Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

04 mey 2017

BOKY VAOVAO : "FITIA VOARAFY", NOSORATAN'I THINA ANDRIAFALY

Ny tolakandron’ny alatsinainy 24 avrily 2017 teo no namoahana ampahibemaso ny boky milohateny hoe FITIA VOARAFY, nosoratan’ny Poety Thina Andriafaly. Tetsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny no nanatanterahana izany hetsika ara-kolontsaina izany. Thina Andriafaly na RAFALIMANANA Jeannie Berthina dia Filoha Lefitry ny Havàtsa-Upem sady am-perinasa ao amin’io Minisitera io. Nofidin’i Thina manokana ny 24 avrily ho famoahana eran-tany eran-danitra ny FITIA VOARAFY-ny, ka na ny vazan-tany efatra na ny any ankoatra toa an-dry Di... sy ry Razafiarivony aza dia sitrany raha himokomoko handre izany.

Nanomboka tamin’ny 3 ora sy 30 minitra tolakandro ny fotoana. I Andry Andriamanantena no tonian-danonana. Taorian’ny fiarahabana dia nanolotra ny teny ho an’ny Mpanoratra avy hatrany izy. Anisan’ny nisongadina tamin’ny tenin’i Thina ny fampaherezana sy tari-dalana ary fanosehana nataon’i Di... (RAHAINGOSON Henri) azy, izay nanao fahafatesan-tantely tokoa, maty namela mamy, tsy hadino mandrakizay. Nasongadin’i Thina ihany koa ny lalana nodiaviny teo amin’ny asasoratra, ny tontolo manodidina azy izay manesika ny aingam-panahiny. Taorian’ny tenin’ny Mpanoratra izay nianohana tononkalo dia ny Minisitra RAFATROLAZA Bary, izay olona an-trano ao amin’io Minisitera io rahateo, no nanao ny teny fiarahabana sy firariantsoa ho an’i Thina sy ho an’ny Mpanoratra ary ny Mpanatrika rehetra. Avy eo dia niteny Andriamatoa Solo Raharinjanahary izay nanao ny Teny famaranana ny FITIA VOARAFY, fa tena hafakely ny lokon’ny haisoratr’i Thina ao anatin’ity Boky ity. Notohizan’ny Filohan’ny Havàtsa-Upem izany ka navoitrany ny hakanton’ny tononkalon’i Thina hatramin’izay sy ny fampirisihana sahady hahaterahan’ny manaraka indray. Ary Ramatoa Lala RAKOTOSON Agnès izay nanao ny teny fanolorana kosa dia nanamarika ny fahaizan’ity mpanoratra ity mifantina sy mampiasa voambolana miavaka.

Lanonana tsotra kanefa mihaja ity famoahana ny Boky FITIA VOARAFY ity. Ankoatra ny Minisitra izay nandahateny dia tonga nanome haja io fotoana io ihany koa ireo Minisitry teo aloha dia ny Minisitry ny Raharaham-bahiny RAZAFITRIMO Arisoa sy ny Minisitry ny Asa sy ny Asam-panjakana ary ny Lalana Sôsialy RAZAFINAKANGA Alice. Teo ihany koa ny solontenan’ny Minisitry ny Kolontsaina RABENIRINA Jean Jacques sy ny solonten’ny Minisitry ny Raharaham-Bahiny Atallah Béatrice.

Taorian’ny fifandimbiasan-teny dia afaka nijery fampirantiana vitsivitsy momba an’i Thina ny mpanatrika, afaka niara-naka sary ho fahatsiarovana ary afaka nividy avy hatrany koa ny boky miaraka amin’ny rangotsiaron’ny Mpanoratra. Nasehony an-tononkalo ny famintinana ity amboara ity izay maneho ireo fizarana valo ahitana ireo zana-dohateny toy izao :

Fitiavana feno sy toa lalim-paka
 Fitia mihafihafy, mangina ao anaty
 Fitia mizarazara, mandrotika fo
 Fitia be lalao mameno ny banga
 Fitia zary resy masiaka fitranga
 Fitia mitoloko, torovan’alahelo
 Fitia tofotofoka vonon-kamoy
 Fitiavan-tsy ritra tsy mbola afa-bela

FITIA VOARAFY : Teny manaitra nefa toa manintona. Ankamantatra ihany ary mifono tantara lalina. Ireo karazan-tsedra lalovan’ny fitiavana no tantarainy ao anatin’ny tononkalo miisa 65. Fifanandrifian-javatra ve fa miisa 65 koa ny seza tao amin’ny efitranon’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny nanaovana ity lanonam-pamoahana ny bokin’i Thina ity ary 65 taona, rahateo, efa fantatsika ny UPEM. Hoy izahay etoana : Dia hitsingeringerina amin’ny Mpihaisoratra rehetra anie ny 65.

Tatitra : HAJAINA
Sary : THINA

Thina Andriafaly manatanteraka ny rangotsiaro am-pitsikiana Ny endriky ny FITIA VOARAFY
   

 

Miankavanana: Lala-Rakotoson Agnes, Hajaina, Thina Andriafaly, Andry Andriamanantena ary Solo Raharinjanahary

 

Miankavanana :
Rafalimanana Bernard sy Jeanne (Papa&Mama), Razafinakanga Solo sy Alice (MinFop teo aloha), Razafitrimo Arisoa (MAE teo aloha), Rakotonirina Eric sy Thina Andriafaly, Solo Raharinjanahary (Sojabe FLSH teo aloha), Rafatrolaza Bary (S.E/MAE), Randrianarivony Modeste (SG/MAE), Rasolofomanana Eddy (DirCAB/MAE), Ratsimandao Tahiry (DG/MAE), Randriamasy (Tale/MACP), Raveloson Eliane (Tale/Cab1D)
   
 
Thina Andriafaly sy ny mpanotrona akaiky azy Filaharana tamin'ny rangotsiaro
   
Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 05/05/2017