Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

28 oktobra 2016

HERINANDRON'NY HAVATSA UPEM 2016

Nosokafana ny alatsinainy 24 oktobra maraina teo ny herinandron'ny Havatsa-Upem izay ivondronan'ireo poety sy mpanoratra. Lohahevitra voizina mandritra ity fankalazana ity ny hoe:

"Afafiko ny teny Hanjariany ho asa soratra."

I Di... na Rahaingoson Henri no niavian'izay teny filamatra izay.

Marihina fa hita mandritra ity herinandro ity ny ranty mirakitra ny asa soratra sy fampahafantarana fohy ny momba ny mpikambana Havatsa Upem foibe sy ny anatin'ny sampana. Miisa 9 ireo sampana manerana ny Nosy sy any ivelany satria ahitana izany ihany koa ny any Soisy sy Frantsa.

Manana anjara toerana ao ireo vao misondrotra sy ireo andrarezina. Nisy ny toerana natokana ho an'ny tantaran'ny fikambanana ka anisan'izany ireo filoha nifandimby. Tsy nohadinoina koa ny tantaran'ny gazety malagasy. Raha tsiahivina, efa fikasana niaraka tamin'i Di... ny fankalazana ny faha 150 taonan'ny gazety malagasy ary notohizina hatrany araka ny nambaran'ny filohan'ny Havatsa-Upem, Ramatoa Andrianasolo Hajaina Naomy. Natsidiky ny filohan'ny Havatsa Upem koa ny hanatanterahana ny boky Havatsa Upem ho fanamarihana ny faha 65 taonan'ny fikambanana.

Ankoatra ny fampirantiana dia misy boky maromaro ahitana ny asa soratry ny mpikambana amidy eny an-toerana.

Marobe ireo poeta Havatsa Upem mandray ny mpitsidika eny satria ambohipihaonan'ny mpanoratra sy ny mpankafy tokoa ity herinandro ity. Misy fanazavana atolotra ny olona eny an-toerana ary misy antsa tononkalo ihany koa.

Niavaka ny andron'ny alarobia tolakandro nanasana ny rehetra, indrindra ny mpikaroka sy mpianatra fa nisy famelaberana nandraisan'ireo mpampianatra mpikaroka anjara.

Haharitra hatramin'ny sabotsy izao izany hetsika izany. Tsy misy vidim-pidirana ny seho rehetra, koa anasana antsika mpanoratra sy mpianatra ary ny rehetra tsy ankanavaka ho tonga eny an-toerana mandritra ity herinandro ity.

Ny ekipan'ny tranokala Poetawebs dia miarahaba ny Havatsa Upem amin'izao fankalazana ny herinandrony izao ary mirary soa hatrany eo amin'ny fanandratana ny kanto Malagasy.

Tatitra: Doda Razafindravelo sy Léa Fandresena
Sary: Ikaloyna

 

 

 

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 28/10/2016