Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

02 novambra 2016

HITA NY VERY

Raha nilaza ny poezia izahay taloha teto amin’ny F.B. (Fandrosoam-Baovao) dia nampiasa ny teny hoe : MITADY NY VERY. Nataonay fa very ny tena poezia noho ny nidiran’ny versification tandrefana nitobaka teto.

Izao dia tsy mitady ny very intsony izahay fa efa mitranga lany ny tapian’ny tena poezia : Dia ny vetsovetsom-po manetsika ny fo hafa, ny hiran’ny fanahy mampipararetra ny fanahy hafa.

Efa elaela ihany izay tsy nipoitra izahay. Nafafinay ny hevitra ary navelanay aloha hilona kelikely tao. Faly izahay mahita fa mitsimoka ny voa izao, ka ny filohan’ny nampiditra ny versification teto, dia M. J. Rainizanabololona, no nanambara am-pahibemaso izao fa tsy voa ny ady rima tsy misy poezia. Hoy izy ao amin’Antananarivo laharana faha 96 F takelaka sy tsanganana fahatelo : « Raha araka ny hevitro dia aleoko lavitra tononkira feno hevitra sy manetsiketsika ny fo, na tsy ara-dalàna aza, toy izay andalan-tononkira, miady rima, kanefa tsy misy hevitra horaisina, fa miala maina toy ny mantsaka amin’ny tandroho ».

Ka inona moa fa izay indrindra koa ny hevitray. Ny poezia no tena zavatra ao amin’ny poetika. Ny fingadon’ny rima, dia lamba atafy azy. Navalonay aloha ny lamba itafiany mba tsy handrebireby ny sain’ny olona zatra mpandray ho vatany ny akanjony ; nahanjakay ny tena poezia hahalalan’ny tena mpandinika azy.

Efa nahazo ny tena poeta, izany hoe ny olona izay manana fanahy sy saina poeta, hanaraka ny hevitray izahay. Ary faly hampiseho amin’ny mpamaky ny tapian’ny asan’ireny.

Izao indro misy iray asehonay ary dia manaitra izay te-hisandratra ny tena poezia rehetra hiara-manakopak’elatra ao amin’ny habakabaky ny vetsovetsom-po izay malalaka, tsy lany hamamiana, ary tsy tapitra sahanina.

NY AVANA RAMANANTOANINA, CHARLES RAJOELISOLO, J. J. RABEARIVELO

Ny Fandrosoam-baovao, Nouvelle Série, 4e année, no 141, Tananarive, 13 juin 1934.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 02/11/2016