mpikambana ao aminy ihany no nigoka ny soatoavina malagasy avy tamin-dRamatoa RATSIMANDRAVA fa saika « ry Zatovo Mpandimby ny anaran-dRay » rehetra, mahita amin’ny fijery mamàka fa tsy misy afa-tsy ny fanandratana ny kolontsain’ny tena ihany no antoky ny fampandrosoana ny Firenena.

Ramatoa RATSIMANDRAVA Juliette : Filohan’ny Sokajy Hailaza sy Haikanto (Sokajy I) tao amin’ny Akademia, Tale Jeneralin’ny Foibe momba ny Teny an’ny Akademiam-pirenena Malagasy (Rarihasina), Mpampianatra Mpikaroka, Mpahay tantara izy, inoako fa ireo tanora sy ireo olona maro nifanerasera taminy dia hanohy ny tantara avokoa amin'ny alalan'ny fitozoana, fianarana, fikarohana ho fampandrosoana ity Madagasikara ity.

ANDRIANASOLO Hajaina
Filohan’ny Fikambanan’ny Poety sy ny Mpanoratra Malagasy
HAVÀTSA-UPEM

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 18/09/2016

×